rafozana mianga-janaka

1. biobio ( 05/05/2015 07:49)
Miarahaba antsika!
resaka rafozana sy vinato ity !
ny rafozako dia ra resumé aloha dia ilay mianga janaka, ary zafikely ihany koa !!! torohevitra no mba angatahako ra nareo no @place ako
5taona niarahana izahay nivady nandritra ny 2taona tsy nifankahazo izaho sy ny rafozako , fa nanao carte sur table dia nilamina taty aoriana !!
ny masosotra ahy fotsiny taloha ka hatrimin'izao dia ilay mianga janaka . ny zanany faralahy dia tena A/tra kely na ny vadiny koa ary (vinantony vavy )
ny vadiko sy ny tenako dia tena tsinotsinona fa rehefa mahita anay dia kivy kivy fa rehefa mahita any hafa dia tena otrany reny any an danitra ireny!

izao izahay niteraka 1taona ny zanakay , rehefa mihona izahay dia tsy mba manontany vao² momban'ilay zaza mintsy izy fa dia ilay zanak'ilay zanany faralahy fona . Ny farany dia nolazaiko ny vadiko hoe za tsy itondra ny zanako hamangy ny rafozana tsn oa fa otrany tsy mi existe akory izy !!!
malaelo ihany ny fo sady manontany tena oe ray aman dreny toy ahoan no sahy manao an’izany !!
izao efa ho 2 mois izy tsy nahita ny zanako , za tena ts mazoto mints itondra ny zanako ijery azy ! mandalo mamangy any @ny za (par obligation / 1fois par semaine ) mba mitatara ny evolution an – janako fa tonga de tapahan ny teniko dial é zafikeliny iray no tatarainy ana ela b eo , lé momban’ilay zanako tsy nasiny sira tsny !!tena kirizy mnts a !!! zao a zao efa ho 2 semaine ts namangy azy fa tena tofoka za !

inona no hevitrareo momba izany ,inona ny fitondran tena tokony mety @zany

Misaotra o :-)

novalian'i jock ny 11/03/2016 15:54
2. booboo ( 05/05/2015 13:07)
Ataovy isaka ny fety na ferie ny famangiana e. Dia manao sourire diplomatique sy fihetsika diplomaty koa mandritra ny fiarahana, rehefa hatory ianao afaka miteny hoe na gli zao alina zao au moins nisaraka tsisy roiroy. Ataovy matsiro ny kaly, ataovy milay ny deco.

Tandremo fotsiny ny teny s'y ny fihetsika ataonao rehefa miresaka momba ny rafozanao ianao ka eo ny zanakao, 1 an izany tena mbola éponge a émotion gravy. Ianao mety tsy tia ny rafozanao fa ny vadinao mety tsapany ho tia ireo dadabe s'y bebeny, mety koa hoe tia ny zafikeliny irei fa @ fomba hafa...

3. biobio ( 06/05/2015 07:09)
misaotra am toro hevitra !!!!lé sourire diplotiq ko mora tenenina fa refa manafitohan kosa n zvtr tenenina tena otran sarotra lé mody mitsiky vendrana a !! :D

lé oe mamangy rehefa fety na ferié, efa izay no nataonay teo aloha teo fa manao ny toetra ratsiny fona izy , lé tsy mirarà sy tia tena oe ze tiko ihany io , lé zafikeliny (zanako ) zara ra trotrona nefa zara ra hita fa rehefa ny zafikeliny lé zanany hafa d mendimendy otran reny in reny !!! d lasa na fety na jour ferié d ts d makany tsn zay !!
! itako oe ts mety lé izy satria am maha ray aman dreny azy dia mila manao adidy , fa ra am maha olombelona, otrany mba vodona ihany lé hambom-po d aleo mipetraka rehefa tsy tian'olona é !!!
4. booboo ( 11/05/2015 12:10)
Andramo ndray ny famangiana virtoaly e, sms sy email. Mety tsy harary fo sy hampiady saina anao kokoa ireo. Tsy dia azoko loatra ny tena mankarary ny fonao ny tena marina, tsy voatery hitia anareo izy, nareo koa tsy voatery hitia azy ireo. Homena ny haja @ maha ray aman-dreny nahitana masoandro, nanome sakafo, nampitafy, nampianatra sns zareo dia vita. Rehefa mahay manaiky ny zava-misy oanao hoe tsy afaka hanome mari-pitiavana araka ny tadiavinao zareo, tsy hitsiky vendrana intsony fa hitsiky tsotra fotsiny.
5. biobio ( 12/05/2015 05:20)
misaotra anao !!ef nandramako ilay virtuel , itako mety !!fa ny tena mapalaelo ana dia ilay oe eo imaso imaso eo , samy eo ny zanany dia manontany momban zanakzareo lé rafozana , fa ny zanako ihany no otran tsy mi existe @!!! zay lé mapalaelo oe misy olona dia tena ratsy saina tsotra izao
6. booboo ( 12/05/2015 07:18)
Afaka misafidy ny hiaina anaty alahelo lava eo ianao na manaiky hoe toy zay zareo zany dia mi-passer a autre chose @ zay. Sady taoko tsy vao izao no fantatrao ny toetran-dreo donky...marary fo @ zany eo ara-bakiteny eo ianao ny farany.
Courage courage.
7. biobio ( 12/05/2015 08:00)
merci booboo , ataoko ngamb fa zay no fahendrena é !!!satria ts afaka n i forcer olona ho tia enao fa rehefa zay no ao atsaina d n m'accepté anlé izy sisa no solution zan !!!
8. pizza ( 12/05/2015 08:55)
bonjour!
za ko de oh nao io mhts vadiny lahimato za de zao moa ny zanakay efa telo fa oh ny nahazo anao io no nahazo tamiko ny vadiny faralahy tena hajaina be mhts.De taloha za tena narary fo be mhts fa nony niteraka ny zanako faharoa za tena tsy niraraha intsony satria tena nataoko zay ampifaly ana @ reo zanako reo.de ny ahy rhf toga ny fety taom-baovao sns de miarahaba any @ zareo za fa avy za lasa fa ny zanako no anotaniko ra ijanona na tsia satria moa zafikelin'io na tsy tiany ary fa de mankahery anao de araho vavaka atrany (ary ahoana oy ny vadinao @ zan toetrany mamany zan? ny ahy aloa vo miteny ny toetra ny mamanao anao de efa miady)
9. biobio ( 12/05/2015 09:05)
pizza> misaotra anao !! ny vadiko ref tenenina toetrany reniny dia mahita exuz fona ho azy !!! nisy fotona ary tena hita mibaribary b mnts lé tsy firarahina ahy sy ilay zanako , teo vo tnga saina fa tsy namaly ahy tsn fa nangina ftsn !!!
tsy mifanerasera be tsn ahy izaho fa marary fo eo fotsiny marina !!

ny olana fotsiny zao d afaka herinandro feno 1 taona ny zanako dia atao batisa koa , d ra ny tokon izy d miantso anzareo hoe iraka isakafo ohatra fa tena tsy mazoto a , fa d gateau ftsn no zaraiko any am pengonana fa ifampiatsaravelatsia eo imason'ny RAD eo ftsn izy ra atsony any atrano !!
sa ve ahoan ?
10. pizza ( 20/05/2015 08:00)
Gateau akia atao satria raha anao sakafo dry ka ifampihatsaravelatsihy eo de azo fahasorenana nefa fahasoavana no raisina. De mivavaha atrany akia mba ifakantiavanareo telo mianaka sy izay mbl ho avy eo. De mirary soa atrany akia
11. tiris8786 ( 26/05/2015 15:34)
fombanjavatra ihany io ary tena misy matetika amin'ny ray amandreny gasy (na ray amandreninao na rafozanao). Ny anay moa dia tsy ny rafozana loatra fa ny ray amandrenibe zao. izay manambola no tiany kokoa sy mahatolotolotra azy. farany moa dia lasa ady satria ny hafa dia tsy mi-existe ary izay tenenin'ny hafa dia ekeny sy arahiny daholo. ny zafikely moa dia taloha mba nisy kely ihany fa taty aoriana dia adino tanteraka nohon'ny disadisa. matetika ilay hiangarana koa no manely tsaho sy manisy sira satria mandeha koa ny fialonana rehefa mba manomboka mivoatra ianao.
ankoatran'izay dia niainako koa ilay hoe samy iray tampo ihany fa tsy mitovy ny atolotry ny ray amandreny amin'ny zanaka.marihiko eto fa eo am-povoany aho ka ny zokiny sy ny farany no nahazo kokoa. olombelona ianao ve tsy haharary. saingy tsy nataoko nanakana ahy izany tsy hiatrehako ny ho aviko na misy na tsy misy. ankehitriny efa lefy izany satria izaho indray no tafarina indrindra amin'ny rehetra sy mahazaka tena ka dia "aide toi et le ciel t'aidera"
12. do68 ( 02/07/2015 12:08)
Aza gaga amin'izany r'ise a! Aza atao mankarary fo akory. Ataovy izay hahasalama sy hahatsara ny tokantranonao. Indray andro any mbola ho kakerin'ny amboakely tiany izy.
Ny sosokevitro : aza dia mifanerasera loatra. Raha maheno azy ho tsy salama, fetin'ny Reny, taona vaovao izay vao mamangy azy. Raha mifankahita matetika lasa manorisory. Aza kivy e!
13. Papouzykely ( 29/07/2015 10:07)
Izaho koa manana olana tahaka anao.
Ny vadiko lahy matoa, ary izy no tena tafita teo amin'ny mpiray tampo aminy, ary nanao trano ho an-dRafozako. Tsy mampaninona ahy izany ary hiderako ny vadiko sy hitiavako azy ny fitiavany ny ray aman-dreniny. Fa ny mampalahelo ahy dia natao daholo izay tsy nanambadian'ny vadiko ahy satria matahotra angamba hoe rehefa manambady ny vadiko dia very fihinana zareo.
Nony nanambady ny manaraka, izay tsy dia tafita loatra teo amin'ny fiainana, dia manamanan-katao ny ray amandrenin'ny olona novadiany. Io vehivavy io dia "lelafin'ny rafozako mihintsy satria mamelona ny zanany lahy, fa izaho anaovana toetra tsy zaka foana.
Niezaka aho tao anatiny 3 taona nihafy, makany foana izahay rehefa alahady. Misy fotoana midongy entina mandehandeha dia entina (marihina fa ny fiara ampiasainay mivady dia fiara nomen'ny Dadako ahy fahavelony talohan'ny nivadianay), atao daholo caprice, misy fotoana aza ampindramiko ny rafozan-dahiko ny fiara efa asiana lasantsy mialoha, fa dia tsotra loatra dia hitsakitsahana eh.
Nisy fotoana aza aho nitondra azy ireo nanao vakansy, tambatambazana na manao toetra mandreraka be amiko aza fa dia nihafy aho noho ny fitiavako ny vadiko.
Tamin'ity taona ity dia nanapaka hevitra fa tsy ho any intsony. Avelako ny vadiko ho any (izay atao tsinotsinona koa fa atao fakana vola fotsiny), ary hiderako azy mandrakariva ny fitiavany ny ray aman-dreniny sy ny iray Tampo aminy ary ny fitiavany ahy koa moa izay tsy ambanin-javatra.
Tohizako ny tantara raha misy liana
14. biobio ( 10/08/2015 06:48)
misaotra anareo rehetra namaly, izaho indray vo tafaverina eto!
mba té itatara ny tohiny fotsiny a hoe nisy fiovana ilay rafozako, nanaraka ny toro hevitrareo za dia 1fois na 2 fois max par semain ihany no makany amny. tsy aiko hoe tsapany ve hoe tsy té ifanerasera @lotra izaho sy ny zanako dia taty aoriana rehefa miona izahay dia tsy otran taloha intsony izy fa niova, niova kely fza ko lasa tsy mivaky loha fa marary fo @tsisy dikany eo fotsiny !
ny zaobavy indray no nanahaka ny toetra ny reniny ko gamb fa dia ny zanakiny hafa fona no tena tsara, no lalaovina , no karakaraina tsara fa ny zanakay tsinotsinona !!!mapalaelo ilay toe tsaina kanefa ny fandraisako ny zanany dia toy ny zanako mihintsy !! asa hoe fialonana ve sa maninona!
15. biobio ( 10/08/2015 06:54)
mitovy @ny anao mihintsy koa no nanjoa anay fa tena zao za lasa tsy mivaky loha fa tena leo za,tsy mampiena ny vola miditra ao am posiko ny tsy fitiavan'izareo ahy !na lé rafozako , na ny zoabaviko dia misolelaka an'ilay vadinlé zandrin zareo satria manambola ny ray aman drenin'ilay vehevavy !tsy hoe mialona zana hoe mitsiriritra fa @maha olombelona dia mba marary ihany ny fonao oe samy vinanto zao , samy olona avy any ivelany niditra tao @io fianakaviana io dia tsy mitovy ny andraisany anao satria ve oe tsy maha karakara anzareo toy ny ray aman dreniny sasany ny ray aman dreniko !!atrany @zanako dia hita taratra lé fiangarana !!! taty aorian, nanao trano iza sy ny vadiko fa lé zoabavy dia hita be fa be fialonana fa na niditra tao @lé trano oe mijery ftsn aryy tsy nataony fa teo ivelany ftsn izy no nijoro !!!




Papouzykely:

Izaho koa manana olana tahaka anao.
Ny vadiko lahy matoa, ary izy no tena tafita teo amin'ny mpiray tampo aminy, ary nanao trano ho an-dRafozako. Tsy mampaninona ahy izany ary hiderako ny vadiko sy hitiavako azy ny fitiavany ny ray aman-dreniny. Fa ny mampalahelo ahy dia natao daholo izay tsy nanambadian'ny vadiko ahy satria matahotra angamba hoe rehefa manambady ny vadiko dia very fihinana zareo.
Nony nanambady ny manaraka, izay tsy dia tafita loatra teo amin'ny fiainana, dia manamanan-katao ny ray amandrenin'ny olona novadiany. Io vehivavy io dia "lelafin'ny rafozako mihintsy satria mamelona ny zanany lahy, fa izaho anaovana toetra tsy zaka foana.
Niezaka aho tao anatiny 3 taona nihafy, makany foana izahay rehefa alahady. Misy fotoana midongy entina mandehandeha dia entina (marihina fa ny fiara ampiasainay mivady dia fiara nomen'ny Dadako ahy fahavelony talohan'ny nivadianay), atao daholo caprice, misy fotoana aza ampindramiko ny rafozan-dahiko ny fiara efa asiana lasantsy mialoha, fa dia tsotra loatra dia hitsakitsahana eh.
Nisy fotoana aza aho nitondra azy ireo nanao vakansy, tambatambazana na manao toetra mandreraka be amiko aza fa dia nihafy aho noho ny fitiavako ny vadiko.
Tamin'ity taona ity dia nanapaka hevitra fa tsy ho any intsony. Avelako ny vadiko ho any (izay atao tsinotsinona koa fa atao fakana vola fotsiny), ary hiderako azy mandrakariva ny fitiavany ny ray aman-dreniny sy ny iray Tampo aminy ary ny fitiavany ahy koa moa izay tsy ambanin-javatra.
Tohizako ny tantara raha misy liana

16. jock ( 11/08/2015 08:08)
Ny rafozana zany dia tena manahirana mintsy ny mitondra azy ireny e! atoninao izy manalavitra, alavirina anefa manakaiky. Tsy hita be iahany. Fa zao, aza dia ampihataina be loatra ny rafozana (tolotolarana kely na @ lafiny inona io na @ lafiny inona) fa raha @ andro tsy ahafahanao manao izay dia manondrana be ireny, ary tsy maintsy mahita fihetsika atao sy fiteny foana zareo.
Ny hany vahaolana, ataovy izay ahasoa ny tonkatranonao dia ataovy adidy fotsiny ny tonontaona, fête de père sy mère, aretina... Izany hoe ilay andro tokony ahatsiarovana RDA. Mazotoa daholo e
17. 7411 ( 06/03/2016 16:33)
Zah ko dia manan cas mtovtov amzany,saingy ny zobav ndray n tena manahirana satri miavonavona be, ef hatramzay vo nifapsipa no efa niavonavona be izy nefa tsnisy oe ady na inona,efa hatramzany a n nalaelo eny mandrakankehtrin,ef mvad zahay zao f na mfanena eny andalana ar d odiany ts hit a, na itan ar d iavnavonany, izy ku mu ef manambd d tia mi-inviter lava, oany ianao alaelo sy atezeran n entna mody vokatr ny ataon,ts oany to otrn ts maavit adidy..nef izy amnio d pitarika sampana tanora ao amfiangonanay a.d zany n toetr, lasa tstiko na n mait az ao apengonan aza,seriny ery am fanopoan nf any ambadk mis atao.malael a atram talo ka atramzao.saing ataok mbaana ao atsaik d oe: manana n maa izy ana za,manan asa,manan rahavav tia ahy. mankaery atsik reetr,d ankino am TOMPO zany f t6 ts hainy atao!
18. cousine123 ( 08/03/2016 09:28)
Ny mampalahelo ahy @ rafozako ndray dé nizara lova trano hoan'ny zanany izy, dé ny rehetra nahazo étage, efitra maromaro, fa nenay efitra kely 3 x3m. Marikoriko anà ny mieritreritra an'io, ary tena litika mihitsy aho raha vao misaina an'izany fotsiny. Mba saika hitia azy ihany aho, saingy à cause n'zay nataony izay dé tena manjary mangatsiaka aminy ny foko.
Hany ny zanany hafa ka hita hoe manindry. T@ izy nanao an'lé fizarana moa dia nasian mention mihitsy hoe TSY ASINA REMARQUE FA MASIMANDIDY AMIN'NY FANANANY IZY MIVADY. Lol, fa mahalagy kosa aloha ny situation ohatran'zany e.
19. pizza ( 11/03/2016 11:05)
n ahy de mbl manohy ny ataony ny rafozako niampy ny zandriny lahy dray ary. Mamomamo le zandry lahy de nanozina anay mianakavy oe olona mahantra velona elah sy ny taranaky elah.Isaorako an'Atra aloa fa niova le vadiko tao aorinan'io ady io.Za aloa @ zao de tsy miresaka @ izy mianakavy mhts indrindra le zandriny fa efa niteny t@ vadiko za oe marina fa zandrinao io enao mety tsy maintsy iresaka aminy fa za kosa aloa efa nanozina ana sy zanako tsy miresaka amin'io tsony za na iady aminao ary.
FA DE TENA NIOVA NY VADIKO LASA MANAO TENY MAMY TSY MIADIADY AMIKO TSONY
MANDAITRA NY VAVAKA
20. jock ( 11/03/2016 15:54)
zay le fahendrena. Mitia azy ianao, maneho fitiavana @ lafiny rehetra fa rehefa hita kosa fa saro-tiavina sy tsy mahay miaina dia afaka mandray andraikitra sy fepetra ianao. Ny ahy zao dia toy izany ny fiaraha-monina niaraka tamin'ny rafozako fa ny hitako vahaolana dia ny "havatiana tsy hiaraha-monina" ka dia naleonay mihintsy misitaka lavitra azy ireo dia milamina ho azy ny zavatra rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2707