Be loatra ny halabato tamin'ity fifidianana ity
1. hery
(
31/07/2015 15:11)
Tamin'ity fifidianana komonaly ity vao tena betsaka ny fikafika tratra amin'ny fangalaram-bato. Misy mpifidy an-jatony maro foronina, misy tsy omena kara-pifidianana sy tsy anaty lisitra, misy biletà efa voamarika, dia misy koa ny biletà manjavona... ankoatra ny zavatra mbola hitranga amin'ny fitaterana ny pv aorian'ny fifidianana sns. Ny tanjona amin'ireny rehetra ireny dia ny handaniana ny kandidàm-panjakana.
Manomboka hita izao ny fomba natao tamin'ilay halabato be vava tamin'ny fotoanan'ny fifidianana filoham-pirenena. Fa tamin'ity ry zareo mora tratra satria voatery nanao halatra betsaka lavitra noho ny fanao hatramin'izay fa ambany lanja loatra ny kandidà apetrany. Hita taratra tamin'ny propagandy sy ny tsy fitiavan'ny olona azy izany. Dia avy eo koa ny mpiara-misaosy teo aloha (MAPAR) izay efa mahay ny fikafika rehetra no manjary mpifaninana dia tonga dia sarona raha vao manao ilay fomba niraisana.
Ny CENIT koa moa etsy manao ny hadalàny satria mbola olon'i mme B.A. daholo no ao nefa izy ity efa lasa minisitra.
Tsy dia azo andrandraina firy izany ny vokatr'ity fifidianana ity fa dia mbola ho halabato be vata indray.

novalian'i rabaradaka ny 28/08/2015 08:46
2. tovorandria
(
31/07/2015 16:30)
hery:indrisy...lazaina fa ny vahoaka malagasy fôna no tsy mahay mifidy nefa ny fika2n´ny sasany(izay pitondra rehetra eo) no nanimba sy nanitsakitsaka ny safidiny.
Izaho tsy hanome tsiny ny vahoaka malagasy na oviana2 hoe:´´ianareo no tsy nahay nifidy´´(satria tsy nofidiny fa noterena ho lany fotsiny izay lany rehetra teo) fa kosa mangoraka sy malahelo fôna aho hoe´´rahoviana ihany vao hampanjakaina ny safidin´ny vahoaka malagasy?

3. rhaj0
(
03/08/2015 12:13)
Ka rizalahy iany nampitombo ny traikefany mangala-bato..
Ny mpandinika kosa ve tsy mba afaka mampitombo ny traikefany hiady @ hala-bato ?

4. bazylou
(
03/08/2015 18:19)
ianao koa rahery aza mody mitatasika eo fa lazao fotsiny ny marina hoe lany ny reninareo a.
beuurkk
5. rabaradaka
(
28/08/2015 08:46)
Dadatoa Hery a, ilay fikafika eo ihany fa ny tena loza dia : nisy communes rurales maro dia maro tokoa noforonina hamenoana vato. Tena nisy io tany Atsimo Atsinanana, faritra DIANA sy SAVA sy ny maro ! Raha zohina ka apetraka amin'ny tokony ho izy iny fifidianana iny dia izao : 25% an'ireo lazaina hoe Ben'ny Tanàna HVM voafidy ihany no tena voafidy sy manana ny tena isam-bato ara-dalàna.
Manahy aho fa raha izany no hitohy dia vao mainka hidi-kizo ny firenena