Androany ny taombaovao malagasy fa tsy rahampitso

1. sitlo ( 20/03/2015 06:09)
Lohateny fotsiny io fa rahampitso ka.

Fa io tokony hoe taombaovao vazaha fa tsy an'ny gasy. Ary mety ny vazaha no nametraka an'io fa tsy ny gasy.

Satria izao: ny taombaovao dia azo zaraina hoe taona+vaovao. Izany hoe tapitra ny teo aloha dia miditra ny vaovao. Izany hoe io andro io izany no voalohan'ny taona: loha+taona. Ka raha izay dia lohataona no tokony ho izy.

Ny 21 martsa anefa dia any amin'ny ila-bolatany avaratra no lohataona fa antsika dia manomboka miha-maizina ny andro ary miditra ririnina. Ny any avaratra indray dia miha-mafana ny andro, velom-boly ny zavamaniry rehetra, mitsonika ny sahona (azoko indray izay, fa kay ve ny sahona mivainga rehefa tratry ny lanezy e).

Tsy resaka finona sy fanatitra aloha ilay fa aoka hazava. Fa androany ny "equinox" izany hoe mitovy ny halavan'ny andro sy ny alina androany (12 ora andro, 12 ora alina). Omaly dia lava kokoa ny andro teto Madagasikara (12 ora mahery kely) dia fohy kokoa ny alina (12 ora latsaka kely). Rahampitso kosa dia ho fohy kokoa ny andro ary ho lava kokoa ny alina. Mandram-pahatongan'ny "equinox" manaraka indray izay afaka 6 volana (21 Septambra). Amin'izay indray dia tena lohataona tokoa eto Madagasikara.
novalian'i valiih ny 16/04/2015 13:19
2. endriny ( 20/03/2015 06:18)
Marina ny anao. I Ralambo ilay zafikelin'i Rabiby no namindra an'io ho Alahamady, izay volana nahaterahany... Fa teo alohan'izay dia ny volana mamoa fanja voasary no taom-baovao... Saingy io volana io dia mifanojo amin'ny fiandohan'ny maitso ahitra. Ka dia nafindra alahamdy vanim-potoana iakaran'ny vary atriatry...
3. sitlo ( 20/03/2015 06:31)
Marina koa aloha izay e. Mety hoe nijaly be tamin'ny cyclone koa ry zareo tamin'izany dia ny voalohan'ny fararano no natao hoe taombaovao. Sady betsaka ny kaly no mihena ny rano.
4. hery ( 20/03/2015 08:13)
Na koa hoe tsy fomba tena Malagasy ilay taom-baovao fa fomba avy aty amin'ny ilabolan-tany avaratra...
5. ravatorano ( 20/03/2015 08:22)

sitlo:

Marina koa aloha izay e. Mety hoe nijaly be tamin'ny cyclone koa ry zareo tamin'izany dia ny voalohan'ny fararano no natao hoe taombaovao. Sady betsaka ny kaly no mihena ny rano.


ka ny fahalalako azy dia toa ny fararano no nanaovana ny fankalazana ny taombaovao malagasy raha ny reko aza dia natao hoe andron'ny fandroana izy ity ary fanomezana hasina ny famitranam-pihavanana teo amin'ny fiarahamonina malagasy.
Raha amin'ny maintso ahitra kosa aloha dia ho sahirana ny vahoaka raha hanao fety satria sady tsy mbola miakatra ny voakatra no koa andron'ny fahavaratra izany !
mbola adihevitra be moa izy izy ity satria ao ny milaza sy manome daty hafa ao koa ny milaza hevitra hafa sns eh ! fa na izany na tsizany dia miarahaba antsika rehetra tratry ny ny taombaovao malagasy ho samy hambinin-Janahary hahaita ny mahasoa sy nymampety azy avy ny tsirairay arh handefitra amin'ny olona nananany olana ka hihavana miny hahatsara indray ny fiaraha monina !
6. endriny ( 26/03/2015 15:37)
Mampalahelo fa na ny tompony aza tsy tia e...
7. ketaka_vakana ( 16/04/2015 11:23)
Mahagaga sy mahavariana ity hoe misy taom-baovao 2 samy hafa ankalazaina eto amintsika, midika izany tsy maintsy misy iray diso aloha ny amin'ireo !
Misy takelaka iray izay manazava fa ho an'ny mpankalaza ny taom-baovao malagasy volana mars dia voaporofo ara-tsiantifika izy io ! de ny fanontaniana apetrako dia ny hoe : "fa angaha moa ilàna porofo ara-tsiantifika ny fomba maha izy azy ny toerana iray ?".
8. valiih ( 16/04/2015 13:19)
salam daoly? tsika nge ry reto k ts mb manana fotokevitr ijoroana no.samy manana nfomba fandinihany daolo ko e?tsika gasy d ef vozanaka atr@toetrandro k na ita zao ar f ts eo ntaombaovao d mankalaza satry zay no napetrakandry dadabe vaza k na ef dradradradrain.az f eo ntaombaovao malagasy d 3 sy 4 no makalaza?ts mb titsika mits netsika f d nenolona fona no.akalazaina?eny e?ts manme tsin atsika ah f na sik az fanna oe aiz nten marna,n paay spandalina fomb manana nvao2ny, ny pandalina fivavaana manana ny vao2ny,nendry past mailhol zao d vo 2012 zao satry @2013 ono iz no itondra nfirenena...zao le we sam manana nvao2ny e?d raisin arakeviny any f otrn tsis anov anio f na npakalaz nvolana mars az mb manao ko rhf tong njanvier.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.222