Ny Zanamalata... maninona ry zareo ireo no tsy antsoina hoe foko?
1. endriny
(
21/10/2015 04:37)
Foko iray ao afovoany atsinanan'ny Nosy ao ireto Zanamalata ireto. Kanefa dia tsy misy milaza azy ireto ho Foko mihintsy eto Madagasikara. Misy antony tsy ilazana azy ireo ho Foko ve?
novalian'i Calinbrandon ny 11/07/2017 07:31
2. vony501
(
21/10/2015 15:18)
endriny:
Foko iray ao afovoany atsinanan'ny Nosy ao ireto Zanamalata ireto. Kanefa dia tsy misy milaza azy ireto ho Foko mihintsy eto Madagasikara. Misy antony tsy ilazana azy ireo ho Foko ve?
Raha ny fahalalako azy, ny dikan'ny hoe "Zanamalata" dia "Metisse" na "Safiotra". Ireo zaza nateraky ny vazaha nanambady Malagasy. Izany hoe tsy foko mihitsy ny Zanamalata
3. endriny
(
22/10/2015 13:45)
vony501:
Raha ny fahalalako azy, ny dikan'ny hoe "Zanamalata" dia "Metisse" na "Safiotra". Ireo zaza nateraky ny vazaha nanambady Malagasy. Izany hoe tsy foko mihitsy ny Zanamalata
Ilay famaritana ilay hoe Foko mihintsy ny ahy no tsy mazava amiko. Ny Zanamalata dia taranak'ireo jilahin-tsambo tao Ste Marie sy Mananara ary ny manodidina. Ary nanana ireo mpanjaka nalaza ihany koa ry zareo izay afaka nambabo ny faritry ny Betsimisaraka maromaro.
Ny Antesaka sy Antemoro anefa ohatra dia olona iray ihany no niaviany kanefa atao hoe foko Antesaka sy Antemoro, Antambahoaka.. sns
DIa izay no mahalasa ny eritreritra hoe maninona no tsy Foko ny ny Zanamalata