INONA AM TY ANGAH NO TENA MITOMBONA!?

1. SYLLA8 ( 23/04/2016 14:28)
"avoto ny namanao mb hanavotanao ny tenanao" sa "avoto ny tenanao mb hanavotanao ny namanao"? aiza amnreo no mety hitombona na tena mitombona,de rah hoy enao hoe samy mitombona aby io de mb omeo ohatra hoa zah! hi hi hi
novalian'i tenere ny 16/11/2016 16:23
2. rhaj0 ( 24/04/2016 00:58)
Roa lahy mianala io, izy tokiko, izaho tokiny.
3. hery ( 24/04/2016 17:37)
Ahoana moa no fomba hanavotanao ny namanao raha toa ka tsy avotra ianao? Mila manavo-tena aloha :-)
4. rhaj0 ( 25/04/2016 16:37)
Raha tsy mijery afa-tsy ny tenanao ianao, dia ... tena hoe, "ao ianao sy ny tranonao" eee... ary rahefa mihataka @ havanao ianao, dia hihataka aminao tokoany koa ny olona, ary dia "ho hitan'ny havany" ao ianao (raha mbola manan-kavana).

Ny fahendrena Malagasy dia efa fehezin'io "Roa Lahy Mianala" io, ka asakasak'izay manary izany.

Ny maoderina indray, @ anglophone aloha, dia miverimberina kosa ny hoe
- "win-win situation",
- "networking"...
Inona no mety ho dikan'ireo teny ireo @ teny Malagasy? Mino aho fa anaty kolotora Malagasy koa ireo..
5. ora ( 26/04/2016 08:14)

SYLLA8:

"avoto ny namanao mb hanavotanao ny tenanao" sa "avoto ny tenanao mb hanavotanao ny namanao"? aiza amnreo no mety hitombona na tena mitombona,de rah hoy enao hoe samy mitombona aby io de mb omeo ohatra hoa zah! hi hi hi


Fanamarihana kely fotsiny, diso tsipelina fotsiny ve ianao sa io nosoratanao io mihitsy no tena tianao hanontaniana, tsy mitovy mihitsy mantsy izany hoe "AVOTO" (= foto-teny vonto)sy ny hoe "AVOTY" (= foto-teny avotra)
Miova tanteraka ny dikan'ilay zavatra tiana lazaina raha raisina @ ireo karazany roa ireo ilay foto-teny.
6. SYLLA8 ( 28/04/2016 06:55)
ho ny an i ORA io ,zan hoe ny tiako hambara @ny hoe "AVOTO" io de midika am teny frantsay :"sauvé".avy amin ny matoateny:"manavotra"
7. SYLLA8 ( 28/04/2016 07:03)
zan hoe ny an i HERY io zany de @ny hoe:"avoto ny tenanao mba hanavotanao ny namanao"?
rah io anef no dinihana de mety hitarika amin ny fitiavan-tena! moa tsy izany?
8. SYLLA8 ( 28/04/2016 07:15)
Eny hoa ry RHAJ0!rah n hoe ny tenanao aloh zay vao ny namanao d hita fa mahtonga ny fitiavan tena f rah ny namanao aloh zay vao ny tenanao d hita kosa tena mifanaraka ny @ny baiboly! ka rah kristiana tokoa enw d tsy aleonao ny namanao zay vao enao!? hi hi
9. rhaj0 ( 28/04/2016 12:19)
Ilay an'ny Razantsika, raha ny fahazoako azy, dia tsisy filaharany.. Diniho ho'a ny ohabolana

- Roa lahy mianala, izy tokiko, izaho tokiny
- Tanan-kavia sy havanana, izy didi-maharary
- Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana


Dia @ io tsisy hoe, hozy ny tanana havia hoe, "ny tenako aloha...". Satria "maharary" azy koa rahefa marary ny andaniny.


F'ianao miresaka Kristiana, dia raha ny fahitako azy, ny an'ny Kristiana, na koa ny occidental @ ankapobeny, dia sens unique, TSY mba mitovy ny an'ny Razantsika...


Izay fa dia aza dia ariana ho'a ny fahendren'ny Razana eee...
10. 5laody ( 30/04/2016 13:29)

salama ry namana isany,

raha ny fijeriko azy indray aloha rehefa mahay mifanaraka satria tsy mitovy mihitsy ilay hoe avotra amin'ny sasany sy ny voavonjy na afapo amin'ny hafa.

Raha tapa tongotra ianao tavela ao anaty rano dia avelanao aloha ilay iray ho avotra haka tady na hazo isintonana anao ao.
Ilay mamonjy koa nefa tokony ho fantatrao hoe mahavita ve izy.

Eto no miditra ilay resaka hoe fitiavan-tena sa tsia (misy olona sarotra be vao afa-po), raha tsy mionona amin'ny tady mahazaka izy fa mitady helikaoptera na volabe vao afaka mamonjy dia ao ny tranonao.

dia mitovy amin'izay koa ilay avotana e.

Jereo ilay politika eto amin'ny tanàna e, tsy hanavotra vahoaka izy raha tsy .....voky be aloha nefa tsy mety voky.

Ka raha mba ampiana ilay hoe didia maharary sy izay tsy mahalen-kialofana dia mba miara manamboatra an'izay trano mitete no tsara imasoana sy miaro ilay tanana havia na havanana tsy handidy na ho voadidy.

11. Tokoa ( 09/05/2016 12:55)
Sehatra roa no azo hanazavana izany. Fanontaniana: FANAVOTANA AMIN'NY LAFINY INONA ALOHA? VOLA FOANA VE SA FANAHY?

1) Ilay hoe "Avoty ny namanao mba hanavotanao ny tenanao" dia mihatra angamba eo amin'ny

sehatra ara-panahy: Eo anatrehan'Andriamanitra, raha manao soa ny namantsika isika, na tsy

mahazo tombony azo tsapain-tànana aza dia havotan'Andriamanitra amin'ny lafiny izay Izy ihany

no mahalala azy: fanavotam-panahy, fahasoavana tsy eritreretintsika, sns, filaminan-tsaina (

fanavotana lehibe ) , sns.

2) Ilay hoe "Avoty ny tenanao mba hanavotanao ny namanao" indray angamba dia eo amin'ny

seha-piarahamonina: Ny tenanao aloha vao ny hafa, ary rehefa tafita ny tenanao vao afaka hanampy ny hafa ianao.

Lalina be fa amin'ny manaraka. Merci.
12. mirananirina ( 29/07/2016 18:50)
Miara manavoten, samy manavotra tenany tsy mety ve hihi
13. tenere ( 16/11/2016 16:23)
Je aloha vao tu
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1231