Moslimo sy ny sarin'i Mohammed

1. rhaj0 ( 11/05/2015 16:21)
T@ ireny Ze souhihi Sariliha ireny dia samy niteny hoe Ze souhihi Sariliha.. Fa ity misy lahatsoratra manazava ny antony tsy itiavan'ny ny Moslimony fanaovana sary ny profeta..

http://www.cnn.com/2015/05/04/living/islam-prophet-images/index.html
"It's all rooted in the notion of idol worship," ... Prophet spoke against depictions of himself
(..) In some ways, Islam was a reaction against Christianity, which early Muslims believed had been led astray by conceiving of Christ not as a man but as a God. They did not want the same thing to happen to Mohammed. "The prophet himself was aware that if people saw his face portrayed by people, they would soon start worshiping him,"..

Ary ny ny sarin'i JC azany dia TSY tiany hoe atao... (fa iny moa na ny mivavaka @ JC azany manao ny sariny ka dia...)
2. rhaj0 ( 11/05/2015 16:56)
Raha mandika teny globaloba ny lazain'ilay lahatsoratra aho izany dia, araka ny fahazoako azy, dia hoe...
- nivaralila ny Kristianisma satria i JC dia noraisina ho A.tra fa tsy olona
- rahefa natao an-tsary i JC, dia lasa i JC no nivavahan'ny Kristiana fa TSY... A.tra

ka noho ireo 2 ireo, dia "nampianatra" zavatra hafa i Mohammed..
3. gasy1zay ( 11/05/2015 18:40)

rhaj0:

Zavatra 2 tsy mitovy mintsy anie no ampitovinao rhaj0 e! I JC hoan'ny kristianina dia zanak'Andriamanitra ka dia tena mitovy toerana @ Andriamanitra mintsy ary i Mahomet dia mpainany hoan'ny silamo fa tsy hoe zanak'i Allah mintsy.
4. rhaj0 ( 11/05/2015 21:22)
Tsy "izaho" no mampitovy fa ny mpandinika..

Fa azoko tsara ny tianao tenenina kah... Ary mifanindry @ io resaka ambony io.

Raha ny fahazoako anareo izany dia, ilay 3 no 1 dia mametraka an'i JC ho "Atra". Ho an'ny Moslimo anefa, dia "profeta" fotsiny ihany i JC fa TSY A.tra na zanak'A.tra. "izay" no nialan'i Mohammed, ary tsy itovizan'ny Kristianisma sy Moslim.

Dia ho an'ny Jiosy koa, dia "profeta" fotsiny ihany i JC. Ary ho an'ny finoana hafa, toa ny Hinduism, dia ... TSY fantany JC.
5. Strong3 ( 12/05/2015 09:56)
Hono hoa ry rhaj0 , ny zanaka mpanjaka izao raha lahitokana dia ho lasa inona?
_ tsy ho mpanjaka..?

ary raha zanak'Atra? tsy ho lasa Atra...?

hoy ny baiboly; izay ATERAKIN'NY FANAHY DIA FANAHY ... izay zanak'Atra dia Atra.
6. rhaj0 ( 12/05/2015 10:40)
i Mosesy no nitanandranandrana... raha mba fatsora izao izy, rahefa niverina avy any an-tendrombohitra, dia nampinoany koa ny mpanaraka azy hoe, nohosoraNY ho "zanak'A.tra" izaho Mosesy, fa tsy hoe, mampita hafatra voasoratra t@ ilay vato fotsiny, dia hotr'izay efa Mosesiana daholo na Jiosy na Silamo na Kristiana :-)
7. Strong3 ( 12/05/2015 10:45)
hihihi soa fa tsy mosesy i rhaj0 .
izay no maha lhl marina azy, tsy mandainga araka ny vato fisaka nomena azy

fa aza adino fa misy misoratena ho kristiana fa ny venti-keviny Mosesiana an... toa andry RBNIR sy ny sabatisata ireny rhetra ireny
8. rhaj0 ( 12/05/2015 10:52)
Asa fotsiny izao hozy i Abrahama ao am-pasany ao... ny Mohamadiana sy Kristiana sy jiosy miady ny lova napetrany... Ilay iraikalahy iray izay azany tonga dia nilaza-tena hoe "zanaNY", ary mitono-tena ho "tena IZY" mihintsiny akoriny aza...

Dia ho variana mihintsy i Abrahama, fa h@ TSY taranany, TSY teraky ny terany, azany miady ny lovany.. ry taranaky ny Malaisiana, voisin-dry Sinoa tatsy Azia, izay tsy ren'ny zana-tsofin'i Abrahama akoriny, ireny avy nama no mitomany ny lovany ...

Dia ao nareo izany eeee....
9. Strong3 ( 12/05/2015 10:58)
iza moa no milaza aminao rhaj0 fa ny kristiana dia miady lova amin'ireo ...?
10. rhaj0 ( 12/05/2015 11:36)
f'angaha tsy ny patriarisa no andovana ? Ary ny patriarisa anareo dia Abrahama ? (na dia TSY taranaky ny taran'i Abrahama aza ianao ho'a, fa taranaka Malaiziana, nefa dia miady lova ao koa moa ianao io)..

Sa efa nosoratan'i JC ho azy daholo, ary ho azy irery, ny lova avy t@ Abrahama ? Dia ny mandova @ JC sisa no adinareo Kristiana ?

tairo ao azany kouh...
11. Strong3 ( 12/05/2015 12:17)

Isaia 53:10 mba devoire hoan'i rhaj0 any antrano... misy lova vaovao hoan'i taranak'i Jesosy Kristy fa tsy hiady vitana amin'ny an'olona tao an'ny sasany aloha ny tena kristiana eh ...

dia hoe hisavoritaka amin'ny anjaran'ny tena israelita maraina ve??? __ tsy mahalala ny lalan'ny maha tarana voafidy tao amin'io israelita io avy ny sasany dia hoe izahay "HANDOVA LANITRA AMIN4NY ALALAN'NY LALAN'I MOSESY " HIHIHIHI

fa i rhaj0 aloha sady tsy atsy no tsy aro eh .... kkkkk
12. rhaj0 ( 12/05/2015 12:43)
[size=8]serieux fa namaky ny 53:10-nao aho, na t@ teny frantsay na angalisy fa tena tsy azoko.. tena raha atao fampitaha dia hotry ny hoe, resaky ny mamo na ilay mpidainabe efa lasam-borona tsy takatry ny saiko ireny intsony n'enao.. na hoe resaka sinoa e... tena tsisy azoko.. tsy hitako izay ifandraisany @ ady-lova eto...[/size]
13. Strong3 ( 13/05/2015 06:30)

hihihi ka aiza moa no azahoanao ilay resaka ... saina zatra google nga mahita izay zava-miafin'ny baiboly?

HISY TARANAKA HIPOITRA ara-panahy ao amin'i Jesosy Kristy, ary ireo dia homena LOVA vaovao io fa tsy hitambarana amin'ny taranak'i Abrahama mihitsy, fa ny taranak'i Abrahama aza mety hangataka ao rehefa diso anjara amin'ny tokony ho azy...
io Isaia 53:10 io dia mifandraika amin'ny Mat 17:5 izay ambaran'ny I KOr 15 ny porofom-pahamarinany... fa tsy lainga izay fitoizan'aina izay
14. rhaj0 ( 13/05/2015 14:20)
Strong3:
zava-miafin'ny baiboly

Fa maninona koa no "afenina" na hoe "zava-miafina" izy io e ? "mahamenatra" angaha ?
Sa tena fanahy iniana tsy zaraina sy atao tsy mora fantatr'olona ny resaka ?
Dia fa maninona ? @ izay ilay deba mitono-tena ho mahay azy no iankohofana ao ?
Sa @ izay mora kokoa ny "manilika" (any @ afobe) izay TSY mahatakatra ilay "zava-miafina" ?

Io koa izao no TSY mampitovy an'i Kristiana @ samy izay olon'ny taona 2000 ee... ny anareo "zava-miafina" sy "misitery izany zanako" ny fi(s)ainana ... Ny olona izao mitandro ny hoe communication mazava, mitady ny marina/rariny/hitsiny dia ampamoaka, transparency, sy mizara ets...

Fa dia reveo ao n'enareo dia manonofisa misiteritery (saina) ao ee...
15. Strong3 ( 15/05/2015 05:51)

raha mba namaky ny lahatsoratr'i Paoly ianao dia tsy ho diso fitsara ny mahakasika ny atao hoe zava-miafina... I Kor 2 __ dia milaza fa ao no ahatakarana ny ZAVA-MIAFIN'NY FIFANDRAISANA AMIN'ATRA

Izahay mitory, izahay mizara, izahay manely ny filazantsara ... ka inona no ilazanao fa tsy misy communication mazava?
Amiko, toa ny olona rehetra ihany izaho fa niezaka nitady ny fototr'io finoana io... inona no marina ao aminy , ny mampitombina azy, ...
Paoly:
« mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany. » (Efesiana 3:18)
« ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. » (Efesiana 3:19)
« Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, » (Efesiana 3:20)

Ka inona moa no hadisoako raha nitrandraka aho, ka nahalala ny zava-miafina?
Finoana io, ka zoako ny manakatra na tsia izay tiako... zon'ny hafa koa ny nampahafantatra ahy ny marina, ary dia zoako koa ny manely ny fantatro
Fa asakasakao hiroboka lalina sy tsia re ry rhaj0 ah...
raha hanao tsobo-dranon-dramiangaly ianao dia tsy ahita izay marina fa hotonga mpanenjika ohatran'ny sasany izay mpanaradrenirano koa.
16. endriny ( 15/05/2015 08:21)
Marina ny an'i Silamo: Jesosy tsy niteny hoe manangana fingonana vaovao amin'ny anarako... Ny vavaka nampianariny aza tsy misy Jesosy Kristy , fa Rainay izany any an-danitra... Fa rehefa voasesik'ilay boky artifisialy dia lasa domelina ny saina dia tsy mahita an'io teny io mibaribary ao amin'ilay boky intsony...

Na ny fanaovana sorona olona aza lasa tsara ny mahatehotia aoka izany...

Na ny fametsena ny fananan'olona amin'ny fahafolon-karena aza lasa voninahitra...
17. Strong3 ( 15/05/2015 08:42)
hihan hihan hihan ... hoa izany

na mbola tsy tonga aza i Jesosy Kristy dia efa fantatra ara-paminaniana fa tsy hisy fiangonana atsangana avy aminy...
izay ilay lazaiko foana hoe kristiana mpanaradrenirano ny lalan'ny hafa dia ny rhetra no ataonareo kaofiraoka ao...
Tezitra sy mivonto orona moa i rhaj0 rehefa milaza io mpanaradrenirano io za hihihi nefa izany no izy

izy io tsikafonin'i endriny io... hoy ny filazany " ... LASA DOMELINA NY SAINA ..."

fa ny hoe: "mba ho iray ihany izy rehetra" dia mba asio rehesaka hoe ry ENDRINY,
ahoana no fanakaranao izany?
18. andrianasolosudickhassan ( 30/09/2015 12:08)
Ny kristianina dia azo atao hoe manomposampy ihany satria izy ireo dia matetika mangataka @alalan'ny hazo fijaliana misy ny sarin'JC.nefa i JC dia tsy natao hivavana fa natao ho mpitondra hafatra mankany @ Atr,jereo ange ny vavaka nampianariny e,tsy voateny ao ny anaran'i JC,fa ny anaran'Atr fôna no vaotonona ao.ary JC tsy niteny mintsy hoe mivavaha ianareo @anarako,fa hoy izy oe mangakataha sy mivavaha ianareo @raiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0909