Atao hoe menatra ihany za angah matoa no nanao ny tenanko ho izy, nefa mo iza no ahita a ato ambadika ato.
Manaika za fa misy ny hadisoana nataoko betsaka, saingy zao kosa, za sy ny sipako efa ho telo taona no niaraka, nisaraka za sy io renin-janako io tamin'izany, niverina izy fa hoe bevokako, za mba mihevitra ny tenako ho olona tsy manary zanaka, ary tiako de tiko ny zanako saingy io foana no ampifilafilany ahy. Niaraka taminy sipako foana aho nandritra izany ary niara-nipetraka izahay, izy tsy nanisy olana taminy zanako rahateo raha sendrra mba mijery azy a. Tamin'ny voalohany taona, nisy olana za sy io sipako io, za mo tsy niasa, ny fianakaviako tsy nisy nandray ahy noho ny adalana be efa nataoko, toaka sy gafigafy isan-karazany, ny reniko rahateo efa maty ary ny raiko nanambady olon-kafa izay tsy tia ahy no tsy tiko rahateo ko, tsy nisy aleha aho ary nanao mokon-doha fotsiny hijery ny zanako, mamomamo mo ka tafajanona tao amindry zareo, tsy miara-matory aminy renin-janako za fa teo aminy canapé, tsy fantatry ny ray aman-drenin'io renin-janako io ny tsy fiarahanay matory, za ko mo ohatry ny novelomina ka rehefa niteny izy hoe ataovy ny raharaha de tsy nahateny aho, nohenohenoko teny ihany ary nanohy ny nirécuperer ny sipako aho saingy izy mo nametraka fa ny fihovako tanteraka no tadiaviny nifamerina izahay saingy tsy haiko ny hialana tao amin'ilay renin-janako, nanohinohy ny mandaingalainga teny ihany aloha a. Nandritra izany anefa nalain'ilay renin-janako ny karapanondroko ary nokarakarainy tany ny taratasy rehetra, tsy nisy resaka tamin'ny RAR ny roa tonta mo ny raiko ko nisy olana tamin'io maman'i renin-janako io ka tsy nanome ny bokim-pianakaviana izay nangatahindry zareo. ny tena olan'ny raiko de ny hoe tsy misy fifanajana teo aminy RAR fa tsy nisy na vodiondry na fangatahana sy fisehoana. Nomen'ireo fianakaviana ireo ahy ny daty, tsy hitako izay navaly, ka de vita ilay izy. Za anefa tena tia an'io olon-tiako amin'izao io ary faly tokoa fa hanan-janaka izahay. Niezaka ny niala ihany aho, tsy mody ao matetika, ao amin'ny renin-janako io fa tsy nisy nirarahiny an'izany, fa vitany avokoa ny taratasy. Talohany raharaha mo, de nitomany ny renin'ilay renin-janako noho ny vola efa nolaniany raha tsy vonona a. Nalahelo ihany ny tenako ary mba nieritreritra ny volan'olona lany ka de natao ny raharaha ny hafa-kapitson'iny. Avy eo anefa tena tsy foiko ilay olon-tiako nisotro no nataoko nandritry ny roa andro nanambadiako, avy eo tapa-kevitra aho ny hiverina any amin'ilay olon-tiako, izy ko mo efa nisy fifamaliana tamin'ireo fianakavian'ny reninjanako ireo ary nasehon'izy mianakavy fa tsy misy ilain'izy ireo ahy, ary ny renin-janako nanao vava fa tsy te handray a intsony indrindra ny RARny, izy mo nipetraka tao aminy RARny, ka de niverina tamin'ilay olon-tiako aho. Nalahelo ahy izy ka de nandray a, efa nazavaiko azy ny rehetra, somary sarotra taminy ilay izy saingy efa nisy mo ilay zaza mo nalahelo ny tenako tsy misy aleha ka de nanaiky ny hitoerako ao aminy saingy fantatro fa izy no tena tiako.
Be ny hadisoako sy ny tsy fisainako ary ny fitiavan-tenako, fa atao angamba fa mba mety misy azoko atao hanarenana izany. |