Sao d mba misy afaka manazava fohifohy ny tantara niainan´ireo malagasy nandritry ny 1947? Izany hoe ny zavatra tena nisongadina tamin´izany niainan´ireo malagasy nitolona ho amin´ny fahafahana?
Sao d mba misy afaka manazava fohifohy ny tantara niainan´ireo malagasy nandritry ny 1947? Izany hoe ny zavatra tena nisongadina tamin´izany niainan´ireo malagasy nitolona ho amin´ny fahafahana?
misaotra mialoha
Tsy ho voazava fohifohy ny takianao: "Izay nisongadina tamin'izay niainan'ireo Malagasy nitolona ho amin'ny fahafahana" satria midadasika be.
Azo zaraina 2 lehibe, ohatra:
i) Ny tolona politika nanomboka tamin'ny 1945 sy ny tohiny nataon'ny MDRM 1946-47 ary ny nanapoahan'ny Frantsay ny antsoina hoe 29 Marsa 1947: torohevitra ho anao: tadiavo ireo mety ho taranak'ireo olona ireo, mety manan-kavana ianao dia ireny anontaniana.
ii) Ireo nolazaina hoe niady tamin'ny toerana maro: Moramanga, Fianarantsoa, Manakara, Ikongo, . . . Jereo koa izay mety ho havan'ireo.
Ny azo antoka ary tsara ho fantatra ary ampahafantarina ny Malagasy rehetra dia ny Frantsay no nanapoaka ny 29 Marsa 1947 fa tsy ny MDRM. Ampitaka sy hafetsena ary saina maloto efa voaomana maty paika nanomboka tamin'ny 1946 no nataon'ny Fanjakana frantsay ary nailiny any amin'ny MDRM sy izay mitovy hevitra amin'ny MDRM ny heloka: 80%-n'ny Malagasy tamin'ny 1945-46 no nanaraka ny fotokevitra MDRM nangataka fahaleovantena.