Andeha hiresaka sy hitafa amin'ny fikambanan'ny mpivady samilahy sy samivavy any Amerika atsimo ny Papa

21. gasy1zay ( 19/06/2015 17:37)

rhaj0:

Hozy i JC izany hoe.. 32 ... hiantso ... ny mpanota mba hibebaka
ary dia hozy i JC tamin-dreo hoe mandehana, ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony ... Mibebaha (Changez de comportement) hianareo...

Dia hozy Gasy1zay, hoe ny nataon'i JC dia "...ny hanala ireo mpanota ireo @ fahotanyy".


Ny fandraisako ny resak'i Gasy1zay, hoe "hanala ireo mpanota @ fahotany"... Verbe d'action ilay "hanala" ary ny sujet dia i JC.

Izaho TSY mahita @ iretsy rakitra etsy ambony hoe, tsy i JC no manao ny action, ka hoe "hanala ny ota amin-dretsy", fa "miteny" fotsiny izy, na mampitandrina, dia ny "mpanota" no hanao ny ataony any.

RAha ilay tournure hoe, "ny hialan'ireo mpanota @ fahotany (izy tenany no manao ny action)", dia mety ekeko ihany.


SAMY HAFA ireo, satria ireo Rakrisy mpitori-teny (mihevitra toa i Gasy1zay io), dia mitono-tena ho toa an'i JC koa, ary dia avy Rakrisy mi-harasser ny olona, fa izy koa hono mba "hanala ireto olona @ fahotany".



Raha ny tena izy dia tsy mitono-tena ho toa an'i JC ry rhaj0 fa manaraka ny baikony araka ny voalazany teto :
"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa"

Tsy ny kristianina no afaka hanafaka anao @ fahotanao na ny fahazarandratsinao na "adiction" nao fa i Jesoa Kristy, izahay ny anjaranay dia mampitodika ny olona mpanota hanantona azy fa ny fanovana olona dia izy ihany no mahay izany :
"Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo"

Fa io moa tsy noforcena ny olona handray izany fa navela hisafidy isika hatrany ampiandohana : hino sa tsy hino, hiala @ fahotana sa tsia. Fa raha tsy mitoriteny moa ny pasitera-mopera-misionera, ahoana ny hahazoan'ny olona hanana safidy?
22. rhaj0 ( 19/06/2015 20:40)
gasy1zay:
...ny asa ataoko no hataony koa...

OK... azoko tsara izany ny di-dohan'ireo Kristiana (sasany) mi-harasser olona, satria kay izany, raisiny ho Didy mihintsy ny fanaovana izany.

Dia tena manaraka io revy io koa anefa izany ny TJ. Nefa ny TJ, raha tsy diso aho, dia TSY mandray an'i Kristy ho A.tra, ka hoe manaraka izay lazain'i Kristy rehetra.

ok, fa dia ataovy ao izany eee... plus nareo manao harassement, plus hain'ny olona ny tokony ataony..
23. gasysud ( 20/06/2015 08:33)


gasysud - 18/06/2015 10:34

Ny mampiavaka ny kristianina sy Krisy dia:

Kristianina: vonoy sy omeo sazy ary alefaso any amin'ny afobe. Tsy manao ny fanaon'izao tontolo izao...
Kristy: famelàna (toy ilay vehivavy nijanganjanga, ilay jiolahy teo amin'ny hazo fijaliana...) sy miaraka misotro divay sy misakafo amin'ny jentilisa...


Dia gaga aho fa lasa resabe io teny nataoko io. Ny antony nitenenako azy io dia tsotra be. Ilay ranamana kristianina mafana fo "anicetmartial" tonga dia nandrangaranga teny mahery vaika (famonoana). ary tena nametraka ny maha kristianina azy izy.

Mba natsidiko kosa ny resaka manao hoe: i kristy anie ka olon'ny fitiavana e, olon'ny famindram-po, miaraka amin'izao tontolo izao e.

Ny adi-hevitra tokony hipetraka dia ny hoe: " rehefa misy hevitra tsy iraisana, hatraiza ny fandeferanareo kristianina amin'ny hevitry ny hafa? Rehefa tsy mitovy ve ny fisainana sy ny eritreritra dia tsy maintsy ho vonoina ve? Iza io ho vonoinao io? olombelona pelaka ary Andriamanitra no nahary azy io, toy ny nahàriany anao sy izaho. Mila fandeferana sy fitiavana re tompoko o.

Izaho tsy gay, tsy olana amiko ny fisian'ny gay rehefa tsy mamono olona izireo, tsy mangalatra... fifankatiavan'ny samy mitovy sexe no ataony ka inona ny olana sy hankarary ny foko amin'izany?
24. anicetmartial ( 20/06/2015 09:35)
tsy rarahiko ianareo na dia gay aza. Fa ny papa aoka hofantatrao fa ts fitiavana zany reo fa mpîhatsaravelatsihy.
25. gasysud ( 20/06/2015 12:01)

anicetmartial - 20/06/2015 09:35
tsy rarahiko ianareo na dia gay aza. Fa ny papa aoka hofantatrao fa ts fitiavana zany reo fa mpîhatsaravelatsihy.


Amin'ny anaran'i Kristy, Misaotra betsaka.
26. anicetmartial ( 20/06/2015 12:38)
Zan ihan no napiala ny papa teo alu. Nofitahan'ny devoly nefa ataony ho anjely fa mahazo mivady ny même sex. Hadalana!
27. anicetmartial ( 20/06/2015 12:52)
satria efa ràny Papa io dia ts metimet ko lay Papa vao2. Nef ao ambadikinio ny fiangona katolika no atao Contrat @devol
28. endriny ( 21/06/2015 06:47)

anicetmartial:

satria efa ràny Papa io dia ts metimet ko lay Papa vao2. Nef ao ambadikinio ny fiangona katolika no atao Contrat @devol


Hono ho'a fa angaha ny fiangonanao tsy zana-piangonana avy amin'ny katolika ihany koa... Ka raha ny renim-piangonana aza manao contrat @ devoly dia ny anao ahoana?
29. anicetmartial ( 21/06/2015 09:50)
Adala zay toa AndRainy! Sad zahay rahateo zanaky Jehovah fa tsy zanak katolika.
30. rhaj0 ( 21/06/2015 11:51)
hi hi hi .. iiieeee... dia efa hitan'ny Ankizy ianao sy ny finoanao sy ny sakay kely rano fataonao io ee... dia "adala" tokoany izy raha mbola hanao "toa anao" :-)
31. Anicetmartial ( 21/06/2015 14:51)
Angaha zah toa any Papa mitady hevitra fôna hanekeny fiangonana ny mariage même sex. Ka tsy hatao ny ankiz ny ataoko :-)
32. rhaj0 ( 21/06/2015 14:57)
Anicetmartial:
zahay rahateo zanaky Jehovah ...
hi hi hi.. dia "adala izany izay toa an-drainy" eeee... hoz'ianao :-)
33. Anicetmartial ( 21/06/2015 15:02)
Nitsidik ny gay hono ny papa e! Tsara fanah hono e! Nef fitadiavana hevitr fôna. Fengonana vendran ko no hanaik izan :-)
34. gasy1zay ( 22/06/2015 14:51)

rhaj0:

gasy1zay:
...ny asa ataoko no hataony koa...

OK... azoko tsara izany ny di-dohan'ireo Kristiana (sasany) mi-harasser olona, satria kay izany, raisiny ho Didy mihintsy ny fanaovana izany.

Dia tena manaraka io revy io koa anefa izany ny TJ. Nefa ny TJ, raha tsy diso aho, dia TSY mandray an'i Kristy ho A.tra, ka hoe manaraka izay lazain'i Kristy rehetra.

ok, fa dia ataovy ao izany eee... plus nareo manao harassement, plus hain'ny olona ny tokony ataony..


Fa voalaza ao @ baiboly hoe :
"ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino."
Ny anjaran'ny kristianina dia ny manambara ny sitrapon'Andriamanitra hoan'ny olona, fa ny safidiny ny hihaino na tsia, ny hino na tsia, ka io rehefa heverinao hoe harassment dia tsy maninona fa izay no ala nenina nataon'Andriamanitra mba tsy hilaza ianao rehefa tonga ny fotoana fitsarana hoe naninona tsy mba nandefasanao olona aho nananatra ahy fony fahaveloko.

35. rhaj0 ( 22/06/2015 16:31)
Tena mba giravy anie izany hoe, tsy mipi-maso mihintsy izany ry Gasy1zay mitono-tena fa, izy ao hono izany ka dia tena "nalefan'Atra hanananatra" ny mpanota eee... Tena mba ahoana @ samy mba olona azany izany Gasy1zay izany k'le... tena izany ve ny resakao sy A.tra (tsy an-kiteny) tao ? Fa ny "ota" anao Gasy1zay izany tena efa kalamina an.. ka dia "irahina" io ianao ao an..
36. anicetmartial ( 23/06/2015 16:10)
Adiniko le fiantsoana anireny be resaka tsy misy fotony sy heviny reny @ frantsay. Inona moa le izy teo. Tena izy mihintsy ianareo reo
37. endriny ( 24/06/2015 12:06)
belazao sy balaoasy no filazana an'izany amin'ny teny frantsay...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5858