AMPIO AHO

1. mpisotrtoaka ( 02/07/2015 13:20)
Inona no tokony ataoko raha mitoetra amin’ny tranon’ny ray aman-drenin’ny vadiko aho (tsy iray trano fa ny azy any Ambohimanarina moa ny anay roa any Itaosy). Izy mahita ny fianakaviany foana fa izaho tsy mba mahita ny ahy. Indray andro mamo aho ka dia ny rainy sy ny fianakaviany mihitsy no niteny fa tokony misaraka izahay na izaho miala tao amin’io trano io ka tsy miara-mitoetra amin’izy ireo intsony. Inona no tokony ataoko fa efa najanoko ny toaka ?
novalian'i TenWors ny 24/09/2015 10:40
2. norolalao2006 ( 02/07/2015 15:25)
amiko aloha dia jereo sy fantaro hoe inona no nahatonga ireo havam-badinao niteny anao izany, misy antony tao, raha ny toaka zay nisotronao, dia mangataha fihaonana amin-dry zareo dia lazao azy fa ny tarehy ratsy no tsy azo hovana fa ny toetra ratsy azo ovàna ary efa niezaka nijanona ianao, ataovy hitany anefa zany fiovanao, izany, manaraka izany ny vadinao koa vé pour izany decision ny havany izany? inona ny antony?sao namono azy ianao? na nanao vava tafahoatra loatra taminy? mifanazavà amin'ny vadinao, raha ny fahazahoako ny resakao koa dia misy alahelo eo aminao amin'ny havana, inona no mahatonga ny havanao tsy ho hitanao? kia raha izany no mampisotro toaka anao,mamono eritreritra amin'izany dia tsotra hiany ny teniko aminao ny toaka na ny fahamamona tsy mahavaha olana, fa ny mifanakalo hevitra hiany no tsara.
araho raha hitanao fa mety mahasoa anao, mivavaka ho anao
3. 5laody ( 02/07/2015 16:29)

mpisotrtoaka:

Inona no tokony ataoko raha mitoetra amin’ny tranon’ny ray aman-drenin’ny vadiko aho (tsy iray trano fa ny azy any Ambohimanarina moa ny anay roa any Itaosy). Izy mahita ny fianakaviany foana fa izaho tsy mba mahita ny ahy. Indray andro mamo aho ka dia ny rainy sy ny fianakaviany mihitsy no niteny fa tokony misaraka izahay na izaho miala tao amin’io trano io ka tsy miara-mitoetra amin’izy ireo intsony. Inona no tokony ataoko fa efa najanoko ny toaka ?


Mandraisa 133 dia avy eo 105 na 132. Tokony mba ampirevenao ny rafozanao fa io tsy mizara io anie no tena hahatonga an'ilay izy ho tafahoatra e. Mba zarazarao koa ilay fitsidihana fianakaviana , ny fianakavianao ve mipetraka lavitra no mahalana ny famangianareo mivady azy? fanontaniana farany: firy ny ankizy? korazy.
4. mpisotrtoaka ( 07/07/2015 11:10)
Msaotra an'i Norolalao ! Ilay hoe misotro tsy mpisotro loatra fa rehefa misy fety ohatra ! Izany hoe mety indray mandeha isam-bolana ! Ny mamono TSIA, ny nampirafy TSIA, sns fa ny olana hitako d ts miray loha amiko ny vadiko ! Izy rahateo tsy miasa ka rehefa tsy mahazo vola aty satria tsy MISY aty dia maka any amin'ny havany ary dia mahazo ! Tsy hitako intsony izay atao fa ny miala tsy monina ao intsony angamba no mety ! Pseudo fotsiny ilay anarana satria ry zareo no nametaka an'io dia noraisiko sitrany ahasoa ahy ! Misaotra !
5. TenWors ( 24/09/2015 10:40)
mpisotrotoaka >>> raha azonay tsara zany dia tsy ilay toaka loatra no olana fa iny :c'est la goutte d'eau qui a fait dEbordE la vase! Ny olan'ny fanambadiana dia satria tsy nahay nifidy izay vady nomanin'Andriamanitra ho azy ny lehilahy ary matahotra ny tsy hahazo vady na bevohoka aloha loatra ny vehivavy ka manaiky hivady tsy mihaino ny Instinct maternel ao aminy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4612