Voavonjy ve ny silamo?

21. Strong3 ( 01/09/2015 09:05)
araka an'i rhaj0 izany dia hoe: noforonina samy isam-poko ny andriamaniny ireo foko

dia nilaza ireo hoe ahamorona andriamanitra isika ka ataontsika hoe izy no namorona antsika.

izany hoe raha atao mbango tokana dia hoe: mythe (angano) avokoa ny fitantarana, fa ny an'ireto voalaza anarana ireto no tena noraisina ho lasa tahaka ny tena izy.
ka ny gasy kely sy ny pays paovira rehetra dia nampanekena izany
fa ny andry girika izany dia nariany io mythe n'angano io :-) ka nalain'ny jiosy sy ny kristiana tahaka sy nampiariny tamin'ny fiainana...

fa mba te hanotany an'i rhaj0 za; ireo hery miafina na hoe pouvoir toa surnatoraly izany mba ahoana no fahitanao azy na fomba fandraisanao ny fisian'ireny?
22. rhaj0 ( 01/09/2015 10:46)
Iieeee... dia kOpy ianao eee... tsaroanao ilay in-1 mandeha hoe... Fa Toy Izao No Niantombohan'Izao Tontolo Izao : tany an-dahitra daholo raolona, fa nivezivezy tany an-tany, mandalo lavaka kely ao @ rahona ao. Fa in-1 mandeha nidongy ny hidina koa i Katavikely, fa rovitra ny lavaka, ary dia nigorodana latsaka tety an-tany daholo Raolona.

Ny @ "surnaturel" indray dia:

1- efa bebe ihany no efa voazava (jereo eto)... fa rehefa mbola "tsy takatra", dia tsy takatra izany, fa any aoriana misy hanazava foana io

2- dia efa bebe koa ny tonga dia azavain'ny siansa (jereo eto)... ka raha ohatra ka "tsy takatrao" izy teo, dia mety ho lazainao fa "surnaturel", fa rehefa io azavain'ny siansa io, dia mazava ny saina eeee...

Fa dia ialao moramora @ izay ity "mino" lava ity eeee.... Rahefa tsy takatra dia aza mivadika ho"mino" fa avelao hihantona aloha ny resaka dia mifohaza maraina eee...
23. Strong3 ( 03/09/2015 07:47)
ny hoe mino sy ny hoe miaina dia ambaratonga . ka raha hoy ianao hoe miala amin'ny mino dia efa tsy eo aho fa efa miaina indray izao.

fa ny fahendren'i rhaj0 izany dia hoe tsy mino maty raha tsy avy nandevina.
ka sao hanao ilay nandevimbelona ka tamin'ny fanitriana faty vaovao vao nahita ny nalevina teo aloha misarangotra eo ambaravaram-pasana te hivoaka , vao hanenina.
... ka i Strong3 mahalala ny herin'ny baiboly sy izay nampanoratra azy.
fa ny olona tsy niditra lalina no azo ongotana amin'ny resaka anjoanjo hoe box-kel manavy io.

« Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. » (Jaona 1:10)
« Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] » (Jaona 17:14)
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)

___ fa za mahita hoe i rhaj0 no tena mpino ato amin'ity resaka ity. hoy izy
rhaj0:
1- efa bebe ihany no efa voazava (jereo eto)... fa rehefa mbola "tsy takatra", dia tsy takatra izany, fa any aoriana misy hanazava foana io
24. rhaj0 ( 03/09/2015 11:07)

Strong3:
___ fa za mahita hoe i rhaj0 no tena mpino ato amin'ity resaka ity. hoy izy
rhaj0:
1- efa bebe ihany no efa voazava (jereo eto)... fa rehefa mbola "tsy takatra", dia tsy takatra izany, fa any aoriana misy hanazava foana io

Tsy azonao ilay izy... Efa im-10 ihany ho milaza fa eeeee... Hotry ny hoe ho'a hoe, taloha, rahefa manao baolina any Zambia i St-Michel ny Alahady, dia tsisy en direct izany t@ izany, koa na telephone azany tsisy miantso. Fa dia miandry ny Alatsinainy atoandro, rahefa ampazahoan'ny RFI, vao hoe, resy indray hono eeee...

Ka ny Alahady hariva nefany, dia avy ny "mpampino", fa hoe, araky ny bokin'i Misely, toko faha-666, dia ady sahala ny baolina, fa efa ny Masina no "maminany". Dia "mino" (manaiky-tsisy-porofo) daholo tokoany ry zokin'i Strong3. Fa ny "tsy-mpino" (toa ahy), dia manaiky hoe "tsy takatra" ny internet t@ ireny, ka dia tsy takatra izany, fa r@ Alatsinainy hisy hilaza ny marina eo foana.
25. Strong3 ( 04/09/2015 07:01)

ka inona moa no tsy hitovizany finoana amin'izany ataonao izany eh?

efa takatrao fa holazana rahampitso ny an'io.
dia ny Kristiana koa milaza fa ny afaka 1000 taona dia afaka lazaina an'io satria ny Atra ivavahany dia tany alohan'ny fotoana sy any aorian'ny fotoana . efa fanatany avokoa ny hidraga Omniscience/omniprésence
fa mety tsy hotakatrao izany fa dia ho lazainao fa minomino foana indray ny tenanay. fa mila misotro ilay toakan'i Noa sy Lota aloha i rhaj0 , de rehefa fanipanin'iny dia manomboka mahatakatra :-)
26. rhaj0 ( 04/09/2015 11:29)
Fa izaho "tsy nino" (tsy nisy porofo) fa hoe, tena naminany ilay namaky ny bokin'i Masina Misely, ary dia "voasoratrany" tao fa ady sahala ny baolina.

Ianao mievoka ao @ bokin'i Masina Misely, dia "mino" izao resak'i Misely rehetra izao.

Izaho izany "tsy nino" na inona na inona, fa nahantoko fotsiny ny conclusion.. dia lasa aho nifoha maraina ... (niandry an'i RFI)

Izany ve dia tsy mazava ry Strong3, fa nareo koa toa manao fanahy iniana... sa mbola mamely divay N&L ao indray?? :-)
27. Strong3 ( 04/09/2015 13:08)
dia miaina araka ny mahaolona mila mitafy sy misotro ary mihinana fotsiny ao izany ianao kou.

tsy manana ahiahy fa rehefa simba mekanik dia samy vita!

ka inoan izany no manahirana anao mitory teny eto hitsongolongoloka ity ataon'ny mpino sy ny kristiana ity?

mba azavao indray ary sao tonga eto tsy misy vodiny sy vodiny eto koa enao ity dia mivaninika amin'ny tsy ahoana ao
28. rhaj0 ( 04/09/2015 13:23)
rhaj0:

Strong3:
... i rhaj0 mivanikika toa hendry ao ambody pc ao.

Ka ilay "mivanitika" ny anay no solon'ny "mivavaka" eeee... Izany no revin'ny Razantsika, fa ny anareo moa efa narianareo ny an'ny Razantsika ka dia...

Rakitr'i Flacourt:
http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f114.image
Flacourt page 88: Ils se plaisent a railler et gausser, et à faire milles bouffoneries, aiment à entendre des contes et fables du temps passsé, et passent la nuit à les écouter et entendre

29. Strong3 ( 07/09/2015 09:52)
tsara vavaka kousa kou, hitako mbola manao revirevina tanora maharaka plan a 3 sns ... :-)

ka ahoana moa no inoanao ity Flacourt ity aloha?

toa mpitantara angano izany ranamana
30. 1Marina7 ( 07/09/2015 16:03)

Fiffi:

...fa maninn no we "raha tsy voavonjy ny silamo" ?

lé famonjena nga natokana an'Kristiana ihany ?

....je pense we raha voavonjy ny Kristiana , dé voanvonjy koh ny silamo tahaka ny sasany...satria je pense we Andriamanitra iray ihany no hivavahana....

(raha Andriamanitra iray ihany no hivavahana).....

Tsy mitovy Andriamanitra ny tena kristiana sy ny silamo. Ny Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no tena Andriamanitra.
MANASA ANTSIKA HITSIDIKA NY www.rtvyahoshuah.com

31. 1Marina7 ( 07/09/2015 16:40)

rhaj0:

Matio 24:14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany

Inty hoe raha mba misy afaka manazava kely fanin-2 indray fa hotry ny tsy takatro tsara.. Ny fazahoako an'io mantsy, dia efa "vavolombelona ny firenena rehetra" eran'izao tontolo izao, izany hoe, efa tratra ny tanjona, ka tsy azoko hoe, inona no mbola hikofokofoan'ireo mpitory...

TSISY milaza mihintsy ao anaty Baiboly hoe, "ataovy Kristiana ny firenena rehetra"... sa izaho no tsy maha-araka ??? TEna izaho no tsy maha-araka, fa raha tsy izany ve tsy nisy ireny "guerre de religion" sy "croisade" taloha ireny. Dia h@ izao dia mbola misy manao toa izay ihany, ny taona anefa 2015...

Marina io Matio 24:14 io, raha toa ka lay efa tena filazantsara tokoa no tena efa notorina hatramin'izay dia efa tratra tokoa ny tanjona. FA SAINGY MBOLA TSY ILAY TENA FILAZANTSARA no notorina, Satria izao: nitory ny olona, na izy mpitory na ireo torina dia samy mpanota, ary rehefa nandre ny teny reo olona dia mbola mpanota ihany, Amiko ny tena mpitory teny dia MARINA izy izay vao afaka mitory ny tena filazantsara, Vakio ny Jaona 15: 16, ny notendreny no nirahiny handeha sy hamoha, ny Romana 8: 30, izay notendreny no nohamarininy.
OLONA MARINA NO AFAKA MITORY NY TENA FILAZANTSARA
Ka aza gaga ary ianao raha mbola tsy tonga ny farany hatramin'izay satria mbola mpanota no nitory renao, ka izy jamba no hitarika jamba dia aiza no hiafarany.
MISY FILAZANTSARA MAHAMARINA, tonga izy amin'izao, tsidiho ny www.rtvyahoshuah.com
Fampianarana entin'i EPISKOPO Samüelson Edouard
32. Radavison ( 08/09/2015 07:37)
Manamafy ny voalazan'i gasy1zay sy Strong3 aho :
Ny lalana azo antoka 100% hahazoana ny famonjena dia ny finoana an'i Jesosy Kristy.
Ny ankoatr'izay dia Andriamanitra irery ihany no mahalala izay tokony hataony amin'ny maha-mpamindra fo azy sady masina dia masina koa anefa ka tsy mankasitrakatra ny ota faran'izay kely aza. Dia voakasik'izany ireo Kristianina ara-piangonana fotsiny, nefa tsy nandray an'i Jesosy Kristy eo amin'ny fiainany, ny boudiste, silamo, athés, sns...
Andriamanitra koa tsy manery an'izan'iza fa safidy malalaka no omeny. Izany tsy midika hoe hoe ekeny daholo izay ataonao rehetra...
Veloma sy mahereza daholo.
Radavison

rhaj0:

Jugali:
Samy noforonon'Andriamanitra daholo na mpino na ts mpino...

Fomba fijerinao irery io, na fomba fijerina(re)o Mpino..

Ho anay TSY-Mpino indray dia ... "Samy namorona ny Andriamanitrany daholo ny Mpino".

Ny Kristiana izany dia namoronany ZanaNY akoriny azany kou.
Ny Moslimo tsy nanaiky an'izany anefany kou.
Ny Amerindiana namoronany Grand Manitou.
Ny HIndu namoronany ny Vishnu.
Angaha tsy coucou daholo eee :-)
33. Strong3 ( 08/09/2015 13:09)
pub par tous :-) ... soa fa tsy teto ny maty alarobia fa lasa coco ny copo, amin'ny hafanampo dia miboredika
34. rhaj0 ( 08/09/2015 14:28)
Radavison:
Ny ankoatr'izay dia Andriamanitra irery ihany no mahalala izay tokony hataony amin'ny maha-mpamindra fo azy sady masina dia masina koa anefa ka tsy mankasitrakatra ny ota faran'izay kely aza. Dia voakasik'izany ireo Kristianina ara-piangonana fotsiny...

Izany ry "Kristianina ara-piangonana" rehetra eto aa... Aza hadino fa "mpamindra fo" hono IZY, fa dia... mahaiza fotsiny maka dern, fa dia hamindra-fo anao foana IZY eee... Aza mihaino an'i mpamendrofendro manao hoe "Izany tsy midika hoe hoe ekeny daholo izay ataonao rehetra", fa tena EKENY daholo izay (n)ataonao rehetra e... Satria izany no tena hoe "mpamindra fo"...
35. Strong3 ( 09/09/2015 08:15)
io fa miantso namana hoe ekena daholo.
sitrany i rhaj0 ka mba tsy may rehefa tena tonga tokoa ny tokoa (mba voaindra-fo zany)
36. rhaj0 ( 09/09/2015 10:42)
[size=6]sarcasme re io eeee...[/size]
37. endriny ( 10/09/2015 07:17)
I Angelica Zambrano izao no tena mahavaly ity hafatr'i Hery ity na koa i Soeur Fabiola

Fa maninona tokoa no antsoina hoe Rahavavy na Ranabavy Fabiola iny Ramatoa iny fa hoe Soeur e?
38. Radavison ( 14/09/2015 07:59)
...fa toa nesorinao ilay hoe MASINA IZY KA TSY MANKASITRAKA OTA na dia izay farany kely indrindra aza...?

rhaj0:

Radavison:
Ny ankoatr'izay dia Andriamanitra irery ihany no mahalala izay tokony hataony amin'ny maha-mpamindra fo azy sady masina dia masina koa anefa ka tsy mankasitrakatra ny ota faran'izay kely aza. Dia voakasik'izany ireo Kristianina ara-piangonana fotsiny...

Izany ry "Kristianina ara-piangonana" rehetra eto aa... Aza hadino fa "mpamindra fo" hono IZY, fa dia... mahaiza fotsiny maka dern, fa dia hamindra-fo anao foana IZY eee... Aza mihaino an'i mpamendrofendro manao hoe "Izany tsy midika hoe hoe ekeny daholo izay ataonao rehetra", fa tena EKENY daholo izay (n)ataonao rehetra e... Satria izany no tena hoe "mpamindra fo"...
39. rhaj0 ( 14/09/2015 11:06)
Eny azany e... ahitsiko..

Izany ry "Kristianina ara-piangonana" rehetra eto aa... Aza hadino fa "mpamindra fo" hono IZY, fa dia... mahaiza fotsiny maka dern, fa dia hamindra-fo anao foana IZY eee... Aza mihaino an'i mpamendrofendro manao hoe "Izany tsy midika hoe hoe ekeny daholo izay ataonao rehetra", na koa hoe "MASINA IZY KA TSY MANKASITRAKA OTA", fa tena EKENY daholo izay (n)ataonao rehetra e... Satria izany no tena hoe "mpamindra fo"...

(koa na ilay nahantona teo ankavia sa ankvanan'i Jesoa azany namindrany fo...)
40. Radavison ( 15/09/2015 13:07)
Arahabaina daholo indray e,

Koa raha io no ohatra raisin'i rhaj0
"koa na ilay nahantona teo ankavia sa ankvanan'i Jesoa azany namindrany fo..."

dia jereo tsara fa nangataka "lehireo", fa tsy i Jesoa akory no avy hatrany dia niteny hoe "vonjeko ianareo !".
Raha toa ka olona hafa ve no teo dia ho nangataka ry "lehirony"? ...
Nangataka "ry zalahy" satria efa reny tany ho any ny mombamomba an'i Jesoa (satria tany amin'ny tanana no nisehoan'ny tantara an... fa tsy hoe dimbaka avy any amin'ny tany lavitra be ireo no nentin'ny miaramila rômana teo, raha tsy izany efa novitan-dry zalahy tany fa tsy nandaniany andro hoentina mankatsy mankaroa...)
fa saingy teo am-piaraha-mifantsika teo vao tonga saina tanteraka ka nino hoe hay ity marina ilay Jesoa zanak'Andriamanitra...
Ka dia mbola amafisiko hatrany ny hoe ny finoana marina an'i Jesoa Kristy no lalana azo antoka 100%.
Izao tsy miteny hoe 0% ny sisa rehetra an!
Fa Andriamanitra irey ihany no afaka mijery tranga isan-tranga sady tompon'ny teniny farany amin'izany. Fa sarotra amintsika, sady tsy anjarantsika rahateo, ny hamariparitra hoe ny zvtr toy izao dia 1% ny antoka hahavoavonjy, ny sahala amin'izatsy kosa dia mba any ho any amin'ny 50%, sns...

Koa dia veloma sy mahereza daholo é,
Radavison

rhaj0:

Eny azany e... ahitsiko..

Izany ry "Kristianina ara-piangonana" rehetra eto aa... Aza hadino fa "mpamindra fo" hono IZY, fa dia... mahaiza fotsiny maka dern, fa dia hamindra-fo anao foana IZY eee... Aza mihaino an'i mpamendrofendro manao hoe "Izany tsy midika hoe hoe ekeny daholo izay ataonao rehetra", na koa hoe "MASINA IZY KA TSY MANKASITRAKA OTA", fa tena EKENY daholo izay (n)ataonao rehetra e... Satria izany no tena hoe "mpamindra fo"...

(koa na ilay nahantona teo ankavia sa ankvanan'i Jesoa azany namindrany fo...)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4563