You are here: home > Forum

mofomamy tsotra kely

Lohahevitra : Sakafo
Fitohizan'ny hafatra : mofomamy tsotra kely
Valiny : 6
sipagasy - 06/02/2015 19:13
atody 8
siramamy 8 sotro
lafarinina 8 sotro

ampiarahana ny atody sy ny siramamy dia kapohana handroatra tsara mihintsy, lasa rena mitombo be izy io, azo atao au bain marie kely aza raha manam-potoana, fa raha tsy manam-potoana dia kapohana @ batteuse raha manana, dia avela handroatra tsara, rehefa mitombo 3 na 4 heny ny hadiriny, dia ajanona ny fikapohana azy ary arotsaka tsimoramora ary tsikelikely ny lafarinina, ny fanaoko dia arotsaka tsirairay @ sotro moa izany ny lafarinina, dia afangaro faran'izay mora indrindra @ sotro hazo, tena kenakenaina mihintsy izany e! mba tsy ho vaky ilay rotrany nivovona be teo iny,
rehefa izay dia arotsaka anaty lasitra efa nosorana menaka tsotra fotsiny dia ampidirina anaty lafôro thermostat 5 dia ajanona ao 20 minitra dia vita.......
Valio | Miverina eny ambony
Fiffi - 07/02/2015 11:08
merci sipagasy....

un gateau tout moelleux....tout simplement.. miammm

http://forum.serasera.org/media/images/m/af518f220a53d92b8303d1272c4ba0dd.jpg
Valio | Miverina eny ambony
Fiffi - 07/02/2015 11:09
http://forum.serasera.org/media/images/m/f64fdb5a557b6e4e4007bcb3f0643f90.jpg
Valio | Miverina eny ambony
Fiffi - 07/02/2015 11:10
http://forum.serasera.org/media/images/m/0568d76330c53bad1c49b52d05b4e684.jpg
Valio | Miverina eny ambony
sipagasy - 07/02/2015 16:28

Fiffi
http://forum.serasera.org/media/images/m/0568d76330c53bad1c49b52d05b4e684.jpg




ny fanaoko aza asiako ',nappage' ilay izy dia ny ampiasaiko dia tapotsin'atody 1 dia sucre glace eo à +/-200g eo ho eo afangaro à sotrobe hazo fa tsy vy ann, dia rehefa mifangaro tsara dia asiana ranona voasary makirana ka ny antsasany ihany na izay tsiro tianao na koa loko tianao no ampiasao, dia io no araraka eo ambonin'ilay mofomamy dia tsara ery, fa rehefa manao io aho dia somary ahenako kely ny fatran'ny siramamy,

tena matsiro ery izy izany ry Fiffi annn,
Valio | Miverina eny ambony
hery - 07/02/2015 22:55
Mba handramako koa io
Valio | Miverina eny ambony
Fiffi - 08/02/2015 09:37
sipagasy: hummmm....tsara sy matsiro be

fa tapahana 2 lé izy...hasiana chantilly ao anatiny ...ensuite napéna chantilly...miammm

http://forum.serasera.org/media/images/m/452e415c1d428c82c64549de3032ac29.JPG

am zay tsy mamy be am lé napazy sucre glace+citron

omeo jerena we ny nataon'i Hery ? hihihihi
Valio | Miverina eny ambony