OMAR manao politika

21. RBNIR ( 27/03/2015 09:28)
Ary tsy hoe rehefa mpiasam-panjakana akory dia tsy mety...Asa toy ny asa rehetra io (rehefa secretaire dia secretaire) rehefa comptable dia comptable fa ilay mpanao politika sy ny mitovitovy amin'izay no resahina....
22. RBNIR ( 27/03/2015 09:34)
Mila mianatra isika namana strong a! manjary manaonao foana na mandray antendrony....
23. Strong3 ( 27/03/2015 09:58)
fa inona aloha no atao hoe politika ary eh? sao mba izay no tsy mampitovy ilay zavatra resahina :-)
24. RBNIR ( 27/03/2015 10:12)

Strong3:

fa inona aloha no atao hoe politika ary eh? sao mba izay no tsy mampitovy ilay zavatra resahina :-)

Mety ho izay mihitsy namana! Inona no natolotra ny devoly? « Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lio.4:6)

Voalaza eo fa hoe ny "fanapahana rehetra mbamin'ny voninahiny"...ary voalaza koa fa io fanapahana sy voninahitra io dia omeny indray kosa izay tiany homena azy....

politika resahina eto : poste misy fanapahana sy voninahitra mifandraika amin'izany e!...
25. Strong3 ( 27/03/2015 10:40)
efa nomena ahy ny fehefana rehetra atrety antany ka hatrany andanitra...
26. RBNIR ( 27/03/2015 10:48)
Strong3:

efa nomena ahy ny fehefana rehetra atrety antany ka hatrany andanitra...

:-) fantatro ny tianao hahatongavana dia ny tenin'ny mpanompon'Andriamanitra fa saingy tamin'ny devoly niteny an'io tamin'i Jesosy dia nasehony azy ny fanjakana rehetra teto amin'izao tontolo izao....
Tsy mitovy e!!!!
27. Strong3 ( 27/03/2015 10:56)
kay ve eh!... :-)
28. Tefigasy ( 27/03/2015 11:25)
RBNIR:

politika resahina eto : poste misy fanapahana sy voninahitra mifandraika amin'izany e!...

Mba mila makay am-pianarana ihany tsindraindray e! manjary tsy mahalala menatra eny imasom-bahoaka eny !
Nisy mpitoriteny iray izay koa nanazava ny momban'ny fijangajangana; dia satria moa izy ary manambady maro dia avilany tanteraka ny atao hoe mijangajanga, dia ny tena no menatssssa
29. RBNIR ( 27/03/2015 12:29)
politika politisianina e!......iza indray no tsy mahafantatra an'izany sa mody adala????
30. Strong3 ( 27/03/2015 12:51)
ieh ! haiko ka... fitantanan-draharaha no resahana eto aloha , fa fotom-pisainan'ny tsirairay indray ny hoe hanao raharaha maloto na tsia
31. RBNIR ( 27/03/2015 12:58)
Ilay saina mihitsy ka, satria raha saina tia fahefana sy fanjakana ary voninahitra no tao anatin'i JEsosy efa mba roboka koa Izy e!......
32. Tefigasy ( 27/03/2015 13:41)
RBNIR:

Ilay saina mihitsy ka, satria raha saina tia fahefana sy fanjakana ary voninahitra no tao anatin'i JEsosy efa mba roboka koa Izy e!......

Mba jereo kely hoe ireto :
Apocalypse.1: 5
Apocalypse.11: 15
Romains.13:1-4
I.Pierre.2:13, 14
Mba maromaro ihany ireo fa tsy teny iray notsoponina akory. Tsy nandray ny tany amin'ny TT intsony aho fa ny anao toa efa hodinao fanina ilay any !
33. RBNIR ( 27/03/2015 15:00)

Tefigasy:

RBNIR:

Ilay saina mihitsy ka, satria raha saina tia fahefana sy fanjakana ary voninahitra no tao anatin'i JEsosy efa mba roboka koa Izy e!......

Mba jereo kely hoe ireto :
Apocalypse.1: 5
Apocalypse.11: 15
Romains.13:1-4
I.Pierre.2:13, 14
Mba maromaro ihany ireo fa tsy teny iray notsoponina akory. Tsy nandray ny tany amin'ny TT intsony aho fa ny anao toa efa hodinao fanina ilay any !

Faly misera namana,
Tsy mamporisika ny olona hihazakazaka hitondra fanjakana sns...ireo fa manoro ny olona ny mendrika ataon'ny kristianina dia ny fanekena ny fitondrana rehetra misy (tsy hanavahana io fa na iza na iza mitondra eo dia omena fanajana avokoa ).....
Satria izay no sitrapon'Andriamanitra « Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa; » (1 Pet.2:15)
Izay lalana nalehan'i JEsosy ihany no tsy maintsy andehananao....« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. » (1 Jao.2:6)
34. Tefigasy ( 27/03/2015 15:32)

RBNIR:

Faly misera namana,
Tsy mamporisika ny olona hihazakazaka hitondra fanjakana sns...ireo fa manoro ny olona ny mendrika ataon'ny kristianina dia ny fanekena ny fitondrana rehetra misy (tsy hanavahana io fa na iza na iza mitondra eo dia omena fanajana avokoa ).....

Mbola tsy ampy ilay fandalinana!!!!
35. bor2lais ( 27/03/2015 16:43)
RBNIR:

Ahoan-tsika inona moa izany problema izany namana???
Moa tsy ain'Andriamanitra va ny zavatra rehetra????

:-)
Mitovitovy amin'io ny kabarin'ilay dahalo milaza tena fa niova fo (entina mandroba sy mamitaka ny osa sy malemy ara-nofo sy/na ara-panahy) ! :-)
36. RBNIR ( 28/03/2015 17:26)

bor2lais:

RBNIR:

Ahoan-tsika inona moa izany problema izany namana???
Moa tsy ain'Andriamanitra va ny zavatra rehetra????

:-)
Mitovitovy amin'io ny kabarin'ilay dahalo milaza tena fa niova fo (entina mandroba sy mamitaka ny osa sy malemy ara-nofo sy/na ara-panahy) ! :-)

Merci namana bor2lais an!
Ny Tompo anie hitahy anao....
37. Strong3 ( 30/03/2015 06:52)
Ngamba hoe: ilay fanjana tsy avy amin'izao tontolo izao no sainin'ingahy RBNIR dia izay no tsy tiany hijabahana amin'ity raharaham-panjakana ity.

_ Aza manao ny fanaon'izao tontolo izao ... Rom12
sao ilay fanaon'izao tontolo izao aza no tsy dia mazava kosa amin'i RBNIR
38. RBNIR ( 30/03/2015 07:29)
Faly misera namana strong3,

« Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. » (Lio. 4:5)
« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lio.4:6)

Dia Andriamanitra sisa no angatahina mafy hanazava ny ao am-pon-tsika.....

Taty aorianan'io dia saika nataon'ny olona ankeriny ho mpanjaka Jesosy nefa izao no nataony....
« Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao. » (Jao;6:14)
« Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.. » (Jao;6:15)

Raha mpitondra fivavahana amin'izao fotoana izao aloha no nataon'ny olona an'io dia azo antoka fa mety nihevitra koa izy hoe feon'ny vahoaka dia feon'Andriamanitra....Saingy fampianarana no efa nataon'i JEsosy e! Anjaran-tsika no mandinika....

« Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. » (1 Jao.2:6)

Fampianarana tsy misy kilema avokoa izany namana...

Samia ho tahin'ny Tompo...
39. bor2lais ( 30/03/2015 07:40)
RBNIR ange namana spécial e ! :-)
Rehefa tsy hitany misoratra (ara-bakiteny) ao anaty Baiboly dia lazainy fa avy @ devoly daholo !

Nefa ange rehefa izy (na ny apôstoliny angaha no marimarina kokoa) no manampy izay voalaza ao dia lazainy fa avy t@ Jesoa hono izany.

Ohatra
Matio 24.14 izao no voasoratra ao (raha mitovy ny Baiboly ampiasaina)
"Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany."

Ny an'i RBNIR sy ny tariny indray dia izao :
"Ary hotorina amin'izao tontolo izao INDRAY ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany."

Izany hoe aminy, tsy tena izy no notorina hatramin'izay fa ny an'ireto milaza tena fa apôstôly "vaovao" ireto no izy ! :-)
40. RBNIR ( 30/03/2015 08:30)

Aleo hovaliako atsy ianao namana fa simba ny lohahevitra....
Samia ho tahin'ny tompo namana....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2392