You are here: home > Forum

FIFAMPIARAHABANA 2015 NSD (Namana Serasera Dago)

Lohahevitra : Fety sy fihaonana
Fitohizan'ny hafatra : FIFAMPIARAHABANA 2015 NSD (Namana Serasera Dago)
Valiny : 30
Pejy:  1 2 > 
naritsimba - 11/02/2015 06:03
Miarahaba antsika rehetra!

Araka ny resaka efa natao dia hifampiarahaba tratry ny taona 2015 isika eto @ NAMANA SERASERA DAGO.

Toy izao ary ny mombamomba izany:

Daty: sabotsy 28 febroary 2015

Toerana: AROCARIA Ankadikely Ilafy

Saram-pidirana: 2000ar na 10000fmg

Fanombohan'ny fotoana: 10 ora maraina

Firavana: 4 ora sy sasany

Sakafo sy rano fisotro: Samy mitondra ny azy

Izay te hilomano dia manomana 2000ar ambonin'ny fidirana.

Betsaka ny lalao azo atao eny an-toerana.

Hisy ny fifanakalozana fanomezana (Echange de cadeau), ka 2000ar ny sandany, ary fonosina gazety.

Amin'io fotoana io no hifampiresahana ny fandaharam-potoana mandritra ny taona 2015.

Ny fomba ahatongavana eny an-toerana dia mandeha bus 163 dia any @ farany no miala, na mandeha bus H eo @ St Antoine dia miala eo Ankadikely.

Manantena ny fahatongavantsika maro fa efa nezahina ho akaiky sy zakan'ny rehetra ny saran-dalana sy ny saram-pidirana.

Tongava maro eeeeeeeeeee!


Valio | Miverina eny ambony
ravatorano - 11/02/2015 07:40
misaotra amin ny fampilazana ra nartsss an fa dia tongotra amby an dakana izy ity koa dia efa vonona hatrany eh ! manentana ny daholo be izay eto antoerana mba samy ho tonga fa hataotsika mafana io fihaonana io eh !
tongava maro daholo fa tonga ity ilay nandrasana ela be izay satria maro tamitsika no nangataka io fihaonana io ary dia io fa tonga izy eh !
Valio | Miverina eny ambony
hafahafa - 11/02/2015 07:46
Misaotra namana a! Voaray zany fa tonga d any no mihaona e!
Valio | Miverina eny ambony
mpisotrtoaka - 11/02/2015 08:46
Izahay avy aty Bevalala tena lavitra an'zany Ilafy izany ! D in no atao kle !?
Valio | Miverina eny ambony
naritsimba - 11/02/2015 08:51
Ny toerana misy ny AROCARIA Ankadikely dia toy izao:
Raha mandeha Bus ligne H indray dia miala eo Ankadikely, dia somarina miverina kely, dia mivily ankavanana, mandalo ny Commune Ankadikely , dia mahazo ny terminus 163, dia mandroso aloha, mahita Plaque misy soratra hoe AROCARIA dia manaraka an'iny lalana voatondro iny, misy Pavé ny lalana fa avy eo lalan-tany, dia an-tongotra 10mn eo dia tonga.

Mitondra baolina, karatra belote na rami, sy izay kilalao azo lalaovina e!
Valio | Miverina eny ambony
naritsimba - 11/02/2015 08:53
Mpisotrtoaka>>> resaho ravatorano> fa r'izareo manao fotoana eo Anosy e!
ity koa hevitra hafa: tonga dia vidio ilay toaka, dia rehefa tsy tonga dia sotroy eny an-dalana e!
Valio | Miverina eny ambony
sahia - 11/02/2015 12:01
@ firy lay ftn eo Anosy? sao mis num azo ifampiantsoana aloha e? mba ataovy matotra ragah lay fotoana ifanaovana fa sao mitarika fahasorenana lay miandry elab eo a!! nef koa sao dia mandalo ety aminay aty ampittfk lay bus 163 dia mba ts mankeny anosy zaay e???
F lay echng Kdô aloha raha amlay valeur kojakoja dimandjato no afeniko ao, mety ho kobonareo ve oe tsy tam lay dixmil akory, hehehe, voa mafy izay mahazo ilay tsy am valera norme an,
zan tsipiteny daholo fa ALEO MBA HO MATOTRA FIARAHANA e, enga anie mba ho maro no ho tonga, okay e

naritsimba
Mpisotrtoaka>>> resaho ravatorano> fa r'izareo manao fotoana eo Anosy e!
ity koa hevitra hafa: tonga dia vidio ilay toaka, dia rehefa tsy tonga dia sotroy eny an-dalana e!
Valio | Miverina eny ambony
naritsimba - 16/02/2015 08:41
sahia>> marina ny voalazanao fa io dia eritreritry ny tsorairay io e! ny momba ny num dia aleo ho resahana r'izareo dia asaina mametraka num fa ny tenanay tonga dia any fa tsy mandalo Anosy, sady zahay somary lavidavitra ihany fa tsy maintsy tonga e!
Valio | Miverina eny ambony
danielR - 18/02/2015 06:49
ho avy e!
Valio | Miverina eny ambony
Djhamhal - 24/02/2015 10:27
tena tiako be le hevitra(sady aty aminay avara drano) nefa misy AG nay tsy maintsy ho atao @io ary za no mitarika azy ! fa ilazao izay tohiny eto ihany fa manaraka eny ihany ny tenanay ê! dia mankahery sy manentana ny tsi11 izay afaka ho tonga marobe !
Valio | Miverina eny ambony
naritsimba - 26/02/2015 04:16
Salama daholo e!
Sarotra ilay hifankahalala eo Anosy rehefa natao ny fandinihana, fa ny tsara dia tonga dia mamantana any an-toerana.
Efa J-2 r'izareo ity fifampiarahabana ity, ela izay tsy nifankahitana izay an!
Aleo mahita toy izay hitantarana e!
Valio | Miverina eny ambony
hafahafa - 26/02/2015 04:47
Miarahaba antsika rehetra e,
Sosokevitra iany raha tsy mifakafatatra le eo anosy d samy manao zay atongavany eny ankadikely fotsiny d eo aminy lay sapanana mitsofoka iny no mba mifampiandry e!

Valio | Miverina eny ambony
naritsimba - 26/02/2015 06:25
Hevitra mety io an'i hafahafa io, eo @ Terminus Ankadikely akaikin'ny terrain mihitsy no mifampiandry raha mandeha 163, na Ligne H avy eo @ st Antoine Ambodivona.
Rehefa tonga ao @ AROCARIA dia anontanio hoe aiza ny toerana misy ny SERASERA na NSD.
Valio | Miverina eny ambony
vazivazo - 27/02/2015 06:25
ohatran'ny malaza amin'ny haino aman-jery isan-karazany fa toa hoe misy ny fahatapahan'ny lalana any @ iny faritra avaradrano iny, mety hoe ilay eny ILAFY ANKADIKELY koa ve ao anatin'izay??? SAO DIA TARAIKY AMIN'IZANY ANY isika aaaaa
Valio | Miverina eny ambony
naritsimba - 27/02/2015 07:32
Ho antsika rehetra, ilay lalana toy ny diogue alohan'ny hiditra an'i sabotsy namehana no tapaka fa difotry ny rano. tsy tratran'izany aty Ankadikely. noho izany, dia tsy misy fiovana akory ny fotoana rahampitso. J-1
Valio | Miverina eny ambony
naritsimba - 27/02/2015 08:26
Tsy misy fiovana ny fotoana rahampitso fa ny fahatongavantsika sisa no andrasana, aza adino ilay fifanakalozana fanomezana(échange de cadeaux), 2000ar ary fonosina gazety. ho antsika izay mitondra fiara dia misy parking any an-toerana. Raha ny lalana mankany dia aleo tsy mandalo marais Masay, fa na Ivandry dia analamahitsy, na Ampasapito dia Ambatobe. Mirary soa ho antsika rehetra, ary mampahery ireo namana izay niharam-pahavoazana.
Valio | Miverina eny ambony
hafahafa - 02/03/2015 04:44
Miarahaba antsika rehetra indray, Misotra ny mpikarakara ny fampiarabana fa tontoso soamantsara ny taminy Sabotsy.
Mafinaritra be e, ary nahafapo tanteraka. Mirary soa ho antsika rehetra ndray e!
Valio | Miverina eny ambony
fiderana - 02/03/2015 08:24

hafahafa
Miarahaba antsika rehetra indray, Misotra ny mpikarakara ny fampiarabana fa tontoso soamantsara ny taminy Sabotsy.
Mafinaritra be e, ary nahafapo tanteraka. Mirary soa ho antsika rehetra ndray e!



Dia misaotra ny namana rehetra tonga tany fa dia t@ iny ny tenanay vao mba nandeh kay ka mahafinaritra hoatran'ireny ny hetsika hataon'ny serasera a!, merci e!
Valio | Miverina eny ambony
fiderana - 02/03/2015 08:34
http://forum.serasera.org/media/images/m/9f143745141bf1daf6e351e5555c85ed.JPG
Valio | Miverina eny ambony
fiderana - 02/03/2015 10:21

fiderana
http://forum.serasera.org/media/images/m/9f143745141bf1daf6e351e5555c85ed.JPG
mba alefaso ilay sary fa toa hotran'ny nisy naka sary tamin'i asabotsy iny e!
Valio | Miverina eny ambony
Pejy:  1 2 >