Ny sakafo sy ny filàna

1. rhaj0 ( 20/04/2016 14:39)
Izao indray no reko farany...

Ny vatana dia mila sakafo hamenoana ireto filàna
1- filàna enerzetika : mila angôvo ny vatana.. io dia alaina any @ siramamy sy ny matavy sy ny sisa.
2- filàna nutritionely : mila raha ny sela sy ny hozatra sns... io dia alaina any @ piroteina sy ny mineraly sy ny sisa.

Fa ity izao nasiany fanin-3
3- filàna emosionely...

Izany hoe, ny filàna emosionely dia ho fenoin'ny sakafo.

Ka dia normal be mihintsy ianao, rahefa sorendrena iny, dia te-hihinana sôkôla, na rahefa te-hifalifaly, dia te-hihinana fen'akoho.
Toa ny hoe, rahefa hanao fanantajahan-tena iny ianao, ka hihazakazaka lavitr'ezaka, dia mahafantatra fa mila mihinana pasta (hanome angovo); na hoe hanabokona hozatra, dia mila provandy (hanome piroteina).


Ka dia eo hono izany isika izao.


Fa ny zava-misy aloha h@ izao, dia mbola tsy voafaritra ny habetsahana (quantification). Ohatra anefa, ny Dietetisiana mikarakara ny mpanao baolina na mpanao boksa, dia efa mahafantra ny habetsahana ilain'ny vatana raha hanao ity fanantanjahan-tena.

Fa mbola tsy tonga any @ fahalalana hoe, mila sôkôla firy vao afaka ilay sorendrena :-)
novalian'i booboo ny 13/06/2016 08:49
2. rhaj0 ( 20/04/2016 16:10)
Ka ny nametrahako an'ity aty @ resa-behivavy, dia hoe...

ka raha renim-pianakaviana mikarakara ny ankizy ao, dia aza mba masiatsiaka izany ee.. na ohatra hoe, mahatsiaro meloka ianao fa manome sôkôla rahefa tia hanambitamby.

Dia ianao andriambavilanitra te-hahia lava ao koa, dia... mety hoe, mety hampatavy ny vatana ny sôkôla, fanefa kôpy ianao izany fa "mila sôkôla" ilay vatana rahefa sorendrena ny fo aman-tsaina eee .. :-)

Io dia atao fampitaha @ hoe, kôpy ianao fa mila provandy raha te-hanabokona hozatra.

Fa ny hany sisa ilaina fantarina izany dia ny habetsahana.


Ka io hono mbola samy tsisy mahalala, fa ny hany azo atao, dia hoe

- raiso ny sôkôla, ary dia hankafizo, izany hoe mila mahatsapa-saina (consciente) tsara ianao mihinana ny sôkôla, fa tsy hoe, sady mijery fahita-lavitra dia misesika ao... (izay ilay mampatavy).

- tsy voatery ho sôkôla koa anie no manala fahasorenana eee.. @ ankapobeny, dia io dia samy manana ny antsoin'ny aty hoe "comfort food".. sakafo manafana fo izany eee... Mety hoe ovy endasina sy fromazy, mety hoe gatô, mety hoe voamadilo sy sakay :-)
3. rhaj0 ( 20/04/2016 16:42)
Ka io izany dia hoe, raha tsy mihinana sôkôla ianao rahefa manana olana emosionely, na hoe tsy ampy sôkôla, dia.. raha atao fampitaha @ filànao mineraly sy vitamina ohatra, dia rahefa tsy mihinana izany ianao dia hisamboaravoara (déséquilibré) ny vatana.

Fa raha mihinana be loatra koa moa izany, dia.. raha atao fampitaha @ filànao angôvo, ka hihinanao siramamy (sy kaloria), dia ... lasa matavy izany eee...


Io k'lou ny teoria vaovao reko, fa dia samia ... mitsakotsako :-)
4. vahiny2004 ( 13/05/2016 15:09)
Misy namana fantatro , rehefa manana olana (indrindra eo @ fifandraisany @ akamany ) dia mihinana mihinana mihinana, ary dia mitombo

Rehefa milamina , dia mijanona ny fihinanana dia miverina @ ara-dalàna
5. booboo ( 13/06/2016 08:49)
Matetika misy ireny fomba fiteny ireny mampa saina tonga ahy mihitsy : " croquer la vie à pleine dent ". Nisy fotoana zà te himotika masira gravy velona (tsy manaizana an), dia ouz ny zanako 5 taona izy t@ zay " tsy ampy sira angaha fiananao neny, ? ", ny nandraisaiko azy tsy ilay sira sira fatao @ laoka ireny fa ilay hevitr'ambadika :-D :-D. Misy ilay hira n'i Raoul / mahaleo iny koa izao mitovy² @ zay " asio siramamy ".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1649