hena omby zantely jirama 
saho - 25/02/2016 18:55
|
![]() Maninona no haondrana any amin ny sinoa ny omby malagasy, ny firenena iray manondrana entana rehefa misy ambiny na koa efa voky ny mponina ao aminy, izany hoe rehefa afapo ny tsena malagasy vao manome any ivelany isika ve mitrongo foana, ahoana ny fifehezan ny fiarovana ny vita malagasy noambaniana kanefa hena malagasy matsiro sady bio no tsara quality, inona no fampirarahana eo amin ny sinoa sy ireo minisitra varotra ao mada ao, vonoina ankolaka ny malagasy ve, dondrona ve ny malagasy noho ny sinoa sa matimbola ireo manampahefana mivarotra ny malagasy# Ny orinasa jirama miandry ny fanapahankevitra ara tsoratra avy amin ny fitondrana amin ny fifanarahana fampandrosoana ny fandehanan ny jiro sy rano ary koa ny momba ny fandehanan ny fikorianan ny orinasa, kanefa ankilambao no endrika hisehoanjavatra tsy mandeha amin ny tokony ho izy, aiza ny andraikitra ny fiompiana tantely te aondrana any ivelany, tsena malagasy mihalafo na ny tantely na ny hena omby na inona na inona....mampalahelo le zavamiseho Inona no tena asan ireo tompompahefana eo anatrehan ny mponina malagasy, ohatrany ankilambao fa ny azy ihany no tiany hamboarina, trano hidiran ny filoha amboarina trano vahiny handaniana vola be Fa an iza moa i madagasikara, vola iraisampirenena toa haondikondina amin ny zavatra hafa kanefa hanatsarana ny fiainambahoaka sy hanatsarana ny zavatra fototra tsy mety Manasa anao hanadiady fa mba mahita filazambaovao ao internet koa KOLO TV Journal aty ampita matory daholo ve ny tena atao hoe mponina malagasy, manaiky tsindry hazo lena foana ve, ampitampitao Malagasy aloha vao sinoa, ho lasan ny sinoa hatrany hatrany ny mamy rehetra na ny harenantsika mahamalagasy raha zao no mitohy, mailo mailo nareo mpiompy sy mpamboly izay mamelona ny mponina malagasy eraky madagasikara, aza matimbolan ny sinoa fa mahaiza mifampitsinjo samy malagasy |
ilafy - 14/09/2017 05:25
|
![]() |