AVY AIZA NY ATOME ???

21. endriny ( 12/02/2015 15:36)
Fa hiverina kely aho: "Avy aiza ny Atoma?"

Dia efa novaliako tery ambony be tery moa fa mety tsy hitany angamba: "Koarika, Baozaonina, sy ny singan'i Higgs"

DIa raha anontany izy hoe: "Avy aiza ireo?" dia hoy aho hoe mbola eo am-pikarohana isika izao, fa aleo aloha ny sakafo anio no karohina... raha tsy hoe omen'Atra kaly be angaha aho androany rehefa avy manao ilay vavaka nampianarin'ny tompo....
22. rhaj0 ( 12/02/2015 17:42)
Fa safidy io.. izay tia (kiboribory) vetaveta dia "mino" io ambony io miafara @ hoe

;-) Iza no nanamboatra an'Atra ?
:-) ny sain'olombelona, ao @ imagination-ny ao
;-) Iza no nanamboatra ny (sain') olombelona ?
:-) i Atra
;-) Iza no nanamboatra an'Atra ?
i Atra no namorona an'i Atra


Fa raha izaho aloha dia hoe
;-) Iza no nanamboatra an'Atra ?
:-) ny sain'olombelona, ao @ imagination-ny ao
;-) Iza no nanamboatra ny (sain') olombelona ?
h@ izao aloha mbola tsy takatra, fa ny efa hita araka ny fikarohana (na facts na theory) dia noterahan'i d&n, dia ddb&nnb, dia ... nisy evolution lavabe rahefa ahemotra ny fotoana, dia efa midina hatrany @ big-bang.. nefa ny talohan'ny big-bang koa dia mbola tsy takatra. Fa dia ho hita eo rahampitso... Fa raha izay fahalalana efa ananan'ny olb izao k'lou, dia tena efa tsy iadian-kevitra intsony fa valin-teny ho an'ny zaza ny .. tatape noely
23. Strong3 ( 13/02/2015 07:00)
hi! hi! hi!

Hitako ny olona no tsi tia ilay fiangonana manerana izao tontolo izao. tena nodotoany tanteraka sain'ny maro. ka toa manaiky ankehitriny fa politika maloto no nampisiana ny fivavahana amin'Atra.

Nanana atra ny firenena samy hafa fahiny, anisan'izany ny israely; Ary ny Andriamaniny irery no NAMETRAKA LALANA SY DIDY ARY MANAFAY IZAY TSY MANOHA IZANY

Noheverin'ny maro ankehitriny fa angano sy lainga nanotofana ny fanagejana tiana atao amin'ny mpiara-monina izany na firenenana maro koa.

Raha tsy misy na noforonina aza Atra hoy ianareo. dia hoy aho valio amin'ny fomba mazava (na dia tsy takatrin'ny sainareo aza) ny fiforonan'ny firidran'ny taovanareo ka mahatonga anareo ho velona.
Tsy nisy nahary izany hoe fa nisy hoazy

Ary raha atao hoe tsy misy Atra, Firy taona nifandimbindimby izay no nisian'ny olombelona?
Ary nahoana no teno amin'ny planeta tany ihany no misy toa azy?

sa noho ny fahakelezan'ny sainareo dia hamaly hoe: MBOLA HOKAROHINA IZANY FA NY VILIA hisy vary ho hanina izao no mahamaika? __ nga tsy efa eo ny anteronetou hanampy anareo :p pfffff
ianareo ihany no manidy ny sainareo tsy ahatakatra izany rehetra izany angamba hihihihi
24. rhaj0 ( 13/02/2015 13:19)
Strong3:
ny Andriamaniny (Israely) irery no NAMETRAKA LALANA SY DIDY ARY MANAFAY IZAY TSY MANOHA IZANY

Ha... ka dia mahasoava ao azany manaraka ny "Andriamanitr'Israely" e... trandremo fa be be ihany ny didy ao ka dia ho faiziNY ao ianao izany.. hoe mandainga dia manota?.. ny manafina ny marina (tsy miteny fa mandevi-tsalaka) koa anie mandainga e..

(fa resin'ny imagination-nao nefa aloha izay famaizaNY any e... na dia ao @ imagination-n'ny hafa azany ianao hita mijafajafa atsy)
25. endriny ( 13/02/2015 13:21)

Strong3:

Nanana atra ny firenena samy hafa fahiny, anisan'izany ny israely; Ary ny Andriamaniny irery no NAMETRAKA LALANA SY DIDY ARY MANAFAY IZAY TSY MANOHA IZANY


Dia hoy aho aminao hoe: "Ny Atry ny Malagasy nametraka ny fady sy ny fandrara" Tsy didy ve izany aminao?

Fa izao ilay atao hoe fanandevozana ara-kolotsaina... ka dia anisan'ny tratrany aloha isika. Saingy ny saina moa rehefa raiki-tapisaka amin'ny fivavaham-bazaha dia sarotra ny miala fa dia iareto ao hoy ilay nangetotra tao anaty lamba...
26. Strong3 ( 16/02/2015 07:45)
hihihih asa raha azonareo fa samy manana ny atra ny firenena rehetra...
fa Atra iza no mba malaza sy nanao fahagagana??

ao amin'ny imagination-nareo ao de mandaitra ilay hoe : razam-baza izany

fa ny razanareo mba mitahy sa namorona loham-panjahitra ve???

ataovy matotra hoa ; fa avy eo lazaina fa iza no mifamatra :p
27. rhaj0 ( 16/02/2015 14:54)
Io k'lou dia mba mampivanaka ahy @ Kristiana gasy... Rapide be zareo mi-s'identifier @ ilay vazaha-la-mofo ao..

ahoana azany rahefa mandeha ny tantara, dia tsy mba mahatsiaro toa ilay Ejiptiana ianao, fa mi-s'identifier ho toy ilay Israelita ? nefa ejiptiana izay afrikana toa anao..

Ahoana no mi-s'identifier @ ilay kaofiboy fa tsy @ indianina ? nefa amerindiana, izay mitovitovy system-finoana aminao..

Ahoana no tsy mi-s'identifier @ andevo ao zamerika, fa @ fotsy hoditra tompon'ny saham-bobo ? nefa ilay andevo mety misy isan'ny razanao...

izao ianao kiingabe manaiky ny nampianarin'ny evajelisitra anao, nefa ny razanao mbola manana rA ao aminao tsy asianao sira ny soatoaviny...


Ahoana daholo re izany ry Mister Humphrey Bogart a ??

28. Strong3 ( 17/02/2015 09:10)
aaa tsy mister Humphrey io ka mdr...

Izay ilay mampinompino foana anareo; totoran'olona lainga fotsiny.
nga moa vaza mena sofina Atra ?
nindrana vatana tamin'ny israelita fotsiny Izy fa tsy israelita... na dia nisy rà avy tamin'i Maria aza
hoy Izy: "ra vehivavy, moa mifaninona izaho sy ianao???" ... ary koa hoy Izy: ra vehivavy io ny zanakao...

« Fa hoy Izy taminy; Hianareo avy aty ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao; » (Jaona 8:23)

TSAPAO ALOHA HOA NY HERINY VAO MANOHITRA be fahatany
« Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny, » (Jaona 5:37)
« ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo. » (Jaona 5:38)
« Dinihinareo* ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. [*Na: Diniho] » (Jaona 5:39)
« Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana. » (Jaona 5:40)

ny ràko dia ran'ny raiko ary ny ran'ny raiko dia ràn'izay rainy ... ary ny ràn'ny razambéko dia tsy avy eto madagasikara fa mpifindra-monina ny razan'ny malagasy ka tsy haiko na indonézianina na jiosy na gôloua na japôné na inona na inona izy ireo fa de tany ho any no nifangarongaro (hybridy bedebe sns...) tsy rasy pira za zany hatreto ... laol :-)
fa ny Fanahiko kosa dia fantako fa mitovy endrika amin'izay nahary azy; ka tsy dia HITAKO LOHATRA NY OLANA RAHA IZAY NO HANARAHAKO NY BAIBOLY
_ tsy an'i vazaha menasofina io fa an'ilay nahary ahy
29. rhaj0 ( 17/02/2015 16:56)
ok ok azany e... dia manaraka ny (tantara ao @) Baiboly ianao izany, dia tsy misy fitserana an'ireo rotidrotehan'ny Atr'i Israely, dia ireo Ejiptiana ohatra e... Aiza ve nama koa mety i Rafaraona no nanao ny nataony nefa ny zaza aman'antitra koa no ripadripahana... dia alleluiha koa hoz'i Strong3 @ izany.. dia tena "voninahitra ve ho Azy" manao an'izany ????
30. Strong3 ( 18/02/2015 10:29)
ohatra hono eh!

raha manana tanimboly isé; ka vita kalitao tsara izany... nisy kakana nihinana ny fakam-bonikazo, nisy fanday nihinana ny raviny ary nisy kôlibria sy androngo mihinana felana ny felan'ireo vonikazo ... inona no ataonao voalohany?

ireo taranaka maditra dia efa nanarina ... sainga mba lasa saina ihany tokoa angamba ianao hoe raha mamaky baiboly mahita ity teny ity:
_ « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. » (Matio 11:23)

Nefa aoka ho fantatr'isé fa nanarin'ireo anjely ny mponina tao sodoma sy gomora vao "naripaka" izy ireo..

tsy nisy firenena naripadripaka fahatany teo raha tsy nisy fananarana aloha ... fa izao koa no aoka ho fantatr'isé ... efa novain'Atra isany fomba fiasany izany ; izay no nanomezany an'i Jesosy Kristy, __ izay ahafahan'ny olona hibebaka ka hanao ny tsra eo imason'Atra, fa tsy avy hatrany dia haripaka izay manota fa misy famindrapo dia andro hifonana sy hiala amin'ny ratsy . Ka aorian'io fem-potoana io vao hisy fandripahana lehibe mahatsiravina eto ambonin'ny tany . KA IREO IZAY TENA MIAKANY SY MANDA NY TSY HANKATO an'Atra DIA HO FAIZINA MANDRAKIZAY ...

Enga anie ka ho isan'ny mino ireo tsy mpino :-)
31. rhaj0 ( 18/02/2015 11:38)
Koa na "nanarina i Angele" na koa "nampitandrina i Atra", raha "aripaka" ny valiny farany, dia ... kOpy aho e...

Maninona koa moa no tsy "aripakao" izay tsy mety "anarinao" na "ampitandremanao" e... ohatra hoe, aripaho virtuelleman eto zaho....

Maninona no tsy ampiharinao io fomban'ny A.tr'Israely io ? tena "fombaNY" io fa tsy vao io fotsiny Izy no "mandripaka"
32. Strong3 ( 19/02/2015 11:22)
hihihi ...
za ndray ry rhaj0 dia nanana izao saina izao, rehefa lasa iny ny saiko mandinika lalina dia lalina ny fiainana sy ny tontolo tsy hita maso any ankoatran'ny tsapan'ny retsika dimy.

1/_ tokony vao nivadika i satana (na ilay ataonareo hoe losifera) dia nofoanana avy hatrany ny fisiany
2/ _ inona no intéret-an'Atra nametraka ny olombelona tao amin'ny tany misy an'io satana mpamadika ny mpanimba ny voahariny io?
3/ maninona mora raha foanana tsy misy any avy hatrany ireo mpamadika (satana sy ny anjely ary ny olona nanaraka azy) , fa tsy asiana famaizana (indrindra hoe mandrakizay)?


mbola ampahany ireo ...

__ fa ho valin'ny fanotanin'isé de tsotra ihany , efa nisy fanekena tao ka tsy afaka manao izany aminao intsony Izy, raha tsy tonga ny fotoana. :-)
33. rhaj0 ( 19/02/2015 11:33)
wow... tena efa lasa mahay sy fesse-fesse noho i A.tra anie i Strong3 izany e... Hoe hoz'i Strong3 hoe: "tokony vao nivadika i satana (..) dia nofoanana avy hatrany ny fisiany"...

Ilazao azany Izy .. ao@ imagination-nao ao ... Tena asaivo manao an'izay ao Izy ao @ imagination-nao ao dia mba mikalamina ny tany fa tssss...
34. Strong3 ( 20/02/2015 11:38)

rhaj0:

wow... tena efa lasa mahay sy fesse-fesse noho i A.tra anie i Strong3 izany e... Hoe hoz'i Strong3 hoe: "tokony vao nivadika i satana (..) dia nofoanana avy hatrany ny fisiany"...

Ilazao azany Izy .. ao@ imagination-nao ao ... Tena asaivo manao an'izay ao Izy ao @ imagination-nao ao dia mba mikalamina ny tany fa tssss...


hihih hitako mihitsy fa mety aminareo tsy mpino io saina nananako fahiny io... laol

ngamba efa nazavaiko ombieny ombieny ry rhaj0 , fa tsy imagination ny filaza ny zavatra fantatra , efa tonga fahalalana misy porofo izy rehefa voamarina ny zavatra ambarany.
fa izany hoe: efa tonga natioranao moa ilay nino fa imagination-an'ny mpino ny fisian'Atra fa tsy misy akory izany. Ka dia toa rôbôt tsy azo resahina ianao fa vao misy teny mifanandrify amin'io d'efa mandeha hoazy ilay hoe: "IMAGINATION-NAO IO" .... laol
andeha atao hoe resaka HS ... iny rhaj0 ; mba tsy hampisy elanelana be amin'ny fifanakalozana ataontsika eto sady hitako misy zefa-danja ilay resaka aminareo tsy de hoe hevitra botolo fotsiny. :-) toa ny ataon'ny sasany :p
35. rhaj0 ( 20/02/2015 14:26)
Ka hotry ny tsy takatrao ilay plot @ ilay tantara kouh..

Rahefa manoratra tantara ireny ny olona, dia ao ny "role" be.. dia avy eo asiana "side kick".. ilehio ilay asaina manao zavatra mba hampafavy ilay role. Ohatra hoe i Donkey Shot sy i Sanchopa Za.. na hoe Serilaoka Haolomesa sy Dokotera Ouatikalisaonina

ka dia ireo nanoratra ny Baiboly izany ka dia namoronany "side kick" tao koa e.. dia nefa dia toa io "satana" io foana no dakanao re ry Strong3 ... izy nefa mba mampalelo..
36. Strong3 ( 23/02/2015 11:12)
nareo amerikana no manao anio side kick io kou ... de fantatra avy hatrany ny fiafaran'ny tantara raha vao hoe hollywood no mamoaka azy
de izao lazaina fa ny Baiboly indray no maka tahaka , nefa fahagola taiza no mba nisy holywood?
sa iza no mpanoratra hitanao nahavita boky talohan'i Baiboly? Nisy raikitrin'ny ela ihany tao Mésopotamia fa tao tsy nisy tantara kou (raha tantara tokoa ny Baiboly hoy ianao...)

mampalahelo tokoa i satana « Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina* mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, [* Na: (nafatony tamin'ny gadra fahamaizinana)] » (2 Petera 2:4)
... toa miaina malalaka ihany zanaky ny tany mandroso , tsy kapohina sy narina be intsony fa tany misy mpiaro ny zon'olombelona rehetra , ka na ny zaza aza dia arovana mba tsy ho voakapoka sy ho faizina. hendry hoazy angamba ireny ka...?
fa i satana sendra izay Dada mpanao didy kofehy lehibe ,ka tsy mijery izany zo mahaolona izany (raha olona moa izany... :p) ; moa tamin'izany koa angamba tsy nisy mpitsara fanjakana . fa ny mpanjaka no ambony indrindra mpitsara. (iza re no mpanjaka toa izany tany aloha tany eh)

Le royaume de Babylone s'est épanoui en Mésopotamie du sud du début du IIe millénaire avant J.-C. jusqu'en 539 av. J.-C
ohatran'ny tsy mahita afa-tsy io izao tontolo izao angamba, nefa dia io koa no notondroin'ny Baiboly. nefa io dia taty aoriana be nanoratana ny Baiboly

Sao mba misy tsy mino ny fikarohana arkiology izay anisan'ny voka-tsiansa ihany ireny kou...
37. endriny ( 24/02/2015 05:31)

Strong3:

hihihi ...
za ndray ry rhaj0 dia nanana izao saina izao, rehefa lasa iny ny saiko mandinika lalina dia lalina ny fiainana sy ny tontolo tsy hita maso any ankoatran'ny tsapan'ny retsika dimy.

1/_ tokony vao nivadika i satana (na ilay ataonareo hoe losifera) dia nofoanana avy hatrany ny fisiany
2/ _ inona no intéret-an'Atra nametraka ny olombelona tao amin'ny tany misy an'io satana mpamadika ny mpanimba ny voahariny io?
3/ maninona mora raha foanana tsy misy any avy hatrany ireo mpamadika (satana sy ny anjely ary ny olona nanaraka azy) , fa tsy asiana famaizana (indrindra hoe mandrakizay)?


mbola ampahany ireo ...

__ fa ho valin'ny fanotanin'isé de tsotra ihany , efa nisy fanekena tao ka tsy afaka manao izany aminao intsony Izy, raha tsy tonga ny fotoana. :-)


Mba somary hazaviko kely anao e... Ao anaty baiboly taloha, na ilay testamenta taloha izy misy ilay atao hoe famoronana izao tontolo izao inoantsika fatratra dia tsy misy izany demony izany. I Losifera dia kintana fitarikandro fa tsy Demonia izany... Mba vakio ny baibolinao... Fa i Paoly no namorona ny Helo sy ny Demonia fa tsy Atr'i Abrahama na Isaak na ny an'Israely akory...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3401