te hampiditra krizy sy hanongam-panjakana indray ny sasany.

1. tovorandria ( 27/05/2015 13:00)
Raha mandinika ny zava- misy ankehitriny isika dia misy antoko politika iray ao amin´ny Assemblé nationale ao, dia izy ireo no mikendry ny hanongam- panjakana indray. Mino aho fa tsisy tsy mahafantatra ny tiako ho lazaina.
2. rhaj0 ( 27/05/2015 13:04)
potsiro eto ny voamasony f'aza matahora eee...
zahay tsy kOpy fa mba ampazahoy..
3. endriny ( 27/05/2015 14:00)
Tsy tongatonga ho azy tokoa angamba ny fanazarantena ataon'ny miaramila Frantsay sy Malagasy sy ny fanambarana nataon'ny Eveka ary ny fisidinan'i TGV matetika tany Paris tato ho ato

Toa kotrika efa vita paika... mody miteny ny Eveka manao fampandrenesana, dia arahina hetsika ara-miaramila, dia avy eo manao tolo-dalana

Toa zavatra efa nitranga tamin'ny taona 2008-2009 sy tamin'ny 2013-2014 rehefa hoe hody ingahy Ra-8.. dia nasiana ilay hetsika miaramila goavana tany Manerinerina niaraka tamin'ny frantsay, dia nisy ny fanambaran'ny Eveka fa mbola tsy milamina raha mody Ra-8, dia nesorina tao anaty lisitra tsy hofidiana Ratoa Lalao...

hihihihiihih
4. rhaj0 ( 27/05/2015 15:38)
Tena fanina tanteraka aho... satria mantsy ny TIM anie tao @ Antenimiera no nifidy ity "instabilitE" ity eee..

ka rahefa "instable" izany izao dia ahoana ? hanao coup d'etat indray i TGV (sy ny frantsay) ?
5. tovorandria ( 27/05/2015 15:49)
ry MAPAR iany ireo ry rhajo0 a
6. tovorandria ( 27/05/2015 15:54)
ny manao coup d´état ihany no spécialité an´i TGV, kanefa mino aho fa tsy hisy fanjakana ho voahongany intsony eo.
7. rhaj0 ( 27/05/2015 16:06)
Fa araka ny resaka io ambany @ politikam-borontsiloza io, dia mety I RAvelonarivo anie izany no efa tafiditra, ary dia ilehio no ekipan-drizalahy ao, ary dia izy indray iznay no role ee...

I Ravelonarivo toa hoe RAtsirakista nefany... na mouvance RAtsiraka taloha kely teo..

Sa moa t@ 2009 I RAtsiraka ihany no tena tao, fa nofitahan'i TGV (sy ny frantsay) izy ? dia izao vao tena hoe, Ratsiraka, na ny pion-ny, fa mbola ho tsofin'ny frantsay rano indray koa ???

(ny an'ny frantsay, ny fahitako azy, rahefa TSY Ra8, na hoe olona mba mijoro ho an'ny gasy, fa tsy misolelaka @ frantsay, dia efa mety aminy...)
8. tovorandria ( 28/05/2015 08:36)
ny mpanao politika no samy miady ho an´ny tombotsoany manokana dia ny vahoaka malagasy foana no mizaka ny vokany sy miaina ao anaty fahantrana, indrisy mantsy...eo ihany koa ny frantsay voalazan´i rhaj0 io ny hanimba ny malagasy foana no tanjony, ohatran´ny babakoto le panao politika malagasy vo tambazana volakely dia sahy mandripaka ny vahoaka 22 tapitrisa.

refa tonga nefa ny krizy de iza no mijinja ny vokany??? dia mbola ny vahoaka 22 tapitrisa iany.
9. jamesbond ( 28/05/2015 10:56)

tovorandria:

Raha mandinika ny zava- misy ankehitriny isika dia misy antoko politika iray ao amin´ny Assemblé nationale ao, dia izy ireo no mikendry ny hanongam- panjakana indray. Mino aho fa tsisy tsy mahafantatra ny tiako ho lazaina.


Revin'ny mapme ange ny an'ny mpanao politika gasy e, androany manohana, rahampitso manongana, rafakampitso misolelaka mapme be fa asakasak'ze mbola mandeha mifidy e amiko ny mpanao politika gasy tokony déstituéna daholo de tsy mahazo milatska daholo intsony
10. tovorandria ( 30/05/2015 12:50)
matoa zareo mody manohana d misy tombotsoany ao izay, ankoatr´izay manongana satria tsisy hinanany sy hanararaotany ao izay.
Dikany: olona matim- bola sy tia kely ary tia tena daholo ireo, voan´ny mosarin- karena daôly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1099