fiara moteur essence sa diesel?

1. jaona82 ( 09/03/2015 11:27)
Miarahaba.

Mba manana eritreritra ny hividy fiara ny tena, nefa ts de mahay resaka mecanique. De mba mangataka conseil @nareo connaisseur eto.
Ra eto @ tanana iza no tena mety; manana fiara diesel sa essence ra par rapport @ kalitao ny solika eto @ tsika, na ny etat ny lalana? Ny cout de réparation essence sy diessel na ny vidiny pièce ve mitovy?
Ra ny ahy manokana ny tena ilavako fiara dia eto @ ville fa ts de tena matetika mande sur route.

Misaotra sahady an'zay mamaly
novalian'i edhy ny 14/07/2017 10:22
2. Radavison ( 08/09/2015 09:59)
Arahabaina jaona82,

Ny diesel aloha, indrindra indrindra ny teknolojia vaovao, dia natao ho an'ireo mpandeha lavitra sady matetika. Asiana teny manokana voalohany eto ny filtre à particules : mila mahatratra ny mari-pana mahadoro ireo molaly sy tokika ambony mba hampiala azy ireo, izany hoe mandeha elaela + régime ambony. Raha tsy izany dia miha-mitambatra ireo molaly ireo ka manembatsembana ny fivoahan'entona ka miha-tsy mahazo aina ilay fiara na farany aza tsy mety velomina intsony... Misy ihany ny ady gasy hoe tsofina amin'ny jet d'eau haute pression kanefa tsy vaha-olana maharitra izany ! Ny sasany manao hoe rehefa mafana tsara ny môtera dia entina 3e 120km/h fara-fahakeliny ... Fa raha soloina vaovao ny filtre à particules dia fantaro fa dia lafo dia lafo ihany an ... 1 000 000Ar...
Faharoa nanarakaraka an'izany ny common rail dia saro-pady tokoa raha vao tsy azo antoka tsara ny solika dia aleo tsy midi-kizo...2-3 000 000Ar...
Ny pompe injecteur taloha aza mba azo hiafiana ihany (jereo ireny camion efa tranainy be ireny... ) fa na dia izany aza lafo dia lafo ihany koa ny vidina pompe-injecteur raha sanatria misy fahasimbany...
Ny diesel kosa aloha dia matanjaka kokoa
Ny essence indray dia amin'ny embouteillage no mikiky. Na dia mamono motera isaka izay mijanona aza ianao dia ny 1é sy 2é tena MISOTRO lasantsy mihitsy...
Ny vidina pièces tena misy elanelana be dia ireo common rail/pompe injecteur izay tsy azo ampitahaina mihitsy amin'ny vidina carburateur na injecteur essence...
Ny ankoatr'izay dia mitovy raha resaka faharatsian'ny lalana, tsy inona moa izany fa ny amortisseurs, silent-bloc, frein, embrayage(mijanojanona matetika,mamindra vitesses matetika sns... izany hoe tsy resaka motera io fa fampiasa ny fiara arakarak ny toe-java-misy...
Misy mécaniciens milaza hoe matezateza kely kokoa hono ny motera diesel satria somary matavitavy kokoa ny gasoil ka manalama ny fikasokasohana, fa ny essence somary makiana/maimaina... fa eo anatrehan'izany kosa anefa ny vidange diesel dia eo amin'ny isaka ny 10000km eo foana, fa ny essence sasany aza 30000km (fa ny ankamaroan'ny tompona fiara aloha manao 15000-20000km eo ho eo)
... araka izany dia anjaranao ny mampitaha hoe ny lasantsy mety ho laninao amin'ny embouteillge sy ny tena dia ve mahaleo ny saran'ny fampiasana diesel...
Izay aloha ny kely azo lazaina ka dia veloma sy mahereza.
Radavison
3. edhy ( 14/07/2017 10:22)
mba mila fanampina @nreo namana, fa efa navita fianarana mecanique auto d iditra stage
ndray fa mitady garage tene tsara sad mahazo ola be,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2167