FIHAVANANA

21. rhaj0 ( 27/04/2016 11:01)
RBNIR:
Raha malemy finoana kosa aloha tena aleo tsy mifanerasera loatra amin'i ...

rhaj0:
Nefa anie ny iseraserana eto dia ny Isavasavana Ny Raviny Mba Ahitana Ny Ifotony eee

Fa dia mazavabe izany fa...
Toa Kristiana Mafana FO (Malemy Finoana), Ka Aleony Very Tsikalakalam-PiHAvanana, Toa Izay Very Tsikalakalam-PiVAvahana.
22. RBNIR ( 27/04/2016 11:34)
Tsy mba hiova fijery mihitsy v i rhajo ty e,

« Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. » (Mat.5:15)

Matoa ange IZY mitaky an'izany dia misy mazava tiany "hazava" tsara ao anaty "haizina" ao e!!!

zavatra 2 no hitranga na ny olona hihazakazaka hiala ao anaty maizina, na jambena ny masony dia tsy ho sahy hanantona ilay mazava izy....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
23. rhaj0 ( 27/04/2016 13:18)
ka fihavanana no resaka et ory RBNIR aaa...
Ny Fivavahana izany ny anareo ho'a no ambony noho ny Fihavanana eee...

Eny azany kouh... ario ny an'ny Razana ee... hi hi hi.. angaha ianao ho vazaha rahoviana (jiosy) ka handova ny fanjakan-drizareo any... :-)
24. RBNIR ( 27/04/2016 13:32)

rhaj0:

ka fihavanana no resaka et ory RBNIR aaa...
Ny Fivavahana izany ny anareo ho'a no ambony noho ny Fihavanana eee...

Eny azany kouh... ario ny an'ny Razana ee... hi hi hi.. angaha ianao ho vazaha rahoviana (jiosy) ka handova ny fanjakan-drizareo any... :-)

Ny fitiavana no ambony, raha samy hitoetra ao anaty aizina iza intsony no hanazava ny tanana???
25. rhaj0 ( 27/04/2016 14:58)
mampome mihintsy i RBNIR ity.. satria TSY soatoavin'ny Kristianisma izany FiHAVANANA izany.. angaha misy teny Jiosy mahadika an'io. Dia Fitiavana no resahin'i RBNIR. Efa hoe FiHAvahana ny loha-hevitra nanontanian'i Razafyaina2o15.

Ka raha manontany izany i Razafyaina2o15, ny @ Fihavanana, eto @ lohahevitry ny Fivavahana/Finoana, dia ny amehezako azy (h@ izao aloha) dia hoe..

... raha mbola manidy ny tenany sy ny sainy ary ny fiainany ao @ Kristianisma Ramalagasy, dia aza gaga mihintsy raha VERY ny Fihavanana, satria TSY soatoavin'ny Kristianisma izany.

Ary dia inty ny oha-pitenenana vaovao ho an'ny Kristiana

Toa Kristiana Mafana FO (Malemy Finoana), Ka Aleony Very Tsikalakalam-PiHAvanana, Toa Izay Very Tsikalakalam-PiVAvahana.
26. harenadanny ( 27/04/2016 15:49)
samy manaja zay antokom-pinona misy azy de ampy!
27. rhaj0 ( 27/04/2016 15:54)
dia ahoana ry Harenadanny.. samia mihidy any an-tranony (na any @ vohitrakeliny) izany ??

Dia atao inona ny Serasera ?
28. RBNIR ( 27/04/2016 21:32)
rhaj0:

mampome mihintsy i RBNIR ity.. satria TSY soatoavin'ny Kristianisma izany FiHAVANANA izany.. angaha misy teny Jiosy mahadika an'io. Dia Fitiavana no resahin'i RBNIR. Efa hoe FiHAvahana ny loha-hevitra nanontanian'i Razafyaina2o15.

Tsy tokony hisy fihavanana ho tapaka mihitsy fa ny tena marina dia ity....io ilay nolazaiko ery ambony hoe ilay kristianina te hihavana ihany fa ireo olona (tsy tia manaraka azy) no tsy tehihavana aminy intsony dia manaratsy etsy sy eroa....
Avadika indray ny baolina dia lazaina fa ilay kristianina indray no nanapaka ny fihavanana nefa....« Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany*.[*Na: (ny zanany)] » (Mat.11:19)
Vakio tsara fa ny fitazanan'ny olona an'i Jesosy dia "sakaizan'ny....mpanota".......Rehefa tian'ilay olona "ny mazava" dia lasa "mpisakaiza" izy roa tonta.....rehefa "jambenan'ilay hazavana" kosa ilay olona.....dia mazava ho azy manomboka misintaka izy fa tsy sahy manantona akaiky ilay hazavana intsony dia lasa mpanaratsy ny hafarany......
29. rhaj0 ( 28/04/2016 10:55)
RBNIR:
io ilay nolazaiko ery ambony hoe ilay kristianina te hihavana ihany....

Forcer-na fotsiny ny resaka ny an-dry RBNIR fa tsisy lojikany.. tahaka ny mahazatra azy:
Te-hihavana @ ilay olona inoany fa "devoly" (satria tsy mivavaka toa azy) ve ilay Kristiana eto ry RBNIR ?

RBNIR:
« Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany*.[*Na: (ny zanany)] » (Mat.11:19)
Vakio tsara fa ny fitazanan'ny olona an'i Jesosy dia "sakaizan'ny....mpanota".......

esy eee... kibokiboin'ny tsihaitsihay i RBNIR dia navoakan'i RBNIR indray ny lamba maloto... Io ilay efa noresahina hoe, @ teny anglisy, dia olona mpigoka (divay) kay i Jesosy.. Nefa anie Fihavanana no resaka eee...


Sa avoahy indray azany hoe ry RBNIR ilay toko aman'andininy

1- nilazan'i Jesosy an-dreniny hoe : "zovy koa izay ianao ravehivavy?".. Izany ve tsy maniratsira reny ary manapaka ny rohy @ reny niteraka ???

2- nilazan'i Jesosy hoe, "ilaozy ny r-a-d sy mpiray tam-po fa ndao hanaraka ahy".. Izany no tena fampianaran'i Jesosy: TSY TIA Fihavanana...

30. endriny ( 29/04/2016 04:43)
Hoy ny Hira

Ialao ny Rainao
Ialao ny Reninao
Ialao ny zoky, zandrinao
Ialao ny havanao
ry ireo sakaizanao e
Avy manaraka ahy ianao

Milay be e
31. RBNIR ( 29/04/2016 06:04)
dia izay izany rhajo a! tsy hitanao ilay soratra hoe "sakaizan'ny mpamory hetra sy mpanota" i Jesosy fa zavatra hafa no hitanao ka akory atao e!
32. rhaj0 ( 29/04/2016 11:24)
RBNIR:
dia izay izany rhajo a! tsy hitanao ilay soratra hoe "sakaizan'ny mpamory hetra sy mpanota" i Jesosy fa zavatra hafa no hitanao ka akory atao e!

Ny lamba maloton'i Jesosy ho'a dia mbola aboakanao ihany.. Hitako tsara ireo, fa izaho azany mba mitsetra dia mba hoe avelao any izany.. Ka miziriziry moa i RBNIR, ka dia io sasao io azany ilay lamba maloton'i Jesosy ee..


Matthew 11:19 The Son of Man came eating and drinking, and they say, ‘Here is a glutton and a drunkard, a friend of tax collectors and sinners.’

VAVOLOMBELONA io be dia be, ary voarakitra an-tsoratra, fa toa izao i Jesosy :

- glutton: an excessively greedy eater = sain-kanina

- drunkard: a person who is habitually drunk = mpigoka, mamo lava

- friend of tax collectors = letia eee.. dia rahefa akaman'ireo mpamory hetra ilery izany dia TSY mandoa hetra??? hi hi hi.. izany no nianaran-dry Ylias, ary nampiany ny mandeha any Panama mba anafenana harena


Dia olona TIA fihavanana ve i Jesosy @ ireo ? izay ve no tian'i RBNIR mafy ho lazaina ???
33. RBNIR ( 29/04/2016 11:47)
"and they say".....fa tsy hoe "and Jesus say".....Lazan'olona=fanaratsiana.....rehefa tsy tia hoy aho dia lasa mpanaratsy.....
34. RBNIR ( 29/04/2016 12:46)
et ils disent : C'est un mangeur et un buveur, lazan'olona = fanaratsiana......
35. rhaj0 ( 29/04/2016 13:13)
hi hi hi... rahefa mitantara ny fahagagana nataon'i Jesosy ireto olona, dia deraina hoe "vavolombelona". Rahefa mitantara ny toetran'i Jesosy, les mêmes olona, dia lazaina hoe, "fanaratsiana". Nefa anie ilay olona mba mitatitra zava-misy fotisny. Lozanao ry RBNIR.

Fa efa hita io re ry RBNIR fa glutton (sain-kanina) sy drunkard (mamolava) i Jesosy, fa kosa, niaiky azy ireo "vavolombelona" ireo, ary izay ilay exemple fara-tampony amen'i Jesosy, fa na dia sain-kanina sy mamolava azany IZY, dia ny fahagagana vitany dia tena "nohamarinin'ny asany"


tsy hitanao ve ao @ fiaraha-monina ao, betsaka ny dokotera chirurgien mamolava sy sainkanina koa, fanefa ny fahaizany dia "nohamarinin'ny asany" eee... :-)
36. harenadanny ( 29/04/2016 13:50)
fihavanana ve sa fivavahana?
37. rhaj0 ( 29/04/2016 14:29)
Hoz'enao hoe, fihavanana ve sa fivavahana? inona ny safidy??...

hi hi hi ... Toa efa nisafidy anie nareo Kristiana ry Harenadanny, fa fivavahana ny anareo, dia narianareo ny fahendren'ny Razantsika eee...

Dia eo nareo vao mody ganga ho'a hoe... fa misy inona anaty fiaraha-monina? nefa safidinareo ilay izy.

Ka raha io mikorontana io ny fiaraha-monina, dia ny kristianisma re no nahatonga izany eeee...
38. harenadanny ( 29/04/2016 16:54)
ka zay ny zava-misy @zao! fivavahana=fihavanana
39. rhaj0 ( 29/04/2016 18:42)
sahala @ tsy mamaky resaka etsy ambony koa ry Harenadanny izany. Aleo feheziko f'hotsahotsan'ny... an..

- Ao Montreal, nizarazara ny mpiara-monina satria ny kristiana protestanta dia TSY te-hitay dabiliio @ Katolika ao am-piangonana. (izany anefa efa mba gasy vitsy kely aty an-tanin'olona, dia manary ny fiHavanan'ny Razany))

- Ny any Dago ilay tetsy Andravoahangy nitresaka roa : aiza izay FiHavanana eo ??? Ahoana koa ny toera-tsy zaka ataon'ireo Kristiana (tena izy) ny Temoins de Jehovah ohatra ??

- @ fiainan'olona manokana : ny fihavanana @ Rakrisy dia @ olona mivavaka toa azy ihany. Raha vao TSY toa azy, dia devoly hono izany, hozy Rakrisy. Ntss... mbola aiza ilay hoe, ny Katolika TSY mivady @ Protestanta..


Dia potika ny fiaraha-monina satria ... efa vita oha-pitenenana eeee...

Toa Kristiana Mafana FO (Malemy Finoana), Ka Aleony Very Tsikalakalam-PiHAvanana, Toa Izay Very Tsikalakalam-PiVAvahana.
40. harenadanny ( 29/04/2016 19:00)
zany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4915