MISY FANAHY TOKOA VE NY OLOMBELONA? nahoana ny boky atao hoe baiboly no manasongadina azy io bebe kokoa

21. Strong3 ( 04/03/2015 09:39)

vahiny2004:

Strong3:

izay aloha no tokony ho izy raha ny filazana hoe ; iny ratsy fanahy... fa inona no hamaritana hoe akohatran'ny vatana sy ny saina dia misy fanahy (tena vainga misy ve izy io sa imagination-ny olona fotsiny hoe misy izany fanahy izany hono ao anatintsika ...?)


Nakorontan'ny olona t@ imagination angaha ise ? :-P


huhuhuh efa fantatro fa io no havaly ahy dia aleoko ny ahy no ataoko ho tonga aloha... dia io izy tsy mana-kalahatra io ... no ny sasany kaopikaoléé
22. Strong3 ( 04/03/2015 11:39)

Strong3:


rhaj0:

Rahefa misy raha "tsy-takatry" ny sain'olb dia .. amoronany raha ao @ imagination-ny ao hanazavany ilay izy. Indrindra moa ireo marefo (fragile) dia tonga dia miantsampy amina raha foromporonina ao, fa satria tsy mahay miaina ao anatin'ny tsy-fahalalana. Dia samy mamorona ny azy any @ misy azy aby any. Dia izay mahay mandresy lahatra no lazaina fa "marina". Dia miantsampy sy mamikitra tokoany ho'a ny marefo (fragile) ara-tsaina ao. Dia avy eo anefa, rahefa miitatra ilay sain'olb, dia lasa mihatakatrany ilay "tsy-takatra" teo aloha.

Dia ahoana...

Raha izaho manokana aloha, dia rahefa "tsy-takatra" dia tsy takatra, fa tsy amoromporona antsanga tsy aman'orana eo, dia iamtsampitsampy sy amihimihina an'izao resaka absurde rehetra izao..


fa na izany na tsy izany, dia izao e... raiso izay fanazavana/famaritana/.. mampetimety ny baolinao ao dia basy e... tsisy mila ifandirana izay izany...


fesifesy la-olou ity eh... hihihi

misy fiteny nalaza izay taty tana talohaloha tao hoe: "aza kianina izay vitako fa manaova mba ho hitako"

izay fikarohana mivoaka rehetra dia ambara foana hoe : idée absurde
nefa rehefa mba anotaniana ny idée tsy absurde ... dia hoe aleo tsy miteny toa izay miteniteny foana... (kay miandry ny mana latsaka avy any amin'ny tsihaitsihay any fotsiny) _ ka izay vao hanaiky ! hehehe MIPETRAKA EO AMIN'NY TOERAN'NY MPITSARA HOE zany i rhaj0 . ka izay vitan'olona dia izy no mahalala na absurdité na tsia ny vitan'olona hihi

fa ny tena laol ré aolona dia misy kaopi-kaolé an'i rhaj0 ato ah...! raha kristiana dia hoe mpianatr'i rhaj0 ngamba io , raha filôzôfa dia hoe ingahy saokiraty sy platon .... dia ny tena rou menatsa :p tokony mba hisy idée maro loko eto fa tsy kaopi-kaolé , ka lasa verité du troupeau ny farany :p hihihi


ny efa mahay tsara no afaka mamadika ny marina! ... fahalalana nampetraka ny tontolo iray izay misy ny fanahy , izay lazaina fa efa hoe 5000taona ny fisiany; nefa hatramin'izao tsy misy sahy manamarina na mandiso ny fisiany ireo tsy mpino. fa mihenahena toa dià-tana ireo mpitazana io tontolo io. inona no antony?
23. rhaj0 ( 04/03/2015 13:27)
Strong3:
efa hoe 5000taona ny fisiany

bon dié.. fa ny talohan'izay TSISY fanahy an.. incroyab.. mivoaha ao @ io box-tsisy-afa-tsy-baiboly io re ry Strong3 fa dia..

Hey.. ity misy "boky manasongadina koa ny fanahy".. dia mba hajao fa natolotry ny razanao io..
http://primatologie.revues.org/829
Les représentations à l'égard des lémuriens diffèrent en tout point du territoire ... Un conte sihanaka décrit la vengeance de l'esprit d'un Aye-aye qui, après avoir ...


ay ay ay yaaaa... tandremo sao enjehiny eo ianao ry Strong3.. (ao @ imagination-nao ao..)
24. endriny ( 04/03/2015 13:52)
Noforonin'ilay boky artifisialy koa angaha ny fanahy?

Mba jereo ihany fa nisy izay atao hoe Zaora izay taloha nakana an'io boky artifisialy io e
25. Strong3 ( 05/03/2015 12:28)
navyy koa ny mapandray ambolony ny fikarohana no sa nilaza hoe 5000 taona vao nisy ny fanahy ve teo ??? ndrekaky ô!

sao mba isé rou matahotsa kou ahilika aty hihih mdr

isé aza tsy mahalala hoe misy fanahy isé sa tsy misy ... giravy izany an ; i endriny moa dia milaza fa ny alika aza misy andriamanitra dia tsy iza va izy endriny ihany ato amin'ny imagination-any tao laol beuh
26. fidinirina ( 17/03/2015 09:21)
Andriamanitra dia namorona ny olona ho saina, vatana ary fanahy (fofon’aina mahavelona na koa aina). Adika hoe fanahy ny hery mamelona ny olombelona.

Salamo 104:29:

Alainao indray ny ainy, dia maty izy ka mody any amin’ ny vovoka nanalana azy

Lioka 8:53-55:

53 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
54 Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
55 Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin’ izay izy

Oh, tsy velona ny radio raha tsy misy herin’aratra. Tsy velona ny vatana raha tsy misy hery.

Mpitoriteny 12:7:

ka ny vovoka dia hiverina amin’ ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’ Andriamanitra, Izay nanome iny.

Maty sy miverina ho @ tany nakana azy ny vatana rehefa miala aminy ilay hery mamelona azy, miverina any amin’Andriamanitra izay nanome azy kosa ny aina. Toy ny hoe eo am-pelatanan’ Andriamanitra ny aina, tsy misy mahavita manampy ny andro iainany na dia iray minitra monja aza. (Rehefa @ fahoriana, hoy isika: Andriamanitra no mpandahatra, izy no nanome ary izy koa no maka.)

Mamela ahy haka fanoharana @ andro ankehitriny, ohatra mecanique ity (hoy ilay namana iray ato @ serasera ato): nisy bandy namorona ny processeur, io no mamelona ny ordinateur, manao calcul sns. Ny namorona azy no nanome hery nampatanjaka azy. Maty ilay processeur, ny fahaizany rehetra dia niverina na voatazon’ilay namorona azy fa tsy maty niaraka taminy.

Ny malagasy tokoa aza mba mahalala fa ny fanahy no mahaolona. Raha tsy manam-panahy dia hanao toy ny biby: manao firaisana eny rehetra eny, tsy hahalala menatra, tsy hahalala ny mety na ny tsy mety tokony atao na eny imasom-bahoaka na ho an’ny tenany samy irery. Io fanahy io dia tahaka ny mpanolotsaina (feon’ny fieritreretana), oh: olona te hamono olona, manan-tsaina manao plan sy izay fomba hanatanterahany izany. Ny fanahy ao anatiny anefa manolotsaina azy hieritreritra, eny fa na dia kely dia kely fotsiny aza hoe: tsy azo atao ny mamono olona, raha tratra eo dia higadra mandrakizay, tsy ahazo famelan-keloka.

endriny:
Raha izaho ise manontany mpampianatra malagasy fa nianarana tany am-pianarana mihitsy ny fanahy. Mbola betsaka ny fahalalana tokony ho rantovonao ry namana. Apetraho foana ny fanontaniana torak'izao.

. Jaona 20:27 Ary aza mety ho isan’izay tsy mino fa minoa.

Matio 12 : 38-39:

Ary tamin’ izany ny sasany tamin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’ i Jona mpaminany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0698