Fantatra hoe an'iza ilay machine fanaovana vola sandoka

1. rabaradaka ( 25/04/2016 08:33)
loza iray, loza folo, fa tratra i Claudine fa azy ilay milina (machine) fanaovana vola sandoka. Fa rehefa tratra izy dia ny vadin'ny Filoha hajaina Hery Rajaonarimampianina mihitsy no miaro azy.
Hatao inona ireo vola sandoka ? Homena ny miaramila izay mikononkonona zavatra any ho any ve, sa ho zaraina amin'ny tantsaha izay tena sahirana tokoa izao sa homena an'iza ?
Fa dia maninona no mitazam-potsiny ny Filoha Hajaina Hery Rajaonarimampianina ? Sa ve mpiray tsikombakomba ny vadiny dia manaiky fotsiny izy.
Efa misy tetika hoe hanao "dévaluation monétaire" ny fitondrana tarihin'ny Filoha Hajaina Hery Rajaonarimampianina atsy ho atsy ary efa mahalala izany avokoa ireo mpiray ombon'antoka sy mpamatsy vola vahiny.
Hiandry efa ho latsaka an-kady ve ny firenena vao hihetsika ny vahoaka e ?
Zahay moa aty anaty ravin-kazo dia tsy mahita izay tena hatao fa vonona kosa izahay rehefa hoe miakara ianareo fa hihetsika isika.
novalian'i theomanja ny 22/06/2016 05:54
2. tovorandria ( 25/04/2016 18:31)
efa tena mampiaiky vahôka mints ny toetran´le voahangy a, mbola tsy nahita aho hoe 1er dame ka tena miditra lailna dia lalina lôtra am resaka fiainam-pirenena ôtran´iny. Tsy kilalao anie rey olona ny firenena e, raha mba olona nianatra moa io ramatoa io ka aninona, fa ny loza d izy ity midingindrambo manao izay saim-patany fotsiny d ny malagasy no mamafa ny kihony.
3. mpahayTantara ( 27/04/2016 11:03)
Ka izy io efa vadin Ngahy Rainy faharoa moa zany ....
Izy io caissière t@ fivarotana MadDélices teo aloha, zay no nifankafahantaran'ny roa tonga ...
4. walte ( 27/04/2016 11:16)
zay refa kely saina de oentiny madama @ sangany eh
5. hery ( 27/04/2016 17:54)
Sarotra inoana ihany ilay izy rabaradaka. Marina fa mety hoe misy miketrika fanakorontanana dia manomana riposte ny fitondrana. Fa tsy mila vola sandoka mihitsy izy hanaovana an'izany.

Voalohany aloha dia tsy azo horebirebena amin'ny vola sandoka ireo miaramila sy tantsaha. Ary manaraka izany dia ananany ny vola tena izy, ananany ny banky foibe, ka raha hanao devaluation izy dia manapa-kevitra fotsiny fa tsy hampanao vola sandoka.

6. rhaj0 ( 27/04/2016 18:13)
izaho mihevitra fa tsy toa izaho sy ianao rizareo ireo ka iresahana lojika normal.. tena giravy ny gourmandise, ary jiolahim-boto ireo, ka dia ho ataony daholo izay hita atao rehetra.. dia mihevitra zareo fa satria an-tanany ny fahefana (sy ny Fitsarana) dia TSY ho voakitikitika izy.

Araho ihany ireny diktatera mpanefoefo ireny, fa tsy voatery vola angalarina ao @ vatam-panjakana fotsiny no roritiny, fa googler-o anie ny hoe "enrichissement illicites des dictateurs" eee...


Na ohatra koe hoe, resaka sex, dia hoz'ianao ve hoe, izy efa be vola io, koa maninona tsy maka cox na escort any an-dafy.. Ilay feeling hoe manana pouvoir dia tsy maty manota no mety reveny ao..
7. hery ( 03/05/2016 00:08)
Gaga kely aho hoe maninona ity adihevitra iray ity manana mpamangy 7000 mahery ao anatin'ny herinandro latsaka???

8. theomanja ( 24/05/2016 14:44)
satria betsaka dia betsaka ny olona tsy mahara-baovao ry hery an... ka talanjona @ zay... satria tsy hitany izay ataony... fa ny fantany dia mia-mahantra foana ny vahoaka..mirongotra ny hasan-jiolahy satria noana izy..
9. man2 ( 09/06/2016 16:36)
Tena efa tsy izy tsony e, Vahombey tao @antsiva no mahafehy az
10. manankoazy ( 09/06/2016 21:25)
Nanao azy amfy anie ry Simone Ehivet Gbagbo fa io ny niafaran'izy sy Laurent Gbagbo vadiny, asan'ireo mpisolelaka ihany amin'izato Filoha hajaina Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Tsy mahavita tahaka an'i Nelson MANDELA fony Winnie nanao tahaka an'i Simone.
Mitandrema raha marina izany vola sandoka izany. Tarafo hatrany ny vola alohan'ny handraisana azy


rabaradaka:

loza iray, loza folo, fa tratra i Claudine fa azy ilay milina (machine) fanaovana vola sandoka. Fa rehefa tratra izy dia ny vadin'ny Filoha hajaina Hery Rajaonarimampianina mihitsy no miaro azy.
Hatao inona ireo vola sandoka ? Homena ny miaramila izay mikononkonona zavatra any ho any ve, sa ho zaraina amin'ny tantsaha izay tena sahirana tokoa izao sa homena an'iza ?
Fa dia maninona no mitazam-potsiny ny Filoha Hajaina Hery Rajaonarimampianina ? Sa ve mpiray tsikombakomba ny vadiny dia manaiky fotsiny izy.
Efa misy tetika hoe hanao "dévaluation monétaire" ny fitondrana tarihin'ny Filoha Hajaina Hery Rajaonarimampianina atsy ho atsy ary efa mahalala izany avokoa ireo mpiray ombon'antoka sy mpamatsy vola vahiny.
Hiandry efa ho latsaka an-kady ve ny firenena vao hihetsika ny vahoaka e ?
Zahay moa aty anaty ravin-kazo dia tsy mahita izay tena hatao fa vonona kosa izahay rehefa hoe miakara ianareo fa hihetsika isika.
11. li15981 ( 10/06/2016 19:48)
Fanamarihan kely: tena tsis ahafantarana an azy nge hon ny vola vita @ le fitaovana e?!
12. theomanja ( 22/06/2016 05:54)
Ny azoko ambara aloa efa kely ny fotoana fa misy farany ny zavatra rehetra... ary izay manao dia mitantiny ny vokany ao ariana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2774