Zaobavy Misy toetra

1. 7411 ( 05/03/2016 07:29)
Asa raha izaho ihany no mba tratran'ity tranga ity, efa 3 taona no niaraka zay s le oltiko, efa mfanerasera am ray aman-dreny sy ny fianakavina roa tonta, ny anabaviny nefa tena miavona be, tsi ita mitsy ze andraisana azy, misy toetra, maatsiaro mijaly a, ary toa any foana ny loako, ny namako mteny oe aza mirarà anzan, miezak ny ts mrarà a nefa tena tsy mety. za ol sociable b d ts tik mits rf mait oln ts miavon amk, ndrindr oe akaiky otrzany, lasa halako be r zareo, lasa maakirikirina ahy ny fiainako.. mba toroy hevitra aho ry reto a.snif
novalian'i zozou ny 31/10/2016 10:14
2. MYGA ( 06/03/2016 07:23)
Manahona ianao ;marina ny tenin'irei namanao aza rarzhina est tenen'ny zaobavy fa refa tsy miraika @avonavona at Sony ianao de menatra ry zareo
Aza miady @zareo fotsiny tsikio Kelly fa ho hutanao eo
Refa ny vadinao sy rafozana no tianao de efa tsara zay mahereza fa fomban'ny fuainana zany
3. 7411 ( 06/03/2016 11:26)
Misaotra #miga
4. Fanjatiana90 ( 20/06/2016 07:50)
aza maka lagy @ zany e, ze ataony @nao dia atovy aminy koa fa avy eo izy tonga saina eny ihany
5. zozou ( 31/10/2016 10:14)
izaho dia miaina ny toa izany miitsy, mody tsy mahita ny zaobaviko rehefa mifanena amiko, raha mandalo dia mody tsy mijery ahy,tsy manao azafady, raha avy any aoriana dia fady azy ny miarahaba fa ianao avy eo aloha sendra mitodika no miarahaba. Nandritran'ny 4 taona no niainako izany.raha harabaina ry zareo tsy mijery akory fa mamaly no milanjalanja be. Sorena aho ary lasa manome areti-po sy eritreretiko lava arak'io lazainao miitsy ilay izy ary mahakamo ahy koa ny fiainako. zaho vadin'ny zokin-dry zareo lahy fa mbola tsy niarahaba tratry ny taona tao antokatranonay ry zareo na indray mandeha aza fa ny anadahany no arabainy manokana any an-dalana.

Betsaka ny olona efa nifampizarako olana ary ray aman-dreny daholo, ankehitriny tsy miarahaba intsony aho napetrako amin'ny toerana hametrahany ahy aho,
mpiavy aho dia nanaja kanefa sarotra hajaina ry zareo.Na inona fihetsika sy fiteny dia niarahaba foana aho.
Apetrany tsara ny hoe zokiny amin'ny taona hono ry zareo ka dia milanjalanja loha amiko,miandry omem-boninahitra ,miandry harabaina,mody tsy mahita sns.
izaho ankehitriny naka ny toerako koa satria zokiny amin'ny filaharana aho na zandriny amin'ny taona aza ary izany no fomban'ny Malagasy.ary amin'ny vazaha koa mbola misy hoe "tu es de ma famille de mon ordre et de mon rang "
Tsy miady voninahitra fa diso manambany ahy loatra ny zaobaviko roa ary indray mifanabosibosy mihitsy. Mihezaka manadio ny foko sy ny saiko aho ankehitriny ary tsapako fa tena tsy mora ilay izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1407