taratasy ny fanambaran'ny Eveka

1. endriny ( 07/05/2016 09:03)
Eny amin'ny gazety eny dia izao no lohateny tamin'ity herinandro ity: "TSY NITSITSY TENY MIHINTSY NY EVEKA NAMPITANDRINA SY NILAZANA NY TSY FETEZANA ETO AMIN"NY FIRENENA"

O rey olona e, iza no rebirebena sy ampandriana adrisa amin'ity fanambaran'ny Eveka ity.

Iza no tsy nahalala fa ireto Eveka ireto ihany no nahatonga izao fahantrana tsy toko tsy forohana izao?

Fa taiza ny Eveka tamin'ny fanonganam-panjakana 2009? Moa ve tsy ireo no teo an'ilan'ny mpanongana, nitondra ity Firenena ity tamin'ny kizo. Dia ankehitriny mamelon-kira famendrofendroana.

Fa taiza ny Eveka tamin'izay 7 taona nandrotehana an'ity haren'ity Madagasikara Malala ity ho an'ny tontakely sy ny Jiolahy?

Sa ve efa lany ny paiso an-kady dia tonga eo amin'ny tsotsori-mamba isarahana indray. Dia mitady soavaly vao ho taingenana indray.
novalian'i theomanja ny 24/05/2016 14:04
2. rhaj0 ( 07/05/2016 13:21)
Ny tena mamparikoriko @ ilay izy anie, dia zareo (Eveka) ireo angaha hihaino anao akoriny ry Endriny. @ eveka sy ny katolisisma, TSY mila mihaino anao vahoaka izy, fa Andmntra (imaginaire) no henoiny.

Fotsy rora eo fotsiny ianao, fa izy dia tena convaincu, satria nobitsihan'Andrmntra tao @ vavaka lavereny nataony tao, fa tena araky ny sitrapon'Andrmntra daholo ny maha-"teo an'ilan'ny mpanongana, nitondra ity Firenena ity tamin'ny kizo" an-drizareo Eveka ireo, ka h@ fijerevany (sy nitsofany rano) ny "izay 7 taona nandrotehana an'ity haren'ity Madagasikara Malala ity ho an'ny tontakely sy ny Jiolahy"

Ary tena mampavaky vava mihintsy, fa marina ny lazainao, fa tena izao tokoany no ataon'ireto Eveka ireto:

endriny:
mitady soavaly vao ho taingenana indray.
3. endriny ( 10/05/2016 14:42)
Dia mazava izany iny ny fanambarana nataon'ingahy Andrinirina Rajoelina (dit TGV), fa dia ho avy tsy ho ela izy.

Asa raha fifanandrifian-javatra tokoa na ahoana fa vao tapabolana lasa izay ny fanambaran'ny Eveka sy ny fivoriana nataon'ny Eveka niaraka tamin'ny teny Iavoloha, dia indro velona ny lakolosy TGV.

Tsy mahagaga izany satria ilay kely io dia efa fantatra ny lazany amin'ny fahaizany miaraka amin'ireto Eveka ireto.

Dia tanteraho soa ny lalana ry Mopera sy TGV a

Iny lalan'iny
4. rabaradaka ( 13/05/2016 07:31)
Ny Eveka ange leretsy no nanongana an'i Ravalomanana e ! Zao ry zalahy hanongana an'i Hery indray !
Fa maninona ny FJKM sy ny Protestanta tsy mba miteny e ? Sa ve ireo efa nahazo "malette" koa ?
5. endriny ( 23/05/2016 17:46)
Ny FJKM sy ny Katolika ange samy an'ny Frantsay ihany fa aoka hazava e
6. theomanja ( 24/05/2016 14:04)
Tena sanatria raha toaka nahazo malette ny FJKM ??? izay toa mba handraindraina kely ihany ???
tena samihafa ny FJKM sy katolika fa aza hafangoro ry endriny an;;
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4903