Protéine

1. Fanhaiky ( 25/02/2015 14:23)
Misy effet secondaire ve ny fihinana protéine, dia aiza no mety ahitana azy. Pharmacie ve sa Grande Surface?
Mankasitraka indrindra
Am-pitiavana be foana
novalian'i sitlo ny 24/03/2015 04:31
2. Fiffi ( 25/02/2015 17:42)
Tandremo fa manimba reins raha manao abus....

mila fanaraha-maso am dokotera....raha hanao régime....
3. Fanhaiky ( 27/02/2015 12:12)

Fiffi:

Tandremo fa manimba reins raha manao abus....

mila fanaraha-maso am dokotera....raha hanao régime....


Misaotra eh! nefa mety misy mahasolo azy ve?
4. booboo ( 02/03/2015 22:02)
Manao muscu beee angaha Fanhaiky sa maninona no mitady raha protéine ? Ny fantatro fotsiny, ankoatra ny lazain'i Fiffi io, dia tsy tsara à long terme raha be loatra ny protéine animale anatintsika. Vao maika moa loza mihatra fa tsy manambana intsony raha manaraka ireny régime hyperprotéiné ireny...
5. hafahafa ( 03/03/2015 05:46)
Miarahaba namana a!
Ny proteine no anisany tena manome hery be indrindra ho any vatana, mila mikotrana tsara fotsiny rehefa mihinana azy, manaraka notice tsara fa tsy tonga d mihinana bobaka satria lasa matavy be fotsiny, ao aminy Avance Center misy azy ary tena tsara ny any zareo na mijereva eny aminy pharmacie.
Le mbola casté no tena tsara fa aza mividy any le aminy vrac ireny.
6. endriny ( 04/03/2015 04:50)

Fanhaiky:


Fiffi:

Tandremo fa manimba reins raha manao abus....

mila fanaraha-maso am dokotera....raha hanao régime....


Misaotra eh! nefa mety misy mahasolo azy ve?


Ireto ny sakafo mahasolo azy: atody, hena, trondro, tsaramaso, soza, ronono, yaourt, izay zavatra misy nofo sy voamaina mety daholo...
7. Strong3 ( 04/03/2015 06:11)
ny hena (omby, akoho, saobakaka ...tsy mihinana hena mena be lohatra sao marary, fa ampifandimbiasina eo ny fotsy sy ny mena) atsatsika (atono na endasina ...) sy ny tsaramaso no tena atao foto-tsakafo eh
ny vary sy ny paty mameno kibo fotsiny tsy dia tokony antenaina be lohatra ...

manaraka izany, raha kely vahana ianao dia aleo tena sakafo natoraly no hanina , satria tsy mitazona mihitsy ny vatan'olona kely vahana na dia atosika amin'ny proteine aza ; mibotsina amin'ny fotoana ihinana fotsiny io. fa rehefa mijanona elaela enao dia mifihina io ka farany lasa drogue

fa raha vaventy vahana dia afaka mihinana tsara ka vao mahazo tavy dia mikotrana tsara mba hampivadika azy ho nofo sy hozatra. fa raha tsy izany dia lasa katavy

fehiny: kotrana no tena mila atao ora raikitra foana, tsy angalarina io fotoana io fa indroa na intelo isankerinandro...
mividiana poids atao ao antrano dia tsy diso io ora io... na couché iray @ poids de 50kg fotsiny aza dia efa ampy hitaizana vatana , na akana ambony na akana ambany.
Mazotoa êh!
8. booboo ( 05/03/2015 08:18)
Raha proteine animale no betsaka ( zay met ho avy @ biby, ronono biby, atody etc ), dia tsara atao mitovy2 @ zay koa ny feculent tokony ampiarahana aminy. Ny sakafo misy proteine animale asidra kokoa, nefa io miteraka aretina bobaka rehefa ela ny ela.
9. Fanhaiky ( 07/03/2015 08:05)
Mankasitraka eh! ie manao foot d ts tiko ny forme-ko fa ts mifandanja ny halavako sy ny lanjako 1m76 nefa 58Kg dia henoko oe ny proteine no haingana
10. sitlo ( 24/03/2015 04:31)
Raha ilay protéine amin'ny boaty atao dokambarotra amin'ny intenet ireny, indrindra fa amin'ny site manoro hevitra amin'ny fikotranana ireny aloha dia ronono no tena ao anatiny.
Ilay ranony matsora amin'ny aorta iny no ritina dia lasa vovoka dia asiana tsirony dia lasa ireny proteine lafo be ireny.
Ny lafy ratsiny dia lasa amin'iny daholo ny cholesterol tamin'ilay ronono.
Rehefa nitaraina tamin'izay ny olona dia mivoaka indray ny proteine amin'ny boaty ambany cholesterol. Ireny indray dia tsaramaso no tena ao anatiny fa asiana tsirony isakarazany fotsiny koa.

Fa ny traikefako dia tsy misy tahaka ny tongotr'omby ihany. Iny sady mora (raha miohatra amin'ny proteine amin'ny boaty), no betsaka gelatine izay ilaina tokoa amin'ny fiarovana ny nofo rehefa mikotrana. Izay ho hitako fa mampatanjaka be ireny mpitarika posiposy ireny na dia tsy mihinana ilay proteine amin'ny boaty aza izy, tsaramaso sy tongotr'omby tena ao tsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4368