nampahantraina, nampijaliana hatramin´izao ny vahoaka malagasy

1. tovorandria ( 07/05/2016 09:59)
lazaina fa ny vahoaka no tsy nahay nifidy refa manao ny adalany sy mampijaly ny vahoaka ny mpitondra, kanefa moa ve tena ny vahoaka tokoa no nifidy io mpitondra io???
TSIA no valiny, ny mpanao pôlitika gasy d manao pôlitika maloto, mangalabato mba ho lany, mivarotra harem-pirenena, sefon´ny kolikoly, ny vahiny n1 no ambony sy olona fa ny gasy atao ôtran´ny fako, miaina anaty tahotra andro aman´alina, mahantra andro aman´alina, d mbola sahy miteny ihany ve isika fa misy mpitondra i madagasikara am´zao???
Tena efa latsaka an-katerena tokoa ny firenena am´zao, amiko d olona tsy compétent itondra firenena ilay filoha, ary tsy nivonona , tsy nanana programme mazava itondrana ny firenena, hany ka ny vahoaka 22 tapitrisa fôna no mitango ny vokany.
novalian'i thyna ny 12/05/2016 21:22
2. rhaj0 ( 07/05/2016 13:20)
Io ho'a dia ho ataoko dridran-gilo.. i Hery-40-millions-de-dollars-t@-propagandy.

Mbola mandoa famerim-bola izy eeee...
3. tovorandria ( 07/05/2016 17:59)
Fa ra ny zava_misy am zao no jerena ôtran ny tsy haharitra eo izy an, mitokona ny atsy mitokona ny aroa,tsy mitokotoko_pôna akory ny olona fa efa latsaka an_katerena tanteraka
4. thyna ( 07/05/2016 23:14)
Ny vahoaka mihintsy no vendrana e!milatsiny an!Tokony handray fiadina @ zay ny vahoaka handripaka ireo rehetra izay nangalatra teo raha tsy izany hitohy eo foana ny fangalaran'ireo!Ary tsy afaka ny hitsoaka any @ firenenkafa ireo mpangalatra ireo fa afa-baraka tanteraka !Mila miray hina daholo aloha ny vahoaka dia mila sahy manantanteraka dingana ngezabe hanavotana ny firenena!Rehefa ripaka ny dahalo ambony latabatra, madio @ zay ny tanàna!Aza adino fa ny iainan'ny vahoaka malagasy @ zao fotoana izao anie ka mafy nohon'ny t@ fanjanahantany e!Zao ny malagasy indray no manjanaka ny malagasy!t@ andron'ny mpanjanaka taloha mbola niaina kokoa aza ny vahoaka!Raha tsy naka fahaleovantena ry zalahy taloha angamba mbola nitovy t@ la reunion ny fiainan'ny malagasy hatramin'izao!Zay lay hoe aza alaina rehefa tsy hay!Zary lasa ohabolana mahamenatra ny hoe:Mihemo-dava toy ny firenena entin-gasy!Mety maro ny tsy hitovy hevitra amiko ka ialako tsiny fa misy fahamarinana kely ihany angamba ny zavatra lazaiko!Dia mirary fifohazana ho an'ny vahoaka malagasy rehetra!
5. rhaj0 ( 09/05/2016 11:06)
Ny fahitako azy indray dia ... misy foana ny andiana jiolahim-boto izay mibodo ny fahefana ary mandravarava.

Tsy ny gasy ihany anie no voan'io fa eraky Afrika sy Azia na Amerika atsimo, koa na hatrany Eoropa azany raha arahina ny tantara eee...

Koa na @ izao 2016 izao azany, dia hahita ianao, "andiana-jiolahim-boto" manao izay danin'ny sainy sy ny kibony, manabotry ny olona (sy vahoaka sy firenena), manosihosy ny lalAna velona.

Fa dia tena victime kosa re ny Malagasy eto fa dia aza asiana mafy ry Thyna aaa...
6. endriny ( 10/05/2016 14:45)

thyna:

Ny vahoaka mihintsy no vendrana e!milatsiny an!


Ka aleo aza jerena izay mety ho vitanareo tsy V... e... Mampalahelo ilay fomba fijery
7. tovorandria ( 10/05/2016 17:25)
Ita oà ry endriny, ny tranom_pody no vitan ny vava, amiko ts ny malagasy no vendrana fa mbola averiko iany fa ireo panao pôlifika matikarena ireo no ts velona ra ts manao koli2 sy mivarotra harem pirenena .
8. thyna ( 10/05/2016 18:52)
Mety ho izaho irery ihany izany no malagasy manana io fijery io ka ialako tsiny;fa fantatrareo ve fa efa mitsoa-ponenana ny ankamaroan'ny malagasy?aleony maty any Liban na kowet sns toy izay maty ao @ taniny!tapitra mitsetsitra sy misoloky ny malagasy avokoa ny rehetra:Ny mpitondra sy ny tomponandraikitra rehetra;ny mpitandro ny filaminana;ny mpitondra fivavahana(Sekta) nefa ekeny izany;ambakaina tanteraka ny malagasy ekeny izany;raha mampalahelo ilay fomba fijeriko dia asehoy ary ny fomba fijerinao e!Dia mbola misy sahy milaza ve fa miadana ny malagasy?Rehefa mijery zavatra toy izao tonga dia ny tena izy sy izay hita maso no lazaina fa izany ihany no nahatonga ny olona tsy hiova!Inty no tena mampalahelo ahy:nisy namana nanontany aho hoe:rahoviana no hody any Mada?dia namaly aho hoe:rehefa tsisy mangery sy tsy misy manary fako intsony eny an'elakelatrano dia mody aho,inona hoy ianao no tenin'ilay namako,hoy izy hoe:Tsy hody ntsony zany nareo!Mampalahelo anie ny mieritreritra an'izany e!Mila vahaolana haingana izany rehetra izany!Ary ny fitenenana hoe Vendrana dia teny maharary entina ampifoha na ahatonga saina ny olona iray fa tsy fanompàna na fanambaniana akory!Mila misokatra tsara koa ny saintsika rehefa misy ady hevitra toy itony fa tsy hitady lafinjavatra ratsy foana!Manentana antsika rehetra mba ny vahaolana no atao be dia be mba ahafahana mandresy ny olana!Tadidio fa ny tsy fitoviana @ hevitra dia ahitàna vokatra tsara foana!raha hitovy fijery daholo koa no hifanoratra eto angamba tsisy tsirony ny forum fa aleo avadika sms!Mazotoa e!
9. vahiny2004 ( 11/05/2016 07:51)

thyna:

Ny vahoaka mihintsy no vendrana e!milatsiny an!Tokony handray fiadina @ zay ny vahoaka handripaka ireo rehetra izay nangalatra teo raha tsy izany hitohy eo foana ny fangalaran'ireo!Ary tsy afaka ny hitsoaka any @ firenenkafa ireo mpangalatra ireo fa afa-baraka tanteraka !Mila miray hina daholo aloha ny vahoaka dia mila sahy manantanteraka dingana ngezabe hanavotana ny firenena!Rehefa ripaka ny dahalo ambony latabatra, madio @ zay ny tanàna!Aza adino fa ny iainan'ny vahoaka malagasy @ zao fotoana izao anie ka mafy nohon'ny t@ fanjanahantany e!Zao ny malagasy indray no manjanaka ny malagasy!t@ andron'ny mpanjanaka taloha mbola niaina kokoa aza ny vahoaka!Raha tsy naka fahaleovantena ry zalahy taloha angamba mbola nitovy t@ la reunion ny fiainan'ny malagasy hatramin'izao!Zay lay hoe aza alaina rehefa tsy hay!Zary lasa ohabolana mahamenatra ny hoe:Mihemo-dava toy ny firenena entin-gasy!Mety maro ny tsy hitovy hevitra amiko ka ialako tsiny fa misy fahamarinana kely ihany angamba ny zavatra lazaiko!Dia mirary fifohazana ho an'ny vahoaka malagasy rehetra!


Efa nandray fiadiana izany ise ? Inona no fiadiana efa noraisin'ise , mba atoroy anay mazava ny tokony hatao fa tsy bla bla fotsiny ihany koa

Misy politika avo lenta tsy taka-tsika, tsy manamarina ny tsy fandraisana andraikitra io , fa tsara ho fantatra alohan'ny hanao hetsika na inona na inona karazan'ny hetsika kasaina hatao. Tsy azo entina @ di-doha fotsiny
10. Thyna ( 11/05/2016 09:18)
Tsy misy zavatra tokony hatoro intsony fa mazava be!Hain'ny vahoaka ny mamono ireo mpangalatra kely tratrany!inona ny fiadiana nampiasainy?Ka rehefa andripaka ireo tena mpandroba ngezabe ireo ve vao tsy ahita hevitra?ireo anie tsy vitan'ny mandroba koa fa tsy mitsitsy ny vahoaka @ famonoana e!Firifiry ireo namono olona fa toa tsisy fitsaràna ho azy akory,1972,10 aout,07 fevrier etc...!Aiza izy ireo izao?mbola manantena hatrany hanohy ny fandrobàna ataony ary manana relève mihintsy hanohy ny asa ratsiny!Tsy manana politika avo lenta ny gasy fa ny hangalatra ihany no ao antsainy!Ny mpangalatra tompoko tsy ho fay izany raha tsy efa tena misy famaizana mafy azony!Ka izao e!Tsy misy vahaolana afa-tsy ny fandripahana na fitsarambahoaka ho an'ireo mpandroba ambony latabatra ireo.Raha tsy mangalatra ireo dia nanana resultat ngezabe ohatr'i Père Pedro!Sa tsy mitovy fa izy tsinona vazah?Izay foana mantsy ny excuse rehefa misy fanoharana!Maninona ny olona no mahavita?Ny tantaran'ny firenena mandroso rehetra dia nandripaka ireo mpandroba rehetra tao aminy aloha vao nandroso.Tsy di-doha io hevitra io fa izay nataon'ny malagasy t@ ireo mpangalatra kely no asaina ataony @ mpangalatra lehibe!Mety tsy mbola victime t@ reo mpandroba ireo angamba ianareo sy ny fianakavianareo ka mbola tsy taitra!Tadidio fa efa miharitra na ny tany na ny arena ao aminy izay tapitra aondran'ireo mpandroba ireo ary avy eo ry zalahy efa mividy tany sy trano any ivelany hitsoahana! zay lay avo lenta mety resahanao!Izaho mino fa afaka 50 taona dia roahin'ny vahiny ny malagasy fatsisy anazy intsony ao!Misaotra @ valinkafatra fa manentana hatrany aho hoe aleo ny vahaolana no atao be dia be!vahaolana avy aty amiko io ka raha manana vaha olana efficace ianao dia arosoy eto!Misaotra tompoko
11. vahiny2004 ( 11/05/2016 11:14)

Thyna:

bla bla bla ...


Dia inona izany ilay efa nataonao Thyna ny fanontaniako ?
12. Thyna ( 11/05/2016 12:30)
Tsy ny "efa nataoko" anie ny olana eto e!Raha mamerina mamaky ianao dia mazava tsara hoe:mila mifoha ny malagasy;mila miray hina ny malagasy;mila vahaolana....!Vakio tsara hatrany ambony aloha!Miteny ny zava-misy aho ary mandroso ny vahaolana!fa tsy nitantara izay nataoko na ny tsy nataoko!fandrosoana vahaolana no atao eto!hitanao fa toy izao foana no mitranga @ toe-tsaintsika!Zay rehetra mametraka vahaolana dia ovaina ny sujet ary iny indray no lasa olana!Tsy blà blà blà io fa manazava ny antsipirihan'ny hevitra mba ho azon'ny mpamaky ny hevitra ampitaina!ary fiainan'ny malagasy antampitrisa no itadiavana vahaolana eto fa tsy 200 akory!Arosoy ny vahaolana any aminao raha misy e!iarahana midinika eto!Raha tsy misy moa dia atao ahoana fa isika efa malaza tsy maha-vaha-olana!Merci
13. vahiny2004 ( 12/05/2016 14:47)
Odrey ! Ny soratanao aloha vakiana tsara mihintsy

Ohatra
Thyna:

Ny mpangalatra tompoko tsy ho fay izany raha tsy efa tena misy famaizana mafy azony!Ka izao e!Tsy misy vahaolana afa-tsy ny fandripahana na fitsarambahoaka ho an'ireo mpandroba ambony latabatra ireo


Dia tairo ary e


14. rhaj0 ( 12/05/2016 16:11)
Io moa arak'i GAndhi izay, dia hoe "You Must Be The Change You Wish To See In The World".. Raha tsotsoriko dia hoe, "Ianao Ihany No Erany" eee...

Na izany azany, aza asiana mafy kosa ny namana ry Vahiny2004, fa mba mamoaka ny alahelony izy.. fa tsy hainao fa mety hahavita-raha anie izy aoriana any, fa tsy fotoanany fotsiny izao ohatra.. "Omby Indray Mandry Tsy Indray Mifoha Ary Misy Azany Mety Hanao Kambana"
15. thyna ( 12/05/2016 21:22)
An an an!Tsy mamely mafy izy ry rhajO a! fa tsapako hoe te hiaro ireo ambony latabatra voalaza ireo satria tsy mahita réaction aho na solution avy aminy!Asa mety misy fianakaviana angamba eo na...!Tsapako fotsiny hoe hors sujet ranamana!Tsisy hifanomezantsiny izany,mora mahazo ihany izy angamba rehefa hazavaina ela!Vakio fanindroany indray hatreny ambony dia mbola hanontaniako ihany ianao hoe inona no hifandraisany @ ilay fanontaniana napetrakao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5493