You are here: home > Forum

fisaraham-pambadiana sy fisitahana

Lohahevitra : Hoy ny lalàna
Fitohizan'ny hafatra : fisaraham-pambadiana sy fisitahana
Valiny : 2
Rabefou - 30/10/2015 10:21
iza no mahazo misitaka? inona no andraikitr'ilay nilaozana
Valio | Miverina eny ambony
mpilaza444 - 28/08/2017 14:25
Ny vady tsy tamana fa mahatsiaro ho mijaly na matiantoka be amin'ny fifandraisan'ny mpivady no mahazo misintaka. Ohatra hoe mahatsiaro ho andevozin'ny vadiny fotsiny ilay vehivavy.

Ilay nilaizana dia tokony hampody azy ao anatin'ny roa volana. Tsy miantoka ny fiainany any amin'izay tranon-dray aman-dreniny ilay rangahy.

Afaka miverina ho azy ilay vehivavy.
Valio | Miverina eny ambony
mpilaza444 - 19/09/2017 11:17

Ny vehivavy efa leo ny toetran'ny vadiny no misintaka kanefa tsy maintsy ampahafantariny ny vadiny izany.

Tsy maintsy any amin'ny olom-pantatra izy no mipetraka ary tsy maintsy entiny manaraka azy any ny zanany. Tsy miantoka ny lany any kosa ilay rangahy fa azy ny azy.

Ao anatin'ny roa volana no anaovany izany ary tsy maintsy mampody azy ilay vadiny. Azony atao koa anefa ny mody amin'ny nahimpony.
Valio | Miverina eny ambony