cinéma an´ireo député tena mahavariana

1. tovorandria ( 30/09/2015 15:31)
d mahagaga tokoa ny zava-misy ankehitriny fa afaka manao izay danin´ny kibony mihitsy izany ireto député malagasy na d nahatratrarana omby 400 isa izao aza tao an-tranony (député Mara Niarisy) d mbola narovan´i jean max iany hoe tsy azo samborina, sady tsy atao enquête, nefa araka ny lalàna raha maneho hevitra izy no tsy azo samborina fa raha ahiahiana, na tratra ohatr´io hoe tao an-tranony io ilay omby dia azo atao enquête ary raha hita porofo fa mari-pototra ny heloka d azo akarina fitsarana izy kanefa d mampalahelo ilay toe-tsaina, tena efa vita ny aminao ry vahoaka malagasy.
2. rhaj0 ( 01/10/2015 18:39)
Aza kivy ry namana fa Antananarivo tsy vita indray andro eee.... Io izany ohatra ianao,ary tsy ianao irery, dia efa mahatakatra tsara hoe ahoana ny lalAna. Ary mahatakatra tsara koa ny karazana politisiana miteniteny foana. Mahabe fanantenana anie izany eeee...

Ny fahitako azy, dia io dia nanomboka t@ fanonganam-panjakana t@ 2009. Mety efa talohan'izany no toa izay, fa teo vao tena hitako nivoitra ny aretin-tsain'ireto politisiana. Rahefa i Ratsirahonana no "namboatra" lalAna ampa-ara-dalAna ny tsy ara-dalAna, dia ny fanonganam-panjakana.. dia inona fa dia samy miteniteny foana, dia mitono-tena ho mpanara-dalAna sy mahal lalAna daholo izao adala sy hendry rehetra izao.
3. tovorandria ( 05/10/2015 07:29)
rhaj0: tena azonao tsara ilay izy, izaho koa nahatsapa ireny fanitsakitsahana lalam-panorenana sy tsy fanarahan-dalàna maro nandritry ny tetezamita ireny. Izao samy miteniteny fôna sy miseho ho je suis daôly izao adala rehetra izao. Izao moa ny avendranan´ny mpanao pôlitika koa aiza isika no tsy ho gisitra.
4. nilex ( 05/10/2015 10:28)
izay nge antony hitadiavana seza eto e.Tsy hiasa ho an'ny firenena fa misy ketrika ambadika ao.Efa fantatry ny mpitondra nge fa na manao ratsy tahaka ny inona aza ianao dia vitan'ny vola foana io dia milamina.Tsy mampaninona andry zalahy nge ny manankarena na dia fomba maloto aza no nahazoana izany e.
5. tovorandria ( 06/10/2015 08:26)
ka izay mahazo fahefana kely zany samy matim-bola sy matin-karena daholo ko. Ny vahoaka amin´io vao misoka-bava d voasambotra tss atak´andro. Izany hoe miesona ôtr´izao iany zany no sahaza ny vahôka.Mody andefasana vao2 oe nisy vola zao bôritra tratra tany amin´i raanona d zay d vita tss tohiny tsony.Aiza ny enquête??? tss, vita madiodio amin´izao, nisy omby amanjatony isa tratra tao amin´i raanona, aiza ny tohiny??? Tsy azo asina tohiny satria hono ny député tsy fanao enquête.TENA MAHAVARIANA.Amin´ny fahatahoran´ny fanjakana ny sezany tsy hirodana d vita2 oazy daôly izao rehetra izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1568