TRIMÉTHYLAMINURIE (TMAU

1. fahorihambe ( 17/11/2015 04:13)
manahoana daholo e!
lehilahy ny tenako manoratra ary 29 taona aho izao. Manambady aman-janaka iray koa. mba mangataka torohevitra aminareo fa tena mijaly ary tena sahiran-tsaina tokoa. ny olako dia izao: nanomboka teo amin'ny faha 25 taonako no nahatsikaritra aho fa mamoaka fofona hafahafa (izaho tsy mahare fa ny manodidina ahy izay hasehony amin'ny fihetsika). nianatra tamin'ny université prive aho tamin'izay ka hitako fa mialagalana sy mitsoaka ahy ireo namako. nanomboka tsy niakatra firy tany ampianarana aho fa kivy tanteraka. vita ihany anefa ny memoirako. efa niaraka tamin'ny vadiko aho tamin'zay fa mbola tsy vita inona izahay. niara nitady vahaolana momba io aretiko io izahay ary dia nanantona mpitsabo maro fa tsy nety sitrana ilay haretiko. tao anatin'izay fotoana fitsaboana izay anefa dia nitoe jaza ny vadiko ary dia tsy maintsy natao ny raharaha. tafiditra mpiasa mpanjakana aho ary tei vao nanomboka nitombo indray ilay fofona ary dia tena mijaly mafy mihintsy ai ampiasana miaritra ny fosafosa sy ny hesoheso ataon'ireo mpiara miasa amiko ka tena mila tsy ho zakako. izaho anefa dia anisan'ireo tena tia fahadiovana satria mandro intelo isanandro aho ary efa nataoko avokoa ireo karibaonetra sy ny alamo fa tsy misy fiovana. koa mba mangataka fampiana avy aminareo fa tena mila ho kivy sy hamohy fo mihintsy. mieritreritra matetika hoe hamono tena kanefa mahita ny vadi amjanako dia matahotra ny hoaviny. ny olana mipetraka amiko koa izao dia ny amin'ny zanako satria toa hoe manaranaka io aretina io. tena tsy fantatro io aretina io raha tsy vao haingana kely taty amin'ny internet no nahitako azy. misaotra mialoha amin'zay hamaly ahy.
novalian'i faed16 ny 30/06/2016 06:53
2. ashley.fabia14 ( 18/11/2015 06:20)
bnjr
fa faritr aiz@vatanao le mamoak anlay fofona kay raha ts mahadiso
3. booboo ( 19/11/2015 08:15)
Courage courage Fahorihambe klou. Ny dokotera ve no nanao ilay diagnostique sa ianao t@ zay hitanao t@ internet ? Raha ilay faharoa, dia ny tsara indrindra miverina mijery dokotera spé gastro-entéro na tsy haiko e. Mety tsy ho TMAU no mahazo anao anie, enga anie, fa mety hoe misy karazana sakafo tsy zakanao mihitsy...manatona klou ho'aho doko spé eny @ hopitaly na eny @ clinique tsy haiko dia courage foana foana an !
4. fahorihambe ( 19/11/2015 09:07)
misaotra betsaka anareo amin'ny torohevitra . ilay fofona mivoaka tsy fantatro hoe avy aiz mihintsy fa na izaho anie tsy maheno fa tsy tst haiko hoe efa zatra ilay izy v de tsy maheno azy. efa nandeha dokotera sy nanao analyse zavatra maro2 aho fa tsy misy maninona ny ao anatiko na koa aretina avy am firaisana fa normale daholo. fa mbola tsy fantatro hoe TMA io no mahazo ahy raha tsy nijery internet aho de handeha hantona mpitsabo indray aloha hilaza an'io.
5. faed16 ( 30/06/2016 06:53)
izaho tsy miteny hoe mahay rahalahy , fa mpitsaboa ara traduitionaly ny tenako ka sahiko miteny aminao hoe; raha tsy vojanahary io aretinao io dia sitra-tsika io we, io num raha mety aminao ; 0331486817
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2444