AZO SOKAJIANA HO FINOANA, TAHAKA NY FIVAVAHANA VE NY SCIENCE RAHA MIRESAKA ZAVATRA TSY HITA MASO ?

21. stahtam ( 12/05/2016 12:15)

[quote=rhaj0]
Io izao dia tsikaritro ary tena nanahirana ahy fony aho nampianatra. Dia mipetraka ny fanontaniana, hoe, fa maninona io lanitra io manga, indraidray manga antitra, nefa indraidray mena, mavo ets... Dia iny aho mihisatra miteny hoe, ka izao k'lou ilay izy eee... Dia rahefa tsy nahavaly resaka tanatin'ny 15 segondra aho, dia nihodina ny mpianatra. Satria zareo tia hahazo ilay "affirmation", ary "resaka tsy hiadian-kevitra" intsony... Dia nefa aho, tia mba ampieritreritra an-drizareo, mba tarihiko izy mamerina koa ilay "demonstration" ao an-tsainy ao.


Dia torak'izay foana ee... hanontany ianao izao hoe, avy aiza io masoandro io. Dia raha avy aho tsy mahavita manazava aminao ao anatin'ny iray andalana, na koa hoe, misy tsy mazava kely fa tsy ampy ny fanazavana, dia ... ahoana... tena aleonao ve, adaboka daholo izay fahalalan-draolona momba ny masoandro, fa tena aleonao mino an'ity sary eto ambany ity, fa io no efa "marina 100%" tsisy iadian-kevitra h@ izay, voasokitra t@ vato sy Baiboly, ary efa nahabotrabotra ny zokiny rehetra teto??

[quote=stahtam]
1°) Ny nieritreretako ny scientistes hatr@ izay dia hoe tsy manaiky afa-tsy zavatra infaillible saingy hitako fa hay misy teboka iombonan'izy ireo sy ny mpanaraka ny finoana dia ity: samy misy zavatra tsy fantany, samy manaiky zavatra mbola tsy "tena voaporofo 100%" ka hoy aho hoe safidy samy tsy tokony hokianina izany ny mpanaraka ireo làlana roa ireo
2°) Hoy ianao: "dia ... ahoana... tena aleonao ve, adaboka daholo izay fahalalan-draolona momba ny masoandro"? Valiny: Izay fahalalan-raolona momba ny masoandro dia tsy adaboka fa fandinihana samy manana ny azy iny; ny filazany kosa fa ny finoana dia angano sy abobo fa tsy tahaka ny azy (scientiste) nefa izy aza miaiky fa mbola "in progress" @ fitadiavana ny marina dia tahaka ny hoe miala an'Ankatso dia Ambohidempona ihany.
3°) Momba ilay hoe "fa tena aleonao mino an'ity sary eto ambany ity, fa io no efa "marina 100%" tsisy iadian-kevitra h@ izay, voasokitra t@ vato sy Baiboly, ary efa nahabotrabotra ny zokiny rehetra teto??" dia hoy aho hoe: nomena saina handinika ny olona rehetra ka na mino izy na manaiky ny science dia samy mahalala fa mbola tsy nisy ny fakan-tsary raha tsy t@ faramparan'ny XIXème siècle ka asakasak'izay hino izany sy izay hilaza fa botrabotra t@ finoana zavatra tahaka io. na io Baiboly resahinao io koa aza ange ka misy tantarany mbola tsy fantatry ny ankabeazan'ny olona ka mety handiso ny zavatra resahina raha tonga dia mihinana amam-bolony e!
22. stahtam ( 12/05/2016 12:27)

rhaj0:

[quote=stahtam]Ilay confirmation avant démonstration ihany no somary nahagaga ahy.

Ity no nolazaina tamiko tany an-tsekoly, ary zaraiko aminao

1- rahefa afaka Bacc ianao, dia mendimendy hoe, ndeha hianatra ary hahalala zavatra betsaka
2- rahefa afaka Licence na mahazo Injeniera, dia mendimendy hoe, tena nianatra ary nahalala zavatra, ary ndeha hampiasa ny fahalalana-be azo, ary hamokatra @ izay
3- rahefa afaka DEA, dia mendimendy indray hoe, tena mbola be dia be izany tsy hay izany, fa ndeha hianatra sy handalina k'lou
4- rahefa afaka Doc, dia TSY mendimendy intsony. Fa dia hoe, be izay hay izay, ary misy koa ny TSY hay. Fa koa, ilay honoris causa fotsy volo etsy ampita io, be koa ny hainy, ary misy koa ny TSY hainy.

Entre-pa fa tsy voatery hanana Doc ianao vao tonga saina hoe, izay ilay fi(s)ainana. Rahefa "ela nihetezana" koa ianao, dia ho takatrao ilay izy. Izaho dia mivanaka foana @ fahendren'ny Antitra.


Fa rahefa manaiky ianao fa izay ilay fi(s)ainana, ary IAINANAO ilay izy, dia ... moramora aminao ny mahazo ilay etat d'esprit-n'ny Siantista. Ka izay resaka mivoaka eo, dia ... hoz'ianao hoe, akanga aloha fa aleo aloha hanadikadina, ary aleo hiarahana mamahabaha/manadihady.. aiza tsara ilay "tombana/fandinihina/fanandramana/fanadihadiana/...".. ahoana izany demonstration izany... ahoana ny incertitude @ izany... ahoana tsara ny methode (scientifique).. ahoana ny approche... aiza cross-reference... ets...


Fa tena tsara ry Stahtam fa nisy ny "mahagaga" anao, fa tsy tonga dia notelominao izay nolazaina taminao.
[quote=stahtam]
Ilay méthode ampiasain'ny science leoko ihany fa ilay résultat avoakany @ alalan'ilay méthode no mitady hitovy @ finoana ihany (fa ny fisehony fotsiny no samy hafa).
Raha teto Gasikara ianao dia mety nahita ilay olona manazava momba ny tantaran'io baiboly (sy ny fivavahana) io sy ny zavatra nentiny ho an'ny zana-tany eoropeana rehetra. Mandeha TV mantsy izy ka raha mety ho hitako ny rohy mikasika azy dia homeko ihany raha mahaliana anao
23. rhaj0 ( 12/05/2016 12:42)
stahtam:
Ilay méthode ampiasain'ny science leoko ihany fa ilay résultat avoakany @ alalan'ilay méthode no mitady hitovy @ finoana ihany

Ny "référence"-nao dia (mbola) Finoana foana. Ny fandraisanao ny "résultats" lazain'ny Siantista, dia toa ny fandraisanao "dogme". Ny fahitako azy, tsy ny Siansa no olana fa... ianao (sy ny perception sy analyse-nao)

Efa hoe io no "vérité d'aujourd'hui" (hozy ny Siansa), fa tsy "vérité-dodoria", hozy ny Mpino...
24. stahtam ( 12/05/2016 13:31)

rhaj0:

[quote=stahtam]Ilay méthode ampiasain'ny science leoko ihany fa ilay résultat avoakany @ alalan'ilay méthode no mitady hitovy @ finoana ihany

Ny "référence"-nao dia (mbola) Finoana foana. Ny fandraisanao ny "résultats" lazain'ny Siantista, dia toa ny fandraisanao "dogme". Ny fahitako azy, tsy ny Siansa no olana fa... ianao (sy ny perception sy analyse-nao)

Efa hoe io no "vérité d'aujourd'hui" (hozy ny Siansa), fa tsy "vérité-dodoria", hozy ny Mpino...

[quote=stahtam]
Dia azo itokiana ve ilay "vérité" "androany"? Rehefa nosesefan'ny scientistes "nivaquine" izao ny taranak'olombelona fa hoe manasitrana ny tazo hono io ("androany") dia hoe "retiré du marché" indray hono fa izay indray no vérité "androany"; dia izay izany, izay victimes tany dia voa. Ninonino foana izany ireny olona rehetra nihinana ireny sa tokony hiandry ny "vérité" finale?
25. Ravonjison ( 12/05/2016 15:08)
Manahoana daholo a, ny ahy aloha ny hevitr´i RhajO no manakaiky ahy dia tohanako a.

RhajO a, marina daholo ireo voalazanao mikasika ny atao hoe porofo. saingy raha hirersaka fivavahana isika dia hafa kely satria, ireto mpivavaka ange milaza koa fa manana porofo izy ireo matoa mino e. Mino an´i Jesosy ny kristianina satria manana porofo hono izy ireo fa nitsangana tamin´ny maty tokoa Jesosy.....Ilay resaka porofo izany no tsy mitovy ny fandraisana azy.
Amin´ny olona mpandinika ny zavaboary ( scientiste, izaho na ianao) dia mila mamorona theorie aloha ( araka ny fepetra mazava, zavatra efa fantatra sy lojika), dia hamarinina miandalana amin´ny alalan´ny porofo io theorie io. Ka raha feno 100% ilay porofo dia mivadika ho " faits= zavamisy, rélité) ilay theorie. Raha tsy misy ny porofo, dia mbola theorie foana io, raha misy zavatra tsy lojika kosa, na mifanohitra amin´ny efa fantatra dia mianjera hoazy ilay theorie ary soloina theorie hafa indray. Ka raha apetratsika ho theorie ilay hoe : nitsangana i Jesosy, dia mila porofoina miandalana izany. Hatreto anefa dia tsy misy ilay porofo, ary hita fa mifanohitra amin´ny zavatra efa fantatra mazava izany: rehefa maty ny olona dia raraka avy eo ary tsy afaka mitsangana izany intsony...mianjera hoay izany ilay theorie. Fa ny mpino dia milaza fa porofo ireo voalaza ao anaty baiboly, hoe nisy nahita izy avy eo sns...Tsy porofo ireo fa lovantsofina navadika ho dogme.

Sthtam a, ny gasy sasany dia mbola miaina amin´ny taonjato faha 13-14 foana, na dia efa misy zavatra efa fantraka sy mazava izao aza dia mbola hiadiana hevitra foana.
Voalazanao : ".....Ny nahagaga kely ahy hoy aho dia hoe "affirmation" "manakaikikaiky" ny rafitra ara-pizika (25% hoy i Endriny) nefa efa confirmer-na hanoherana ny théorie hafa (finoana ohatra), dia hoy aho hoe: tsy naleo ve niandry ilay pourcentage ho tonga 100% vao niteny hoe iry hafa iry diso...."
Raha misy porofo 25% ohatra, io 25% io dia efa azo hanoherana ny zavatra sasany. Mety hitombo hatrany amin´ny 100% io, mety hijanona eo dia rava ilay theorie. Fa kosa ny zavatra voaporofo 25% ao dia efa zavamisy izany , na rava aza ilay theorie avy eo. Tsy mila miadry ho 100% izany , io 25% io dia mety efa afaka hilazana fa diso na marina ny zavatra iray.
Ny mpivavaka dia marary saina foana amin´ny hoe: misy zavatra tsy fantatra ny siansa, dia raha misy porofo 25% ohatra dia marary saina koa amin´ny hoe : entina hanoherana ny finoana. Ny siansa akory tsy ahalala ny zavatra rehetra eto amonin´ny tany. Araka ny voalazan´i Rhajo, " in progres " io, izany hoe mivoatra, ny zavatra tsy fantatra androany mety fo fantatra rahampitso. Ary misy zavatra mety tsy ho fantatra mihitsy...Ny mpanao siansa dia tsy dia mandary andro amin´ny fanoherana finoana izany. Ny fahalalana ny zavaboary no tena mahaliana azy, dia milaza fotsiny izy hoe izao no marina ny amin´io , na ny amin´ry. Fa ny mpivavaka no mahatsiaro voakitika satria rehefa mitombo ny fahalalana misy, dia mihena miandala ny dogme, dia mianjera miandalana koa ny finoana na miova...Dia mimenomenona be izy avy eo. Misy fomba fiteny izay aty: ny gisa voatoraka ihany no vao maika mitabataba be.

Tsy azo sokajiana ho finoana izany ny siansa.

Jereo eto sao mba misy liana mikasika izany siansa izany:
https://www.facebook.com/groups/MbaDinihoKely/
26. rhaj0 ( 12/05/2016 16:07)
stahtam:
Dia azo itokiana ve ilay "vérité" "androany"?

Izay azany no takatry ny fahalalan-draolombelona t@ izany ka atao ahoana. Na resaka fahasalamana, na resaka tontolo iainana, na koa fifampitondrana eo @ fiaraha-monina, dia izay izany no nisy teo, ka atao ahoana. Ny "Rahampitso Banjinina", ary ianao izay nahita ilay "fahalalana nivoatra" no mijoro dia miroso hatrany. Toa latsa sy ompa @ izay victime taloha anie raha ohatra ka efa hita fa tsy nety na diso ilay "fahalalana-omaly" nefa dia tsy ahitsy.

Ao anatin'izany "fahalalana-diso-taloha" izany koa ny Finoana... aza hadino.

Ravonjison:
Ilay resaka porofo izany no tsy mitovy ny fandraisana azy.

Ny @ Siansa, dia izay "vérité établie" dia TSY MAINTSY reproductible, ary olona hafa (independent) no ni-reproduire azy.

Ka "reproductible" ve ity "mitsangana @ maty", na koa "rano-lasa-divay", na "miteraka-virijiny" sy izay fabulation an-jatony ao @ Baiboly izao?

Koa na ireo "vavolombelona" milaza manamarina ireto "fabulation" azany, tena mba observateur averti tokoany va re moa??

27. Ravonjison ( 12/05/2016 16:56)
Ka izay mihitsy , tsy porofo ireo.

Stahtam a, voalazanao teo : ".....Dia azo itokiana ve ilay "vérité" "androany"? Rehefa nosesefan'ny scientistes "nivaquine" izao ny taranak'olombelona fa hoe manasitrana ny tazo hono io ("androany") dia hoe "retiré du marché" indray hono fa izay indray no vérité "androany"; dia izay izany, izay victimes tany dia voa. Ninonino foana izany ireny olona rehetra nihinana ireny sa tokony hiandry ny "vérité" finale?..."

Ianao kosa aza manao demagogie eto a, ny nivaquine dia manasitrana amin´ny tazo tokoa ( mamono ilay otrikaretina), miaraka amin´ny effet secondaire ananany fantatra, ary marina foana izay. Ny hoe mahavaha ny olona rehetra mikasika ny tazo ve ? Izay no tsy voavahany , satria raha hamaha ny olana mikasika ny tazo ianao dia tsy ny famonoana ny otrikaretina (plasmodium)ihany, fa fanatsarana ny tontolo iainana, fanesorana ny rano miandrona sns..koa dia tokony hatao. Ka raha ajanona tsy ampiasiana intsony izy amin´izao dia tsy midika hoe tsy " verité " intsony ilay izy mamono ny otrikaretina ( marina foana izay), fa kosa midika fa efa misy indray fanafody tsaratsara kokoa sy fomba fiady mahomby kokoa....Taloha ny nivaquine ihany aloha no nisy dia iny no nentina namono ny otrikaina, fa tsy hoe amahana ny oloana rehetra na hamongorana ny tazo. Zavatra roa samihafa izany fa aza afangaro.
28. rhaj0 ( 13/05/2016 02:49)
Ilay izy ry Stahtam dia mila eo koa ny honnêteté (intellectuelle) aaa.. rahefa "diso" ny taloha, dia ekena fa diso, satria izay azany no takatry ny hoza-doha k'atao ahoana; dia miala tsiny ary manenitra sy manarina.

Na resaka ara-pahasalamana io (nivaquine,..) na ara-tontolo iainana (DDT) na ara-piaraha-monina (ny natao t@ amerindiana) na...

Fa TSY teren-ko-tsy-diso toa voalobo-jaza eo.. toa ny Finoana: efa hita izao fa rezonema-n'ny taonjato zero, fahalalana t@ izany taonjato izany, dia efa hita io fa misavoana io, nefa dia mbola anaovana di-doha ampiana tsingolo-batita ihany, dia tere-ko-marina ao..
29. stahtam ( 13/05/2016 07:00)

[quote=rhaj0]
Ilay izy ry Stahtam dia mila eo koa ny honnêteté (intellectuelle) aaa.. rahefa "diso" ny taloha, dia ekena fa diso, satria izay azany no takatry ny hoza-doha k'atao ahoana; dia miala tsiny ary manenitra sy manarina.

Na resaka ara-pahasalamana io (nivaquine,..) na ara-tontolo iainana (DDT) na ara-piaraha-monina (ny natao t@ amerindiana) na...

Fa TSY teren-ko-tsy-diso toa voalobo-jaza eo.. toa ny Finoana: efa hita izao fa rezonema-n'ny taonjato zero, fahalalana t@ izany taonjato izany, dia efa hita io fa misavoana io, nefa dia mbola anaovana di-doha ampiana tsingolo-batita ihany, dia tere-ko-marina ao..
[quote=stahtam]
Izany hoe azo eritreretina ho samy mety diso avokoa izany na ny science na ny finoana arakaraka ny fandehan'ny fotoana raha araka ny fanazavanareo teo ambony. Ka raha niteny hoy aho ny science hoe: BIG BANG no niforonan'izao tontolo izao nefa mbola mitohy mandrakizao ny fanaporofoana dia hoy aho hoe mbola mety misy fisalasalana izany matoa mbola mikaroka porofo, dia izay méthode izay no nolazaiko hoe tsy dia hafa @ fomba firesaky ny finoana ihany izany. I Newton izao rehefa nilatsahan'ny paoma ny lohany dia nametraka ??? be dia be aloha, namakafaka vao namoaka ny formule ary FARANY VAO nilaza fa MIFAMPISINTONA avokoa ny matières rehetra eto an-tany; ity resaka bing bang ity anefa (izay samy tsy nisy nahita) dia ilay CONCLUSION no LAZAINY MIALOHA nefa mbola porofoina hatr@ ankehitriny, dia izay ilay lazaiko hoe: "inoy ALOHA" fa nisy BIG BANG tany aloha tany fa ny fanaporofoana mbola mandeha. Dia izay no lazaiko hoe tsy méthode-n'ny science fa méthode-n'ny finoana. Aza hadinoina mantsy fa tsy ady hevitra momba ny finoana (sy izay manaraka azy) sy ny science (sy izay manaraka azy) no apetrako eto fa hoe: TOA misy méthode-n'ny finoana izay tsy eken'ny science nefa ampiasainy?
30. rhaj0 ( 13/05/2016 10:51)
Dia tsy mety mi-click mihintsy ilay izy, satria dia tena lalim-paka loatra ilay Finoana ao aminao eee...
stahtam:
Izany hoe azo eritreretina ho samy mety diso avokoa izany na ny science na ny finoana arakaraka ny fandehan'ny fotoana

Ny "fabulation"-n'ny Finoana aloha tsy hohamariniko, fa ny an'ny Siansa :
1- table rase ve ho'a ry Stahtam ny "fahalalan-draolombelona" raha tsy voazava ilay bigbang??
2- ny incertitude @ Siansa ve k'lou azonao: hoe milanja ianao ao, dia hoe 100kg +/- 5kg, sa +/- 50kg ?? Dia eritrereto ao ilay "demonstration" namen'ilay Siantista anao eee...

stahtam:
ity resaka bing bang ity anefa (izay samy tsy nisy nahita)

Hay ity ilay fanontanianao h@ voalohany: "samy tsisy nahita". Hoe tsisy nahita an'Andrmntra, na koa i Madame Eva (na i Beauboli @ Finoana hafa), ary tsisy nahita koa ny Big-Bang.

Raha ny @ Andrmntra sy Madame Eva ary Beauboli aloha, dia tsy hitako hohamarinina, fa ny an'ny Siansa :
-- toa tsy azonao (takatrao) angamba ny teoria sy rezonema amen'ny Fizisista rahefa manazava ny (tombana) Big-Bang izy..
-- ary koa hoe, ny hoe "mahita", dia TSY izay "hita"-n'ilay masoNAO baribary mijery io ihany ilay izy eee... Saino kely fotsiny hoe, ny astironomia izao, dia tsy ny "visible" foana fotsiny no jerena, fa ny "infra-red" na koa ondes hafa...

stahtam:
ilay CONCLUSION no LAZAINY MIALOHA nefa mbola porofoina hatr@ ankehitriny

Ilay "conditionnement"-n'ny sainao nataon'ny Finoana tao ho'a dia tena henjana be ee....
Efa hoe, ny Siantista rahefa mihaino resaka dia mihaino "demonstration" (porofo...in progress). Ny Mpino dia mihaino "affirmation" (conclusion).

Ka dia hisambodika mivaralila ao foana ianao izany eee...
Aiza moa ianao (taloha) no tsy mino, dia mandrimandry (manan'aretina) ao, fa hoe i Andrmntra mihintsy no mametaka ny masoandro sy ny volana toa ny punaise tetsy @ toile-n'ny lanitra eeee... :-)
31. Ravonjison ( 13/05/2016 13:57)
Hono oa ry rhajO, ianao moa mampianatra araka ny voalazanao. Mba mila mpampianatra izahay amin´ny fikambananay, sao dia mba afaka miaramiasa aminay ianao ?
32. rhaj0 ( 13/05/2016 14:01)
Ravonjison:
Hono oa ry rhajO, ianao moa mampianatra araka ny voalazanao. Mba mila mpampianatra izahay amin´ny fikambananay, sao dia mba afaka miaramiasa aminay ianao ?
[size=9]Mila alefa an-jorony ity resaka ity, na atao kelikely.. fa ngo dia...
(fa izaho aty Kanada. Taloha aho no mpampianatra. Fa ny fifanakalozana azo atao virtuel (sy gratuit) eto foana eee... :-)[/size]
33. Ravonjison ( 13/05/2016 14:11)
..mety foana na any ivelany aza ianao ka. Jereo ity rohy ity ho hitanao ny zavatra ataonay:
https://www.facebook.com/groups/MbaDinihoKely/
34. rhaj0 ( 13/05/2016 16:33)
Ravonjison:
..mety foana na any ivelany aza ianao ka. Jereo ity rohy ity ho hitanao ny zavatra ataonay:
https://www.facebook.com/groups/MbaDinihoKely/
[size=9]manja eee.. ary tena mankasitraka mankatelina ny ataonareo... efa nandefa hataka ny hi-join aho teo.. Fa ny olana kely fotsiny dia, izaho tsy mi-facebook (tsy pratique azony tsy azo sokafana matetika ato ampiasana ny facebook.. sirika be eo :-) [/size]
35. lahindroy ( 13/05/2016 18:40)

Miarahaba ny rehetra
Efa tena lasa lavitra be ilay fifanankalozan-kevitra vao afaka mandray anjara ny tenako ka angamba fanamarihana vitsivitsy ihany no hatolotro.

fanamarihana voalohany

Nahoana ny olona no lasa nihevitra fa hay tsy "fahalalana azo itokisana" izay novokarin'ny siansa ?

etsy an-kilany
nanjaka teo amin'ny foto-pisainana siantifika tokoa , nandritry ny taon-jato 3 na 4 , ny fiheverana fa "fahalalana tsy azo kianina " ny voka-pikarohana natolony :
-porofo "azo tsapain-tànana " manamarina ny hevitra sy ny kajy novohiziny no hitan'ny olona tamin'iznay ary ny fampiarana azy teo amin'ny fanatsarana ny fiainana an-davanandro , dia zavatra" hitan'ny mason'ny " tsirairay

1.ny "hainkafanana" (thermodynamique) sy ny motera mampiasa entona avy amin'ny ...rano (Savery / Watt 1763)
2.ny "famakafakana mahakasika ny herin'aratra sy ny onja" sy ny fampiharana an'izany teo amin'ny fanazavana ny trano sy ny ...tanàna ( efa aman'etsiny sahady ny "ampoules" novokarin'i Thomas edison talin'ny taona 1882 ) ary nahafahan'i Marconi koa (1895) nandefa "onjana radio" tamina elanelan-tany mirefy ...3 kilometatra !

-etsy an-daniny : ny fahalalana nisy tamin'izany dia ...tsy azo idivirana izany hoe "voasoritry ny teo aloha ny zava-miseho aty aoriana "ka rehefa ampifandraisina ny A sy ny B ka nanome C dia izay foana no mitranga ary "fahamarinana tsy azo idivirana io" ; anisan'ny fototra nijoroan'ireo nantsoina hoe "sciences exactes" izany

fanamarihana faharoa
inona no misy amin'izao fotoana ?

tsy nitombona intsony izany fomba fijery izany rehefa dila ny taon-jato faha XIX satria niditra an-tsehatra :
-ny "tranga mety miankina amin'ny kisendrasendra na eo amin'ny lafin'ny fizika izany (mécanique quantique) na koa eo amin'ny biolojia(moléculaire ,mutations génétiques ... ) ary lasa foto-pisainana "probabilsta" sy vokatra amina "endrika statistika" no mitondra ny fahalalana ; tsy voatery ho C fotsiny intsony no vokarinn'y fampiraisana an'ny A sy B fa misy tranga vaovao hafa D, E...(noravahin'ny sakan'i Schrôdinger ohatra) izay samy manana ny taha mety hisehony miampy ny habetsaky ny "mponina" dinihana (amina miliara tsy hita isa ny zavatra na " bactéries" izany na "particules élémentaires" ...)
-ny fipoiran'ireo rijankevitra vaovao nateraky ny tsy fahampiana na tsy fahamarinan'izay noheverina fa mahafaoka ny zava-drehetra ( 100 tapitrisa taona ny tany hoy Kelvin /lalànan'ny fifampisintonan-kery Newton=>Einstein ) ...

vokany
lasa vinavina ilay noheverina fa "fahalalana tsy azo idivirana"

fanamarihana faha telo
mitovy sata ve ny vinavina sy ny fanambaram-pinoana ?

1.Eo amin'ny vokatra atolony :
tao anatin'ny 100 taona farany , firy ny vokatra notohazana avy tamin'ny fampiarana an'ireny vinavina ireny ?
-na teo amin'ny fitsaboana izany (fitarafana sy ny rayons X , fampiasana ny rayon laser sy ny mecanique quantique), ny fanafody (antibiotique sy ny "mutations aléatoires" ...)
-na eo amin'ny fampiasantsika amin'ny an-davan'andro ny "telefaona portable" sy ny ..."relativité générale"...
-ny solosaina , ny fitaovana rehetra mampiasa elektronika ...sy ny MQ

etsy an-daniny : inona ny vokatra "azo tsapain-tanana sy hitamaso " raha toa ka ny "fahalalana ny natiora "atolotry ny finoana na finoana inona na finoana inona ,no jerena ?

FAHALALANA MIVOATRA HATRANY NY FAHALALANA SIANTIFIKA hoy i rHajo matetika ery ambony ary izay no mampandroso azy

fanamarihana farany
misy tokoa ireo rijankevitra no tsy misy na mbola tsy misy tranga manamarina azy ; anisan'izany ny "théorie des cordes" ohatra izay niezaka ampiray ny MQ sy ny RG na koa ny "théorie de la gravité quantique"

mitovy saranga sy sata amin'ny finoana ve izy ireny raha eo anivon'ny sehatry ny fahalalana no jerena ?
-miainga amin'ny fahalalana mathématique izy ireny ary mitondra vokatra maro sy vaovao tanteraka eo amin'izany sehatra izany : i Edward Witten ohatra dia fizisiana ao Princeton kanefa nahazo ny mari-boninahitra "médaille Field nohon'ny hevi-baovao nateraky ny fikarohany mahakasika ny ..."théorie des cordes "sy ny fanitarany azy ( théorie M)
-betsaka ireo rijankevitra mathématique no tsy nahitana fampiarana raha tsy ela taty aorianan'ny namokarana azy ary misy aza tsy mbola nahitana fampiharana hatramin'izao !

mitory ve izany fa tsy marina izy ireny na koa lasa finoana sisa ny fahamarinany ?

zavatra iray lehibe ny mamaritra sy mametra ny fikarohana siantifika :
ekena ny fahadisoany rehefa nahitana tranga ...mifanohitra na mandiso izay nolazainy ; ka raha mbola tsy nahitana an'izany tranga izany ilay rijankevitra dia heverina fa mbola marina izay lazainy ( principe de réfutabilité de karl Popper izay notsikeraina koa taty aoriana ...izay ilay foto-pisainana siantifika hoy rHajo !
36. rhaj0 ( 13/05/2016 19:32)
fanamarihana kely fotsiny koa..

Ilay "vinavina (statistika)" sy ilay "fahalalana tsy azo ihodivirana". Arakaraky ny sehatra dinihina io. Ka hoe, "mekanika fizika" (vainga lehibe), sa "statistikalina fizika" (piti-bainga = partikiola).

ka ny mekanikan'i Newton dia efa tsara petrapetraka eee.. Ka raha ataonao tsipi-rano-tay ny baolina basikety ohatra, dia tsy hoe vinavinan-dasantsy io, ka hoe 75%-n'ny tranga dia ho tafiditra foana io, dia izay, fa raha tena rasarasaina ny fanipazanao baolina, ny hery ampiasainao, ny angle anipazanao azy, sns... dia voasoritra ny trazektoara eeee... Jereo ny fanadihadiana an'i Stephen Curry eto. Fa avy eo vao asiana statistika ilay tsipi-baolina (fa mbola averina kely indray, fa TSY ny statistika no mamaritra ny trazektoara)



[size=9]Entre-pa.. izaho maka Golden State eee... Iza aminareo no maka Lebron? (hi hi hi... hitomany indray i Lebron androany) :-)[/size]

Dia raha entinao @ Finoana indray moa ity baolina, ka rizalahy ireo kosa dia mpivavaka be daholo, dia ... hi hi hi... ny Andrmntr'i Lebron izany mampitomany, fa ny Andrmntr'i Curry no mahery ee... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4542