Soratra masina ve sa soratra namasinina?

21. rhaj0 ( 19/02/2016 12:05)
stahtam:
Ohatra: nahoana no noraisina ho boky EKENA harafitra ho baiboly ny "bokin'i Petera" sasany nefa ny sasany izay "azy" ihany (araka ny archéologie izay vao hita taty aoriana) dia tsy mba nampidirina ho baiboly?

Aleo aho hilingilingy hamaly ny fanontaniana, fa efa haiko tsara @ izay izao ny "imagination"-'i Mpinobe..

i Andrmntra no ni-inspirer an'ireo olona nanonta ny Baiboly io. Matoa io Baiboly io voatonta toa io, dia izay no "sitra-poNY" na hoe izay no "lahatr'Atra". Aza mba miady @ Atra, ka mikarokaroka ny zava-nisy tany, fa IO izao no misy, IO no "masina" na "nohamasinina", ka dia[size=4] 'ndana mievoka ao kely indray k'lou..[/size] :-)
22. endriny ( 20/02/2016 05:38)
ohatra omeko izany e: Masina ny tanindrazana... Masina ny Ray aman-dReny.... Ireo izany dia tranga tsy azoko lavina mihintsy satria 1) Tanindrazana: Ao ny razambeko no milevina... ary tsy nisy aho raha tsy nisy ireo, ka masina amiko io.... 2) Ray aman-dReniko masina amiko satria ireo no loharano nipoirako...

Fa ity boky ity inona no maha-soratra masina azy? amin'ny boky tantara hafa.... ka mahatonga azy hoe soratra masina?

Dia averiko indray: Ny ranomainty nanoratana io boky atao hoe soratra masina io dia mitovy amin'ny ranomainty nanoratana ny nous deux. Ny taratasy nanaovana io soratra masina io mitovy amin'ny taratasy amin'ny gazety Ngah ihany. Dia inona aza no maha soratra masina an'io... fa nihamasinina no marina
23. stahtam ( 22/02/2016 05:06)

[quote=endriny]

[quote=stahtam]
Tsotsotra ny valiny azoko lazaina: lamba iray ihany no nanjairana ny takon-kenatrao sy ny ondanao dia... Asa raha mahafa-po anao izay. Saino anefa fa samy tenanao ihany na ny loha na ny an-kasarotana.
24. endriny ( 22/02/2016 05:47)
stahtam:

Tsotsotra ny valiny azoko lazaina: lamba iray ihany no nanjairana ny takon-kenatrao sy ny ondanao dia... Asa raha mahafa-po anao izay. Saino anefa fa samy tenanao ihany na ny loha na ny an-kasarotana.

Dia ianao izany mihevitra fa ambony kokoa na masina kokoa ny ondana noho ny silipo? Dia aza manao silipo aza e... na aza mipataloha na manao zipo rehefa tsy ampy vola fa ny ondana vidiana...

Izay anitsianao azy eo... fa ny tanindrazana no masina dia ilevenan'ny razana, tsy hitovy mihintsy amin'ny tokotany... raha tsy nandevenana mpamosavy angaha ilay tokotany... mahakely andilana izany a..
25. stahtam ( 22/02/2016 11:52)

endriny:

Tena tonga any @ ilay hevitra tiako havoitra mihitsy ny ny fomba namalianao ny teniko:
Ny fisainana ao ambadiky ny teninao hoe :"dia aza manao silipo aza e... na aza mipataloha" dia midika fa rehefa misy ny ambaratongan-javatra na fifamenoan-javatra eo @ fiainana dia raisinao fa misy fiheverana ho tsy misy dikany na tsy misy ilàna azy mikasika ilay iray tsy mba nasongadina kokoa. izay no fandraisanao azy, dia tsy gaga aho raha manambany tena izay tsy izy ianao rehefa manavaka ny mainty hoditra ny fotsy hoditra. Amiko mantsy dia fombam-piainana ny FIFAMENOANA sy ny FIFAMPIANKINANA ary izay no namoronana antsika ho samy hafa, saingy io fahasamihafana io no noentin'ny sain-draolombelona HIFANAMBANIANA sy HANAOVANA ny HAFA ho toy ny tsy mba olona. Nisy fandraisana an-tendrony izany tao. Ka tsy mba ho voafandrik'izany raha izaho. Raha omena lanja kokoa ny filoham-pirenena iray dia tsy handeha hamono tena aho sanatria satria hoe tsy mba nampitoviana taminy nefa samy olombalona mitafy nofo sy rà izao ihany. Samy ilain'ny fahasalamana na ny misakafo na ny mivalan-drano fa tsy hiteny mihitsy ny tavin-drano (seau hygiénique) hoe mba alaharo @ vilia sy ny sotro ery ambony latabatra aho fa samy ilaina ao an-tokantrano izahay; na hilaza ny faladia hoe aleo izaho no mba ho eny ambony soroka fa ohatry ny manambany ahy daholo ianareo rantsam-batana rehetra. Na dia bitika aza ny fihevitry ny olona ahy dia ahy izany fa amiko dia misy antony ny nisiako teto ambonin'ny tany ka tsy hampitroatra ahy velively izay "considération"-n'ny olona. Tsy manambony tena koa anefa aho fa HAJAIKO izay toerana misy ahy dia ampy ahy izay.
26. endriny ( 24/02/2016 07:54)
HItako ny olona no mangeringery foana eny amin'ny sisiny eny... Kay izao ilay filaharana aminy ve?

eo amin'ny natiora dia izay avoaka tsy ampidirina intsony, raha tsy hoe bitro na alike angaha ka manao ilay hoe coprophagie izay..

SAingy izany ve midika fa ny miditra masina kokoa noho ny mivoaka?

ILay hoe masina mihintsy no tsy haintsika angamba. Ny atao hoe masina dia ireo zavatra manana ny tetrany manokana tsy mitovy amin'ny hafa rehetra; Ranomasina = Ranomasira
27. stahtam ( 24/02/2016 12:30)

Abstrait ilay izy e. Izay manana lanja ambony kokoa noho ny hafa mitovy (na tokony hitovy aminy) aminy ka omena toerana voatokana ao an-tsaina, no famaritana azo omena. Ka raha ny baiboly dia @ izay olona manorina ny finoany @ baiboly no manome lanja azy manokana mihoatra noho ny boky hafa satria io no "matériel" (hita maso) ahafahany manakatra ny antsipiriany @ finoany (tsy hita maso), tsy misy boky hafa manana izay lanja izay aminy ka tsy universel ilay fiheverana azy ho ambony izay. Tsy misy valaka @ ilay ohatra nomenao tany aloha ihanye: "...fa ny tanindrazana (ANAO) no masina (AMINAO) dia ilevenan'ny razana (ANAO), tsy hitovy mihintsy amin'ny tokotany izy..." [Izaho no nanao ny fonon-teny]; saingy @ sinoa mpanam-bola nividy (te-hanangana orinasa eo @ )taniNAO dia mitovy @ tokotany mihitsy izy satria tsy misy havany milevina ao na iray aza.
Izany hoe ilay valeur spirituel (miovaova araka izay zava-misy) izany no jerena fa tsy ilay matériel loatra.
28. endriny ( 01/03/2016 18:36)
Izaho ange mba manala azy e... Fa ny angano angano arirarira no hitako mitovy amin'ny baiboly... Sady misy tantara majika no fananarana...

Fa ilay mampitovy ny fivalanana amin'ny sakafo dia tena mampiady biby tsy mitovy...

fa na izany aza, dia ilay fijery mihintsy hoe tsy misy dikany ny tay ohatra ka tsy masina, dia lasa fahavoazana lehibe ho an'ny fiaraha-monina... raha mankety ambadiky ny mpivaro-kazo ety isotry ianao dia hoy ianao hoe tena fanary tokoa ny maloto ka azo ariana eny rehetra eny... Ohatran'ny tsy misy hasiny mihintsy ny toerana aleha...

Dia miely ny aretin-kibo sy ny pesta e... Dia samy mitabataba daholo fa tsy mandray andraikitra ny fanjakana... Ny sasany moa mamely ny hoe: efa taon-jato faha 21 mbola misy pesta ihany, fa sazin'Atra io

Kanefa ny olona ihany no voasazin'ny nataony...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.128