akon'ny siansa

1. lahindroy ( 28/05/2016 16:12)
Miarahaba ny rehetra

Nahitana GLYCINE teny amin'ny kintana manan-drambo TCHOURI..., vaovao izay navoakan'ny gazeti-mpikarohana ScienseAdvances ny 27 mai 2016 lasa teo.

Inona no maha zava-dehibe an'izany hoy angamba isika ?

Anisan'ny sehatra mahaliana ny siantifika sy ny toeram-pikarohana maro era-tany ( bioastrophysique , chimie prébiotique ,...) ny mahakasika ny mety nihavian'ny "zava-manan'aina" eto an-tany .

Vinavina lehibe iray ny fiheverana fa avy any ..."an-danitra"(=avy any ivelan'ny tany , avy any an'abakabaka) ny "biriky" nahatonga an'izany aina izany nisy teto tany , 3 miliara taona lasa izay !

Tsahiviko vetivety fa ny "acides aminés" no biriky fototra , izay manome ireo nofotra ("protéines") maro karazana ka mampisy ny aina
Ny GLYCINE kanefa no ...anisan'ny manome ny "acides aminés"
Efa tato ato izao no nahafantarana fa mitondra an'ireny "biriky fototra" ireny ny kintana manan-drambo (jereo Astrophysical Journal vol 783,140 taona 2014 ohatra) ary nanaparitaka an'izany teto an-tany fony ity farany niforona
novalian'i lahindroy ny 31/05/2016 16:45
2. 5laody ( 28/05/2016 22:06)
miarahaba o, ilay glycine zavamaniry no tonga tato antsaiko voalohany teo ampamakiana...
3. lahindroy ( 31/05/2016 16:45)
5laody:

miarahaba o, ilay glycine zavamaniry no tonga tato antsaiko voalohany teo ampamakiana...


Salama daholo
-tena marina tokoa ny voalazanao ; ny glycine dia voninkazo tsaratarehy miloko volomparasy tanora ary tena ...mahasondriana ny maso (sy ny orona) ny jaridainy ravahany .

- fa ilay glycine resahina eto ary hita teny amin'ny rambon'i TCHOURI ...tamin'ity taona ity ary efa hita koa teny amin'ny kintana manan-drambo WILD-2 , 14 taona lasa izay , dia vondrom-pitin-jaka (="molécule") izay "ACIDE AMINE" faran'izay tsotra indrindra :C2H5NO2 , izay anisan'ny biriky fototra isian'ny zava-manan'aina

mbola nitondra "phosophore" koa ireny kintana manan-drambo ireny , ataoma izay miditra ao amin'ny firafitry ny vondrom-pitin-jaka ATP , izay loha laharana eo amin'ny fahafahan'ny sela (" cellule") mahazo hery

Anisan'ny làlana iray alalinin'ireo mpanao fikarona mahakasika ny fomba nihavian'ny AINA teto an-tany ny "vahon-dalana" nentin'ireny comety nifandona tamin'ny tanintsika ireny fony izy vao niforona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1789