Fepetra ilaina momba ny toekarena vanona sy mahomby eo firenena te hivoatra sy hiaina izany

1. saho ( 11/04/2015 12:10)
Ilaina ny saina mazava miaraka ny mpitantana izay miseho endrika loko maro be, mavo fotsy mena maintso sns...Ny faniriana dia ny lanin ny be sy ny maro ary hitovizana ny tanjona. ohatra fomba rehetra tsy mampety hialana ny toekarena mahantra (delestage, kibo noana, marary tsy voatsabo, lalana na fifamoivoizana rendrika, jiolahy mpanafika, saina mikorontana, fatifaty eny rehetra eny, saranga ambony sy ambany,tompontany mandohalika, tsy miray saina samy maka ho azy sns...) Malagasy anefa iray ihany ary taloha tena atao hoe valera be ny mahamalagasy nahay nifankatia sy nifanavotra sy mifampitsinjo sns....

misy ny aro eo lafiny samihafa, miaro ny olona mpitantana , miaro ny lalana mifehy ny rehetra hatramin ny ambony ka hatramin ny ambany (Justice tsiss kolikoly fa mitovy daholo eo ambanin ny lalana na iza na iza na polisy na gendarme na president na olontsotra), izay mivilana eo anatrehan ny justice dia tsy maintsy tsaraina, ary tsy azo asiana kolikoly sns...

Ny hay amanjery moa efa vita itony Internet itony koa, lafiny fanehoankevitra malalaka indrindra fa aty tany milamina, raha tsy nisy an itony koa tsy afaka mamelabelatra toy izao

Voalohany tiako lazaina dia ity delestage tsy mety misy vahaolana ity, miseho endrika tsy fahaizana manao ny fisehoany any mada, marihiko aloha fa be dia be ny fomba hahazoana herin aratra ankehitriny erantany, isika malagasy dia manana akora natiora azo hahazoana herin aratra daholo ny natiora rehetra fa ny hitako fa tsy ampy any mada dia ny fahaizana manao izany na teknisiana ambony avo lenta, ohatra afaka hahazoana herin aratra daholo na ny rano, na ny masoandro, na ny gaz naturel, rivotra sns....fa ny any mada toa resaka petrol diesel foana, io no olana, miantehatra amin ny vaha olana tokana.....isika ve dia tsy misy na iray aza mahay fahazoana herin aratra avy amin ireo akora voatanisako ireo....izay le fahaizana mitantana miaraka amin ny teknisiana mahay etsy sy eroa

Vahaolana mba tiako aroso eto dia maninona raha efa miseho any Gasikara ihany ity fitrandrahana akora harena akibon ny tany ity izay miseho endrika vatsiana ireo firenena indostria hamokarany entana indostria, akora tsy fahita erantany fa mbola any mada feno, dia takalo ry tompon andraikitra no arosoy, takalo akora takalo fahaizana teknisiana avo lenta momba ity delestage ity ohatra, amin izay mifandanja sady mahazo ny atsy no mahazo ny aroa
Ataovy ny fahaizana hanatsara ny toekarena malagasy rehefa hiroso io fitrandrahana io ihany, fa raha za no hanontanianao ry tompon andraikitra ka hitady vahaolana ankoatra io fitrandrahana harena akibon ny tany ataon ireo firenena indostria dia ny fampidirana fitsidihina vahiny erantany ihany no azo hitadiavambola sy hanarenana ny toekarena Malagasy satria ny Nosy Gasikara dia Nosy sarobidy, ary tsy mitovy ny Nosy erantany fa Nosy be harena na zavamaniry na biby na toerana avo misy tendrombohitra na toerana hafa mihitsy...sarobidy tokoa ny Nosintsika ary io no tokony hahafahana miroborobo erantany mba ho be mpitsidika sy hanatsara ny toekarena miseho endrika devise any gasikara....arosoy ny Ecotourisme fa io no tetika sy tanjona hialana ireo olana misy rehetra ankehitriny 2015...

fa raha tsy mahay koa anie ireo tompon andraikitra dia voambaka toa ireo nitondra ny Malagasy fahiny fahampanjaka, hany ka lasa voazanaka ny vokany, ataovy matsilo ny saina mazava sy mahiratra tahaka ny Cameléon e, mijery aloha aoriana afovoany....mailo mailo hatrany

Fialana ny kibo noana indray, isika Malagasy anie mamokatra ny tanintsika, raha tena mahay isika tsy hisy noana izany any Gasikara, ny mahay tiako lazaina eto dia ny miainga ny fambolena vokatra samihafa, tany fambolena, fitsinjarana ny vokatra azo hambolena any amboalohany, dia fiotiana izany amin ny endrika fahaizana, na tsiss fitaovana trakitôro aza, ny tanan olona be dia be, ny malagasy maro isa, inona no olana, fampiroboromboana ny fahaizana manao no tena ilaina sy mampitombo ny vokatra, rehefa vokatra ireo, dia ny fanangonana (miara mifarimbona...)izany sy fitaterana( ary ny fivarotana( tsena, supermarché sns...) izany koa ilaina fahaizana ary atao eraky ny faritra mahavokatra erak i gasikara....

Ny zaoridira etsy sy eroa, vokatry ny fitokonana na dongy hoe tsy misy vola no antony hisian ireo miparitaka be dia be izay asehoan ireo tompon andraikitra ankehitriny, amiko dia ny toetsaina no simba, raha tia fahadiovana ireo mponina akaikin ny zaoridira dia efa nifarimbona nanadio, fa mahamenatra le toetsaina e, miaina miaraka amin ny fahalotoana ny mponina malagasy, hiandry an iza, mila karokaroka ry Malagasy ny fahaizana fa tsy mijanona fotsiny amin izao

Ny zavatra rehetra dia vitan ny farimbona koa fa tsy mandeha tsirairay sy samy maka ho azy....io voazarazara io ihany no antony seho voalohany tsy nahatafa an i Gasira ara tantara

Be dia be ny tiako lazaina eto ity serasera ity, fa mba voatomboka aloha io na dia teboka iray ary olana be indrindra misy aza no voatanisako eto, efa betsaka ihany ny soratra voasoratro teto ity serasera ity, fa asa ireo tompon andraikitra na mpanao gazety mba mamaky an itony
Mirary soa anareo mpiray tanindrazana rehetra dia mahereza.....voavaha foana ny olana rehefa miray hina sy mifarimbona, sy mitovy tanjona dia hialana ny fahantrana sy olana be dia be misy ary mba ho toekarena vanona ho an ny taranaka faramandimby sy ho tantara mahafinaritra no ho vakiana afaka 100 taona
novalian'i TenWords ny 30/09/2015 11:26
2. 5laody ( 15/04/2015 10:04)
Salama ô,

Raha lava ny bozaka very ny kisoa, raha lava ny resaka very ny soa.
3. TenWords ( 30/09/2015 11:26)
Tsy omena tsiny i saho fa miakatra be ilay sentiments E! tsy misy tsy mahay ireo zavatra voalazanao ireo izahay mpiandraikitra ry saho fa tsy any aloha zao no prioritaire aminay a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3145