Nilahatra izany ny olona leo taxi _be

1. endriny ( 07/05/2016 08:56)
Dia mahavariana ihany rey olona. Marina aloha fa nampalahelo ny zava-nitranga, ary miaiky aho.

Fa ity mila ho isan'andro vaky dia misy olona voadonan'ny fiara tsotra eto Antananarivo, na voadonan'ny moto... Dia mba nisy niheritreritra ve hoe: Andao hilahatra fa betsaka ny saofera manao ny izaho ity, ka misetrasetra amin'ny mpandeha tongotra e.

Fa io koa moa araka ny sokajin'ilay olona iharam-boina tokoa angamba.

Ny olona maty voaendaka sy matin'ny fanafihan-jiolahy, kanefa tsy misy milahatra hoe: "Aiza ny fandraim-pahalemana?"

Fa mba ahoana raha filaharana mitaky ny andraikitry ny fanjakana amin'ny tsy fanarahanan-dalana sy ny baranahiny mihintsy no takiana.

Fa tsy isika samy isika ihany no miady sy mifamaky loha eto.

Mahafinaritra ity Madagasikara ity
2. tovorandria ( 07/05/2016 10:05)
miray hevitra tanteraka aminao aho, io filaharana amin´ny tsy fandriam-pahalemana io no tokony ho fongorina vôloany sy aingana, d ny fanjakana tompoko tsy hihaino izay hetahetanao zany, satria raha nihaino izy efa ela no voavaha ny olana, mbola ny fangalarana vola sy fanagnona-karena ho an´izy mianakavy izao no prioritéa-ny ny sisa tsy misaina izany izy, mbola tsy nahita fitondrana ôtr´ity aho ka isan´andro misy mpitokona fôna, d le fanjakana ko manao be sofina tsy mirahara izay hetahetam-bahoaka mintsy. Tsy mbola nisy zava-tsoa nentin´ny krizy nefa hatram´zao kanefa, tsy maintsy io fitokonana io iany no hany vahaolana hampiala ny mpitondra tsy mivaky loha andraikitra. Raha miray hina ny gasy, dia mety hivôtra, kanefa mbola be ireo pisolelaka tambazana vola kely d mangina.
3. rhaj0 ( 07/05/2016 13:29)
mampieritreritra.. Izaho aloha dia malahelo ary miombon-kalahelo @ ireo (olona) voan'ny tsy-fandriampahalemana sy tsy-fijerevana-ain'olona ataon'ny (olona) sasany.

Dia nefany indray, rahefa mieritreritra ireo olona manao mahatonga ity "tsy-fandriampahalemana sy tsy-fijerevana-ain'olona", dia indraidray koa, dia tena hoe,

- ka na izy koa anie hotry ny victime : mangalatra izy satria .. ka tsisy hohanina azany kouh..
- tsy mijery sy tsy manaja ny hafa izy, fa ... asa.. inona ny adi-saina an'azy ao..


Ka taiza ny fototry ny olana, nampiditra antsika tamina tournant, ary dia io mivaralila migorisa-faty any daholo io isika rehetra..

Ka sao any @ fototry ny olana any no ifotorana dia iadiana, satria ho'a... toa hotry ny victime daholo ihany anie isika rehetra eee...
4. tovorandria ( 07/05/2016 18:03)
Ra mamaky trano sy mangalatra anie izy ts maninona fa ity izy sahy mamono ,mitifitra ity no loza e, mihatra aman aina mits, d le fanjakana ery tsy mivaky loha mints, tsy mitady vahaolana fa ozy ngamba oe refa voaharo ny vady aman janako d ampy izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5101