Inona ny mpisaraka arivo amin'ny teny malagasy?

1. Tibao ( 19/04/2015 18:24)
Azo ekena amin'ny lahatsoratra amin'ny teny malagasy ve ny fanoratana hoe:

Ar123.456.789,000 fa tsy 123 456 789,000Ar

novalian'i Tibao ny 22/04/2015 13:55
2. hery ( 20/04/2015 05:11)
Toa elanelanina fotsiny angamba an

Andraso fa mety hamaly an'io i nav
3. menalamba ( 20/04/2015 18:26)
Raha ny tokony ho izy aloha dia ny Ar mialoha ny isa no izy satria raha ny fiteny mahazatra dia hoe : Ariary folo , na ariary roa , na ariary dimy ohatra . Anefa rehefa mihoatra ny folo ilay isa dia mamakavaka be ilay izy ; Ohatra ny hoe ariary roapolo , ariary telopoko ....ets . Angamba samy mety daholo na aloha na aoriana ny isa ilay izy . Zaho aloha dia mbola badenina ny lohako raha vao ariary ny resahan'ny olona . Mbola fmg ihany no ao an-tsaiko .
4. sitlo ( 20/04/2015 18:59)
Ny nampianarin'ny mpampianatra tamin'ny mbola kely aloha dia Ar no mialoha e. Ny frantsay ohatra: cinq pommes; fa ny teny gasy: paoma dimy.

Fa saingy rehefa refy indray ilay izy dia ao aoriana. Ohatra: dimy taona, fa tsy taona dimy; na rano dimy siny fa tsy rano siny dimy; na lalana folo metatra...

Ka taloha dia hita mivaingana mihitsy ny vola (vola = zavatra mangirana) dia afaka isaina. Ny maha-olombelona indray dia tsy hahavita manisa mihoatra ny zato eo. Dia niditra ny taratasy (bill amin'ny teny anglisy), dia lasa refin'ilay taratasy ilay ariary. Ka lasa ao aoriana ilay izy.
5. Nav ( 20/04/2015 20:33)
Misaotra anareo nahatsiaro. Mba mandray anjara indray amin'ny adihevitra sy fifanakalozan-kevitra eto amin'ny Serasera, tena kisendrasendra no nandalovako teto androany fa dia hitondra ny fahalalàna sy traikefa hitan'ny tena aloha.
Problema 3 no atsipin'i Tibao araky ny fandiniko azy ary tena raharaha lehibe daholo, tanisaiko eto aloha ary andramako valiana araky ny fijeriko:
- Anaran'ny ventim-bola malagasy: Ariary sa FMG?
- Inona no fiteny (sy fanoratra): Ar 123.456.789,000 sa 123 456 789,000Ar izany hoe ilay fanambaràna hoe: Ariary 2, Ariary 3, . . . Ar10 nefa 20 Ariary, 30 Ariary, . . . 1000 Ar, 5000 Ar
- Ny fomba fanoratra ny isa iray: 123.456.789,000 sa 123 456 789,000?
1) Anaran'ny ventim-bola malagasy.
Amin'ny endrika ofisialy moa dia ny Ariary no anaran'ny ventim-bola malagasy saingy ny fahadisoan'ny Fitondram-panjakana (ary fahadisoana avy amin'ny Banky Foibe) dia ny fahihirany (mahihitra tsy te handany vola na tsy mahalala ny antony tokony handaniana vola), ny fahadisoana dia ny tsy nanaovana hetsika fanentanana hampiasa ny anaran'ny ventim-bola vaovao tamin'ny 8 na 9 taona lasa tamin'ny nanapahana an'io anaram-bola vaovao io.
Jereonareo rehetra ny nataon'ny Vondrona Eoropeanna raha nanapaka ny hampiditra ny anarana vaovao Euro ka nanovan'ny firenena eoropeanna rehetra ny anaram-bolany ao anaty firenena ho anarana vaoavao Euro: nanao "campagne" nandritra ny 3 taona (raha tsy diso aho) amphafantarana io vola vaovao io ARY NANDANY VOLA BE HO AN'IZANY CAMPAGNE IZANY: fampianarana, fanofanana, radio, télé, gazety, . . . Inona no natao teto Madagasikara ho antsika tamin'ny nampidirana ny Ariary? Tsy nisy aloha raha ny fitadidiko. Vokany? Maro ny mbola mampiasa ny anarana "FMG". Ary rehefa mampiasa FMG = Franc Malgache, amiko dia tena mbola toe-tsaina voazanaka, tsy mahalala akory hoe voazanaka satria tsy mahalala akory fa efa mba manana ny an'ny tena=Ariary.
Vokatra psykolojika no hitarafako an'izany: mikorontana ny sain'ny Malagasy, tsy mahay misafidy ary tsy mahay manapa-kevitra hisafidy satria ny lehibe, ny Banky Foibe tsy mahalala akory ny andraikiny hamolaka sy handresy lahatra ny toe-tsain'ny mponina malagasy hampiasa ny fananany anarana azy manokana. Ary ny olona rehefa misalasala dia tsy mandroso, ny firenena rehefa misalasala dia sy ahita fandrosoana. Izany no misy eto Madagasiakara, betsaka ny raharaha lehibe tsy andraisana fanapahan-kevitra nohon'ny fisalasalàna.
Ny vahaolana arosoko dia ny fanamafisana ny anaram-bola TOKANA= ARIARY. Izaho moa manebaka ny sasany hoe angaha moa tsy efa maty ny franc malgache? Ny tompony aza efa tsy miteny an'izany intsony koa angaha ianareo avy namongatra ny razana indray? Saingy ny lehibe no adala dia manaraka ny tsy mahalala izay itarihana azy.
2) Fomba fiteny: ny zava-misy dia ahenoana izao: Ariary 2,Ariary 3, . . .Ariary 9, Ariary 10.
Rehefa mihoatra ny isa 10 anefa dia izao indray no heno: 11 Ariary, 12 Ariary, . . . 19 Ariary, 20 Ariary. Tonga eo amin'ny Ariary 100 ihany no maningana fa ankoatr'izay dia ny isam-bola no tenenina mialoha, izany hoe: ny "isa" mialoha ny anaram-bola, oh: 300 Ariary, 1000 Ariary, . .
Ny fitsipika dia voafehin'ny famaliana ny fanontaniana hoe: FIRY INONA (oh: firy metatra, firy kilao, firy anaka?), izany hoe: Firy anaran-javatra raisina ho ventim-panisana.
Ny valiny izany dia izao, oh: Firy? 5. Inona? metatra. Ary toy izany ny sisa rehetra: 20 kilao, 3 anaka (manan-janaka anankitelo),1000 Ariary . . .
Fanontaniana: inona àry no nahatonga ny fitenenana hoe: Ariary 2, Ariary 3, . . . Ariary 10 (fa tsy hoe : 2 Ariary, 3 Ariary, . . .?) Angamba raha miteny hoe: 2 Ariary dia mety heverina miteny hoe 2 no Ariary (raha mpivarotra moa dia midika hoe: 2 toko no Ariary) ka mba tsy ifangaroany amin'izany dia navadika ny filazana ny sanda ka atao hoe: Ariary 2.
Mikasika an'io ihany: ny banky irery ihany no mampiasa an'io endrika hoe : Ar 1000000 io satria ho an'ny banky izay mikirakira anaram-bola maro samy hafa dia tsara faritana mialoha hoe vola inona io kirakiraina io: $, euro, Ariary sns . . .? Ary izany no ahitana ny soratra eny amin'ny banky hoe: $ 3500, £ 2000, Ar 500000,. . .
Fehiny: 123 456 789,000 Ar no marim-pototra raha toa hikirakira vola (anaram-bola tokana).
3) Momba ny isa madiodio irery ihany: Ahoana ny fanasarahana ireo tarehimarika ireo mba ahafantarana ny sandan'ny vola, izany hoe tena miditra amin'ny raharahana fanisana isika izao, ny tiana ho fantatra dia inona io vola io? Hoatrinona ny habeny, Ampolony Ariary ve sa
Antapitrisany sa mbola mihoatra aza?
Ny fomba ahafantarana ny sandany dia ny fahafantarana hoe : Inona no sokajin'isa Lehibe indrindra amin'io sorabola io? Ny fomba mahazatra (ary voaporofon'ny zava-misy) dia ny manasaraka ireo tarehimarika tsitelotelo avy any amin'ny Venty; rehefa sarahina toy izany dia milaza izany fa ny tokotoko tsirairay dia efa mihodina isaky ny Arivo, ary dia indray mitopy maso dia fantatra ny filaharany manomboka any amin'ny Venty (any Ankavanana indindra) toy izao: Venty, Arivo, Tapitrisa, Miliara, . . .
Raha io vola eo ambony io izany dia fantatra hoe: 123 Tapitrisa (ny tohiny angamba tsy ilaina ho fantatra fa ilay Kilasin'isa Lehibe indrindra no ilaina dia ny Tapitrisa).
Ahoana no fanasarahana ireo tokotoko ireo? Raha amin'ny fitsipika aritmetika dia TENA TSY AZO SARAHINA fa ny fahazarana moa dia manasaraka azy: ny mpiteny frantsay manasaraka amin'ny teboka satria ny faingo desimaly no manasaraka ny silaka isa tsimivaky sy ny silaka desimaly, oh: 3,1416; ny mpiteny englisy indray dia mifanohitra amin'izay, sarahina amin'ny faingo ary ny teboka desimaly no manasaraka ny isa tsimivaky sy ny ampaha desimaly, oh: 3.1416.
Ity ny zava-misy amin'ny informatika: tsy sarahina ireo tarehimarika fa soratana mitohy: 123456789.000, ny mpanasaraka ny silaka tsimivaky sy ny silaka desimaly dia ny teboka (fomba englisy).
Misy anefa fiteny informatika manao fitsipika ho azy manokana ary manasaraka amin'ny alalan'ny tsipika ambany (eng underscore) toy ny fiteny Java ary dia izao no azo: 123_456_789.000. Natao ho an'ny mason'ny mpampiasa io, ho an'ilay fiteny informatika dia fantany tsara fa mpanasaraka fotsiny fa tsy manana andraikitra manova ny sandan'ilay isa.
Fehiny: Inona no mety ho an'ny mason'ny mpampiasa? Fifanarahana moa izany tahaka ny fifanarahana rehetra ka izay ifanarahan'ny manodidina eo no atao rehefa lazaina mialoha hoe inona ny ifanarahana . . . Raha ny mety kokoa angamba dia aleo tsy mampiasa ireo teboka maro loatra fa ny fotsy no hanavahana ny kilasin'isa dia mety, oh: 123 456 789.000 Ar.
6. Tibao ( 22/04/2015 13:55)
Raha afohezina izany dia mety daholo na ny teboka na ny fotsy, fa ny fotsy no tsara ampiasaina kokoa noho ny teboka.

Misaotra an'ny rehetra namaly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2819