Efa tsy hita intsony izay iantsoana kil, dia andeha hanangana Universite Internationale ny Katolika

21. rhaj0 ( 04/05/2015 14:23)

ka dia io izany hono ny ao bekintana ao e... ireo donendrina (sahala @ filazan'i Strong3 azy) ireo ny TJ.. fa ny Katolika toa tsy mahery noho ny "no-religion" akoriny... @ isa 1 :-)
22. rhaj0 ( 04/05/2015 14:24)
.. fa entre-pa.. fa "college graduate" ireo.. fa tsy ireo chercheurs .. izay mameno ny 72%-n'ny ao @ U ao..
23. gasy1zay ( 04/05/2015 19:25)

rhaj0:

.. fa entre-pa.. fa "college graduate" ireo.. fa tsy ireo chercheurs .. izay mameno ny 72%-n'ny ao @ U ao..


Normal be izany satria ry zareo tsy manana valinteny @ question existentielleny izy rehefa tsy manaiky hoe misy Andriamanitra ary Andriamanitra no nahary izao tontolo izao.

Ny athéisme tsy mahavaly ny fanontaniana maro be mikasika fiandohan'izao tontolo izao, ny fahafatesana, ny aorinan'ny fahafatesana,sns sns ... dia io mikaroka mafy io ry zalahy, indrisy anefa fa efa siantista maromaro ihany no lasankorazana fa ny valiteny azo tsy misy afatsy hoe avy @ gidro raolombelona e!
24. rhaj0 ( 04/05/2015 21:31)
Ny atheista re tsy mikaroka ny "aorian'ny fahafatesana" izany a.. rahefa maty dia vita. Ny tanjona dia ny ahatsara ny fiainana sy ny fiaraha-monina iainana eto.
25. fidinirina ( 05/05/2015 10:19)
rhaj0:

Ny atheista re tsy mikaroka ny "aorian'ny fahafatesana" izany a.. rahefa maty dia vita. Ny tanjona dia ny ahatsara ny fiainana sy ny fiaraha-monina iainana eto.

Dia ho sahala @ biby ve ?
Jesoa Kristy manome fiainana ary fiainana mandrakizay.
I Korintiana 15 : 39 ... 52
39 Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an’ ny olona, ary hafa ny nofon’ ny biby, ary hafa ny nofon’ ny vorona, ary hafa ny an’ ny hazandrano.
40 Ary misy tenan’ ny any an-danitra, ary misy tenan’ ny et? an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ ny et? an-tany.
41 Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
42 Dia toy izany koa ny fitsanganan’ ny maty: Afafy amin’ ny fahalòvana izy, atsangana amin’ ny tsi-fahalòvana;
...
47 Ny olona voalohany avy amin’ ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
48 Izay amin’ ny tany dia tahaka ilay amin’ ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.
49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ ny tany no hitondrantsika ny endrik’ ilay any an-danitra koa.
50 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.
51 Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.
26. rhaj0 ( 05/05/2015 10:36)
Fa maninona anao azany ny Biby e... Ny olona izao aty, izany animal de compagnie izany, tena tiany noho ... ny zanany (ny an'ny sasany)... ny hafa sasany azany ny droits des animaux tena tandrovany sy iadiany mafy (noho ny droits des enfants koa ohatra)..

Fa mampihomehy (mahatsikaiky sa mahatsiravina) anie ireo versets ventesinao ireo ambony ireo e.. Dia ahoana: ireo izany no ampianarinao ny ankizy @ taranja Sciences naturelles sy Biologie sy Astronomie ets..

Dia ilay trompetra handrasanao ho tsofina io izao.. kay ny trompetra efa ho 3500 taona izay... fa talohan'izay tsisy trompetra... Dia ahoana izany ireo olona velona talohan'ny tsisy trompetra ??? Dia ny gasy izao dia i Laborde no nampiditra ny trompetra tany Dago.... eee... very izany ry Rafohy sy Rangita fa izy angaha mahalala feon-na trompetra raha mikoraraika ny trompetra ? :-)


'ndana ho'a manao sahala @ Amish rehefa hanatery ny fi(s)ainana toa io, f'aza mba mampiresaka a temps partiel toa izao...
27. fidinirina ( 06/05/2015 04:53)
Tsy ny biby no maninona ahy fa ny fiheverana ny tenako ho toy ny biby sy avy @ evolutionn'ny biby, maty toy ny biby no tsy ekeko.
(Genesisy 1:27-28 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ ny tany.)
(Hebreo 2:6-7 Nataonao ambany kely [Na: vetivety] noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao)

Ireo nolazainy ireo no fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra, ianao ndray ve zany rhaj0 no sahy hilaza hoe mitovy ny nofon'ny olona, ny biby, ny vorona, sa ny hazandrano. Siansa natoraly ahoana ndray ary izany?

Dia tsy mitsahatra mahita "problem' mihitsy ranamana. Izao tontolo izao aza noforoniny, koa izay trompetra ve r'se tsy ho hain'Andriamanitra. Koa maninona koa moa io na trompetra na anjombona na anjomara na antsiva no ampiasaina...

Aleo averiko adika sao dia mba ho azonao ihany fa fiainana mandrakizay = immortalité no atolotr'Andriamanitra ho anao (raha mibebaka @ fahotanao ianao ka mandray sy mino Azy)
I Corinthiens 15 : 50-53
50 Ce que je dis, frères, c'est que la chair et le sang ne peuvent hériter le royaume de Dieu, et que la corruption n'hérite pas l'incorruptibilité. 51 Voici, je vous dis un mystère : nous ne mourrons pas tous, mais tous nous serons changés, 52 en un instant, en un clin d'oeil, à la dernière trompette. La trompette sonnera, et les morts ressusciteront incorruptibles, et nous, nous serons changés. 53 Car il faut que ce corps corruptible revête l'incorruptibilité, et que ce corps mortel revête l'immortalité.

Dia hoy koa hoe sokafy tsara ny maso sy ny fo fa aza avela hihidy dia ivereno vakio ny baiboly tenin'Andriamanitra fa efa "milliard d'années" koa io fa mbola tsy miova.
28. rhaj0 ( 06/05/2015 10:25)
hi hi hi ... misy fiteny hoe, "le diable est dans les details"... ka dia rehefa tsy mahalala ny trompetra ianao, fa heverinao fa elefanta tezitrabe izany mikoraraika izany, dia mety tsy mety hivoaka avy ao ambany rangolahy ao ianao, ka tara fidirana atsy @ vodi-fanjaitra eeee... :-)

ok ok vazivazy iny... Fa azoko hoe [size=4]ilay karotibe[/size] "fampanantenana ny fiainana mandrakizay" no manetsika anao ao. Io moa miampy [size=4]an'ilay kibay be[/size] "fampitahorana @ afobe", dia hendry (sy hoe sambatra) tokoany ianao ao ... ka hoe "Fitiavana, famindram-po, famelan-keloka, finoana, famonjena, fahasoavana, fiarovana, fankaherezana, fahazavana, anatra, fahononam-po, fanetren-tena, fahamarinana, fahamasinana, fahatokiana..."

Kanefa, aiza ilay "fitiavana" ... (ny sasany @) ianareo izao dia efa "manilikilika" ny namanareo (TJ) ihany.. Koa na eto fotsiny azany nahita aho nisy nilaza hoe "soa ihany aho fa tsy kakolika"... "fitiavana" ve izany ?
Kanefa, aiza ilay "fankaherezana"... raha "fampitahorana" sy fandrangarangana famaizana no be dia be ?
Kanefa, aiza ilay "fahazavana"... raha izao fahalalana (maizina) t@ taona 0 izao foana no asesika nefa efa misy izao ny lelekitrisitia (siansa) ?
etsetra...

Be dia be no azo hanoherana ny pli-vava-nao eeee...
1- TSY hoe rahefa kristiana, na rehefa "mino", dia @ ireo daholo..
2- entouka, tsy monopole-n'ny Kristiana na Finoana ireo ... mba sokafy anie ny saina dia ianaro na henoy fotsiny ny revin'ny bodista ohatra, dia ho ganga ianao fa (mety) ahita tsara noho ny anao ianao ao...

29. rhaj0 ( 06/05/2015 12:35)
fidinirina:
maty toy ny biby no tsy ekeko

ka ny alika hono izao efa afaka miditra any paradisa koa, f'angaha tsy izany no fampianaran'ny Papa Fransisy..
http://www.usatoday.com/
Pope Francis says dogs can go to heaven... "One day, we will see our animals again in the eternity of Christ. Paradise is open to all of God's creatures."


Io izao miaraka @ ilay immaculee conception, hoe I Maria koa efa any any paradisa... hi hi hi... tsisy toerana ho anao kristiana-a-temps-partiel-be-kabary-manamari-tena intsony ho'a any... :-)
30. endriny ( 08/05/2015 12:05)
Vao lycee aza no nananany dia hoe tsy maintsy maintimolalin'ny Ste Michele no mpitondra fanjakana... Hihihiihihi

Izao indray izany efa manangana universite manara-penitra ry Odon dia andeha ankalazina indray ny hoe: Maintimolan'i Loyla no tena varatra ka tsy maintsy omena fahefana... Raha tsy izany izahay hitarika 2009 bis... Hihihihihihi

Fa finatsona kil daholo izany: "ny mpianatry ny misiona Katolika no mahay sy be afa-panadinana"

Kanefa iza no tsy mahalala fa iray volana mialohan'ny fanadinana dia efa atao any ampianarana ny laza adina mivoaka any amin'ny Bac sy ny CEPE ary ny BEPC... Halatra sy fisolokiana be vata..

Any izany dia efa ampianarina mangalatra ny kilonga... Dia tsy gaga ianao raha mpangalatra daholo isika... Dia mandeha mikofensy dia miverina madio fa tsy misy bedy io e
31. gasy1zay ( 08/05/2015 14:59)

endriny:

Vao lycee aza no nananany dia hoe tsy maintsy maintimolalin'ny Ste Michele no mpitondra fanjakana... Hihihiihihi

Izao indray izany efa manangana universite manara-penitra ry Odon dia andeha ankalazina indray ny hoe: Maintimolan'i Loyla no tena varatra ka tsy maintsy omena fahefana... Raha tsy izany izahay hitarika 2009 bis... Hihihihihihi

Fa finatsona kil daholo izany: "ny mpianatry ny misiona Katolika no mahay sy be afa-panadinana"

Kanefa iza no tsy mahalala fa iray volana mialohan'ny fanadinana dia efa atao any ampianarana ny laza adina mivoaka any amin'ny Bac sy ny CEPE ary ny BEPC... Halatra sy fisolokiana be vata..

Any izany dia efa ampianarina mangalatra ny kilonga... Dia tsy gaga ianao raha mpangalatra daholo isika... Dia mandeha mikofensy dia miverina madio fa tsy misy bedy io e


Tonga dia avohay eto hoe fianarana taiza no nisy izany fa izahay nianatra tany @ fianorana katolika tsy nahita izany an!
32. endriny ( 12/05/2015 14:50)

[quote=gasy1zay}
Tonga dia avohay eto hoe fianarana taiza no nisy izany fa izahay nianatra tany @ fianorana katolika tsy nahita izany an!
[/quote]

Teto Antananarivo no nisy an'izany mpianatra teo amin-dry Masera ny tenanay hatramin'ny BEPC, ary mpianatra teo amin-dry mopera hatramin'ny BACC.. ary dia nisy foana io fahitana sujet mialohan'ny fanadinana io... dia nilazana izahay hoe: "raha mitovy amin'ny exercice na intero nataontsika ny fanadinana dia aza miteniteny..."
33. gasy1zay ( 13/05/2015 14:24)

endriny:


[quote=gasy1zay}
Tonga dia avohay eto hoe fianarana taiza no nisy izany fa izahay nianatra tany @ fianorana katolika tsy nahita izany an!


Teto Antananarivo no nisy an'izany mpianatra teo amin-dry Masera ny tenanay hatramin'ny BEPC, ary mpianatra teo amin-dry mopera hatramin'ny BACC.. ary dia nisy foana io fahitana sujet mialohan'ny fanadinana io... dia nilazana izahay hoe: "raha mitovy amin'ny exercice na intero nataontsika ny fanadinana dia aza miteniteny..."
[/quote]

Tena tsy haiko hoe taiza izany fianarana manapariraka sujet izany fa izaho aloha tsy mahafantatra hoe iza no mpampianatra mahalala ny sujet d'examen fa mba teneno eto hoe inona ilay taranja ary tena nitovy tokoa ve ny examen? tena tsy rariny izany raha tena nanaparitaka sujet ny mampianatranareo ry endriny a! Mila mamerina Bacc ngamba ianao mba ho équitable :D
34. endriny ( 14/05/2015 04:05)

gasy1zay:

Mila mamerina Bacc ngamba ianao mba ho équitable :D


Tara be ianao ny tsodranon'Atra tsy miverina in-droa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3409