ny orinasa gasy simbaina dia ny orinasa vahiny aroborobo

1. tovorandria ( 25/04/2016 18:41)
ô rey olona e, fa die efa voahozona mints ve le mpitondra fanjakana no sakanana ny vita gasy, potehina ny mpandraharaha malagasy, ampahatraina ilay gasy kanefa ny vita vahiny sy ny orinasa vahiny kosa aroborobo, tena fanapotehina tss ankitsitsy ny fiainan´ny malagasy mits ny zava-misy rehetra miseho am zao fotoana izao.
2. rhaj0 ( 25/04/2016 19:52)
hotry ny hoe manao dridran-gilo aho, fa raha ny fahitako azy... ka TSY nandoa ekolazy ny orinasa gasy t@ ilay kudeta, ka dia hahazo inona eo...

Ianao ve mihevitra fa raha nandoa an-tapitrisany rizalahy dia tsy hahazo famerim-bola?? Io ho'a i Hery-40millions-de-dollars t@ propagandy toa hadinonareo nefa any ny nerf de la guerre
3. hery ( 25/04/2016 22:40)
Mifampiantsoantso etsy sy eroa fotsiny koa anie e. Ireo milaza fa tonga saina tsy sasatry ny miteny hoe "Tsy rariny anie izao ry zareo" sns... fa tsy mitondra vahaolana.

Samy mahita hoe tsy mandeha io fa samy tsy afaka manome vahaolana.
4. rhaj0 ( 26/04/2016 16:20)
Ka eny ambavan'ny kivindro ny hena, ka akory ataonao ry Hery aaa...

Fa dia ny asisiko dia... angomy ary atambaro ny porofo eee.. Jereo ireny wikileak sy Panama papers ireny, fa na kalabe tahak'n'inona azany mifafa ny kihony ihany @ farany eee...

Fa dia tsy hihodina angaha io... izao izao ry barons sy marquis de la transition izao efa bebe ihany izay no miakatra Fitsarana...
5. tovorandria ( 26/04/2016 19:14)
ô ra Hery a, ts arakao nga ny vao2 nivôka androany? -tsy azo atao tsony nge ny maneho hevitra e(fidinana an-dalambe) , inona no afaka ataonao ra ianao aza voarara tsy afaka ny haneho hevitra am fahatahorany ho very seza na ts mieritreritra an´ze sezany any aza ianao?
Teneniko anao fa be ny gasy te haneho ny hetahetam-pony am zao fijaliany izao fa ze mitsangana eo tonga d tss hevitra fa vita ny aminy.
Ny mpitondra, izy no mamaritra ny zonao sy ny tsy zonao, ary tsy misy fanajana ny zon´olombelona manoloana ny fanjakana malagasy.
Na manana projet tahaka ny inona aza ianao refa ts tian´ny mpitondra hisy io d foana ho azy(itany fôna ny fika isakanana ny tetik´asanao)

6. endriny ( 29/04/2016 04:25)
Ny fikambanan'ny Orinasa sy ny Sedikan'ny Orinasa Malagasy efa nangataka mihintsy ny mba hijerena ny fampidinana ny hetra amin'ireo akora nafarana, saingy indrisy ry tapa-tsaosisy.

1) Ny valiny nivoaka avy tany dia hoe: "Tsy mandoa hetra intsony ny frippery avy any Eraopa"

Fa iza marina moa no mpanondrana Friperie manketo Madagasikara e?

Valiny: Ilay atao hoe Caritas...

Dia maty ny mpanjaitra... kanefa iza moa no hijery izay mpanjaitra any na maty aza a

2) Mihena 10% hetra ho an'ny kojakoja sy fiara tranainy avy ny Eraopa
Fa maninona no hoe avy any Eraopa irery
SAtria efa manomboka mahazo laka ihany koa ny vita sinoa ka mihena ny mpanjifa ny zavatra Eraopeanina. Dia terena fotsiny ny Malagasy mba handray anjara. Ary efa nandray anjara goavana tokoa moa tamin'ny fividianana ireo Air Bus sy ATR mora mirefotra ireo
7. rabaradaka ( 30/04/2016 08:56)
Izaho manokana aloha dia mahatsapa fa sain-dratsin'ny frantsay io fanapotehana ny orinasa an'ny malagasy io. Izao mantsy, ny karana eto amin'ny tanana dia saika mizaka ny zom-pirenena frantsay avokoa ka raha tsy mahazo vahana ireo dia potika ny vazaha eto.
Fotoana tokony hampitroatra sy anehoana ny hambom-pom-pirenena izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7109