Misavoritaka ny tanàna, iza no henoina Ravalo sa i Hery ?

1. rabaradaka ( 14/05/2015 07:03)
Misavoritaka ny tanàna, iza no henoina Ravalo sa i Hery ? Raha ny toejavamisy aloha dia amin'izao fotoana anoratako izao no tena marefo indrindra ny herin'ny mpitondra satria sosotra tena sosotra ny HVM indrindra fa i Rivo Rakotovao, Paul Rabary, Henri Rabary-Njaka tamin'ny nanaovan'ny president Hery hoe ao fa homena fahafahana i Ravalo ! Sosotra tena soso(tay)tra mihitsy ry zareo ! Ambivitra ny fahefan'ny HVM raha ny andro anio
2. hery ( 14/05/2015 09:04)
Tsy mino aho hoe sosotra be ry zareo satria politika be ifanarahany ao ihany io. Aza adino fa mpanolontsain'i Hery daholo ireo... miasa mafy ao ambadiky ny ridao.

Sur aho fa ry zalahy ireo no tena mamporisika an'i Hery hoe raha te hahazo tohana avy amin'ny vondrona iraisam-pirenena fa raha i Hery sy ny hambom-pony dia tsy nifandray tamin-dRavalo akory. (Hita ihany izany rehefa sendra atao interview tampoka tsy voaomana izy).

Fa politikan'ny omeko tsy omeko anefa io... toa ny fanaon'ny tetezamita hatrizay. Mody afenina ao anaty tsy fahamatorana (mivadibadi-dela)... kanefa fanahiniana be mihitsy. Mody manaiky dia avy eo mamingana ambadika.

Koa aza sodokan'ny ivelany hoe mikorontana :-)
3. ravatorano ( 15/05/2015 07:35)
aza hadino fa ny hvm dia mbola marefo ary koa saika olona vao miana mandeha amin ny politika ny ankamaroany ary tsy mahagaga raha mila antoko politika efa matanjaka izy hahafahany miara miainga aloha fa ho ketraka tsy ho tafa eo raha misary gegy eo an hihihihihihi io koa izany efa polifika any ambony any io fa manao vazaha mody miady fotsiny sisa ety ananona ety dia izay ! aza taitra raha hilaza indray ny filoha Hery hoe aleo handeha any ny mbs radio sy tv hehehehehe
4. tovorandria ( 15/05/2015 09:01)
marina io voalazan´i hery io hoe´´ raha i hery sy ambom-pony dia tsy nifandray tamin-dra8 izy, fanampin´izany raha manaraka ny zava- misy isika dia jereo ireo ankabetsahan´ireo manohitra an´i hery ankehitriny, tsy azo hodian- tsy hita izany ary raha i hery sy ny heriny irery mety mbola osa raha contre an´ireo antoko sy mpanao politika matanjaka isan- karazany ireo, dia raha mbola ra8 ko no sakatsakanana eo dia hitohy mandrakizay ny fitokonana eny amin´ny magro ary mety tsy hijanona magro fotsiny ary izany fa hihitatra zavatr´hafa mintsy.

5. rabaradaka ( 16/05/2015 06:42)
O ry zoky Hery a, nahita ny ompa reny sy fifanjevoaa ange aho e, tena nanatrika sy nahita ny hasosoran-dry zalahy !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1846