TSY TAMANA AMIN'NY ASA

1. Tokoa ( 02/06/2016 06:45)
Bnjr

Tsy tamana amin'ny asako aho. Efa niasa aho talohan'ny asako amin'izao. Natsoin'izy ireo aho hiasa ao aminy ary mazava ho azy fa ambony kokoa ny karama... Ankehitriny anefa dia mahatsiaro ho tsy ilaina izany aho. Tsy azoko ny aiko rehefa tsy misy atao ato am-piasana. Toy ny potipotik'asa no ataoko ka tsy azoko ny aiko. Manenjika ahy ny eritreritro. Hitako hafahafa indraindray ny fijerin'ny lehibeko ahy (sa ve izaho no manasaro-javatra hoy ianareo?)
novalian'i Tokoa ny 05/06/2016 15:51
2. vaotonga ( 03/06/2016 01:54)
Bjr "tokoa", izao atao an-tsaina, maro ireo tsy an'asa ary miezaka tsy mandry andro tsy mandry alina mikaroka asa mba ho an'ny fiainana ampitso sy anio, nefa indrisy! Ka rehefa miasa aloha ianao dia mifalia, eto mora ny fiainana fa aza asarotina fa hitako toa mana-sarotra fiainana tokoa ianao. Mikasika ny mpampiasa anao, ampiakaro ambony ny toe-tsaina sy ny toem-panahy ka manaova hoe: na tazominy aho na roahiny, tsy olana izany. Nefa na izany aza, ataovy tsara ihany aloha izay zavatra tokony ataonao fa aza miandry fotsiny izay zavatra hipoaka eo. Sady manana fanetre-tena koa e, dia mivavaha fa ny vavaka no toa simenitra manamafy ny fikasana sy ny hambom-po tsara ao amintsika e. Aza miady irery fa miaraha amin'Andriamanitra mandrakariva. Mirary soa.
3. Tokoa ( 05/06/2016 15:51)
Misaotra betsaka anao amin 'ny fankaherezana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2794