Raspberry pi

1. hery ( 07/11/2015 21:57)
Salama daholo.

Misy mampiasa Raspberry PI ve ato? Inona no tena ampiasanareo azy? Nividy iray aho mantsy nefa tena tsy hitako hoe atao inona (afatsy hampidirana linux izay efa ananako amin'ny ordinateur ihany).
Tsy tena azo entina mandehandeha sns...


novalian'i Tibao ny 04/12/2015 14:43
2. DotMG ( 09/11/2015 10:26)
Ohatrinona dia tonga eto Mada ve?
3. hery ( 09/11/2015 10:58)
Tsy hoentina any io kou.

Ny eritreretiko izao dia hoe atao serveur-na mixxer mba ho afaka mi-dj n'aiza n'aiza ...
4. DotMG ( 09/11/2015 11:11)
Mila ividianana aloha izahay dia mba hiketrika izay azo hampiasana azy, dia avy eo ianareo afaka manontany sopapa.
Fa ankoatry ny fampiasana azy amin'ny maha serveur, ireto ports GPIO ireto koa no mampiavaka azy amin'ny solosaina. Mahasolo Arduino izy amin'izay raha hanaovana robotique na domotique tsotsotra (na avo lenta). Ohatra hoe mivoaka amin'ny coche iray ao misy relais mankamin'ny vavahady dia afaka commandena amin'ny finday ny fivohan'ny vavahady.
Programmena aminazy ny alimentation an'ny tele dia baikoana (amin'ny finday) na asiana lerany hoe amin'izao ka hatramin'izao ihany no mety velona ny tele.

Izany hoe sortie iray, mamoaka signal 1 ou 0, dia ampandalovina relais, dia équivalent interrupteur izay...
5. DotMG ( 09/11/2015 11:15)
Ny nofinofiko amin'izy ity izao raha mba manana aho dia ataoko pilote box canalsat.
Ecoute de commandes sur wifi.
Streaming ny sortie Box Canal Sat ==> réseau local (dia afaka jereko @ finday, ordi, ... izay émission mandeha @ canalsat).
Misy port atao mamoaka signal infrarouge solona télécommande TV + CanalSat.

Izany hoe apetraka devant box canalsat sy tele nedala dia hanamboarana client mi-commande mandefa signal afaka manova ny chaine, etc ... Dia mety hoe any Analakely aho no mijery hoe iza avy ny émission ao dia mi-commande enregistrement izay émission mandeha.

Nofinofy be fa azo antoka ny faisabilité.
6. hery ( 09/11/2015 13:24)
Toa efa mora ihany izy amin'izao. 39 euros :-) fa raha vao miditra amin'izany projets isan-karazany izany dia mila an'ireo connecteurs bedabe ireo? Mila censors hafa sns? Dia tsy mikorontandrotana be ve eo akaikin'ny télé? :-D

7. DotMG ( 09/11/2015 14:04)
hery:

fa raha vao miditra amin'izany projets isan-karazany izany dia mila an'ireo connecteurs bedabe ireo? Mila censors hafa sns? Dia tsy mikorontandrotana be ve eo akaikin'ny télé? :-D


Raha ilay telecommande tsy tokony mikorontana koa, led infrarouge iray ihany no ilaina eo, izay tsy voatery ho eo ihany koa fa afaka atao any amin'ny takony (ambony plafond, tongo-databatra, ...)
8. 5laody ( 10/11/2015 11:55)
Salama,

Ny fanontaniana angamba hoe inona no tianao atao dia miketrika ianao avy eo satria mety tsy ho araka daholo.ireto misy Santionany.
Misy hoe mety mahavita odb ary fa tapaka ilay rohy.
9. Tibao ( 04/12/2015 14:43)
Efa roa taona izay no nahazoako an'io Raspberry Pi io. Maromaro ireo zavatra azo atao amin'io solosaina kely io:

  • Radio FM: ahafahana mihaino onjam-peo malagasy eran-trano amin'ny alalan'ny radio (mampiasa GPIO + tariby lavalava atao antenina)
  • Crawler: itadiavana teny vaovao amin'ny teny malagasy ampiasaina ao amin'ny gazety & eo amin'i Twitter;

Ny mahatsara azy koa dia izy tsy dia mandany herinaratra. 5W monja ny fihinanany rehefa alefa.
Manana Raspberry pi B+ sy Raspberry pi 2 aho. Tena varatra be ilay 2 anefa mitovy amin'ilay B+ ny vidiny...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1343