Maty kanefa velona indray

1. endriny ( 26/02/2016 18:57)
Indray andro rehefa nilalao ny ankizy nanao fanenjika dia nanao posy i Jean Marie Frederic fa poritra te hipipy. Dia nododosan'ny mpanenjika izy hoe: "haingana ialahy e!". Dia niolomay i Jean Marie Frederic ho ambadiky ny trano, kanjo latsaka tao anaty lava-drano, ary dia nifamonjena saingy tsy tana fa maty. Dia lasa tany an-danitra ny fanahiny ka notsenain'i Masindahy Piera: "Tonga soa ny zanako!". "Misaotra... fa izaho izany mbola te hipipy" hoy i Jean Marie, mbola nahatsiaro ilay andeha hipipy ihany izy. "Tena tsy azo anaovana maloto aty fa saha sy toerana masina daholo" Hoy i Piera entitra si entitra.... "Ka izaho tena poritra fa alefako eto ity a" Hoy Jean Marie somary tezitra...
"Mandehana ialahy miverina any dia ataovy any ny pipian'ialahy... dia miverena amin'ny manaraka" Hoy i Piera tamin'ny farany...

Teo am-pampandroana ny razana ny fianakaviana no niverina ny ain'i Jean Marie Frederic... taitra ny mpikarakara nahita ny pipy nifatsitsitra ka nihoraka hoe: inona ity ataon'i Jean Marie? " Mipipy aho" hoy izy. Rifatra nandositra ny mpikarakara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2287