Ny fomba fitaizana ny ankizy araky ny hevitry ny Papa François

1. gasy1zay ( 06/02/2015 15:21)
Mbola manaiky ny fikapohana ny ankizy hono ny Papa amin'ny resaka fitaizana raha ny voalazany :
http://www.moov.mg/actualite.php?articleId=837579
novalian'i 5laody ny 10/02/2015 17:38
2. endriny ( 06/02/2015 16:29)
Nisy ankizy iray andeha hianika raotra niaraka tamin'ny namany, dia tratran'ny Dadany teo am-pihanihana ary voavely fehikibo namboka teo ambody raotra ka hatreny an-tokonana. Onena daholo ny iray Tanana izay nahita ilay fikapohana fa dia efa tsy rariny intsony ny nahazo ilay zaza. Dia nisy mpanakarena. efa mba hoe manaraka ny fomba tsy mikapoka naheno ary dia notoriana tao amin'ny fokotany sy teny amin'ny zandary ilay rain-jaza ary dia nampitahorin'ny zandary hogadraina raha tsy nandoa vola. Ka namidy mihintsy ny tanim-bary sasany nanavotana azy.

Ireo tsy bedy aza dia mbola lasa ihany nianika raotra. NIanjera ary ny ankizy iray ary tapaka ny tongony, vaky ny lohany. Nolanjain'ny namany nody izy. Dia tonga nandondona teo amin'ilay mpanakarena ny olona mba hitondra ity zaza marary ho eny amin'ny hopitaly. Dia nitondra ilay olona. Sitrana ilay zaza saingy tsy niverina tamin'ny teo aloha intsony, tapitra namisy ny ombin-tsarety ary novidian'ilay mpanakarena ihany. Tsy ho lazaiko eto hoe ohatrinona akory..

Saingy izao: Diso ilay rangahy nikapoka tafahoatra ny zanany. Kanefa raha tsy nikapoka izy, mety ninjera avy eny ambony raotra ihany koa ny zanany.

Tsy diso ny mikapoka, saingy ny Malagasy rehefa mikapoka dia manao kapok'alikan'ny tsy miala vola, sady matetika eny imasom-bahoaka. Hoho tsy voatapaka ho an'ny mpianatra iray dia kapoka in-dimy isaky Tanana iray amin'ny regle vy no omen'ny mpampianatra (sekolim-pinoana no niarana tamin'io)

Misy fetrany ny zavatra rehetra, eny fa na ny finoana aza. Indrindra moa fa mino zavatra tsy voaporofo hoe misy... ihihiihiih
3. rhaj0 ( 06/02/2015 17:35)
.. Misy kapoka, misy ny "violence" izany dans la dignite, ary misy "violence" fa humiliante... ny dia ny samy vokany aza dia "ratra" ary nety ho "fahafatesana" akoriny aza.

Io izao hotry ny ilay fanamelohana ho faty. Rahefa tsindromina poizina na electrifier-na dia "dans la dignite", fa rahefa ahantona, na koa, semporina an-drano dia ahoana ?

Tena danger public ilay Papa ity raha mbola lzany ny fisainany na ny fampianarana arosony... Izany no alehany rahefa afatotra amina resaka taloha ny saina...
4. gasy1zay ( 06/02/2015 18:16)

rhaj0:

.. Misy kapoka, misy ny "violence" izany dans la dignite, ary misy "violence" fa humiliante... ny dia ny samy vokany aza dia "ratra" ary nety ho "fahafatesana" akoriny aza.

Io izao hotry ny ilay fanamelohana ho faty. Rahefa tsindromina poizina na electrifier-na dia "dans la dignite", fa rahefa ahantona, na koa, semporina an-drano dia ahoana ?

Tena danger public ilay Papa ity raha mbola lzany ny fisainany na ny fampianarana arosony... Izany no alehany rahefa afatotra amina resaka taloha ny saina...


Ianao ve ry rhaj0 amin'ny saina tsy miangatra tsy mahita hoe ny ankizy/tanora taloha no tsara taiza noho ny ankizy @ izao? Koa nahoana no lazainao fa tsy mety ny fitaizana fahiny? Jereo fotsiny ny zava-mitranga @ fiaraha-monina amin'izao : vono olona, halatra, fijangajangana, tanora mivaro-tena, zaza tsy ampy taona misotro taoka, mifoka rongony sns sns... ka tsy ho bedesina ve izy ireny fa avela hanao ny ataony? Inona ny ho ataonao raha manao izany ny zanakao?
5. rhaj0 ( 06/02/2015 20:45)
Satria nokaravasiana sahala @ omby dia hendry ? ianao angambany izany...

Ny mpanadihady aty azany indrindra no mahita fa ny zaza notaizana tanaty fianakviana violent no lasa violent... inona hoz'ianao no modeliny, inona no reference-ny ?

... ntsss ... rezoliosio par a la forsa ... hozy i Lesarla izay t@ 2009.
6. endriny ( 07/02/2015 06:11)

gasy1zay:

Ianao ve ry rhaj0 amin'ny saina tsy miangatra tsy mahita hoe ny ankizy/tanora taloha no tsara taiza noho ny ankizy @ izao?

Dadanay sy Neninay koa niteny izany, Ary Bebeanay sy Dadabeanay niteny izany tamin'ny Dadanay sy ny Neninay...

dia ny zanako koa izao hiteny izany amin'ny zanany
7. RBNIR ( 09/02/2015 08:51)
Inona moa no mahadiso an'azy amin'izany?
« Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely. » (Oha.13:24)
Izahay izao "nahazo" mihitsy fahiny, ary tena isaoranay i neninay fa raha tsy izay angamba mety ho.......

8. booboo ( 09/02/2015 11:43)
Inona no lesona ampitaina @ ilay ankizy rehefa mikapoka ho'aho e ? Zaho in-2 ihany no nikapoka ny zanako hatr@ zay satria zay no fanaon'i dada sy mamanay dia mba natao koa, fa tsy hitako mihitsy hoe inona no voka-tsoa azon'izy mirahavavy t@ ilay izy, ilay vavimatoa indray aza niteny anà hoe " neny, ny tanana hoy ianao natao hanafosafo sy hanaovana câlins ". Izany tsy midika hoe tsy mibedy sy tsy manasazy aho na mametraka limites, fa ilay mikasi-tanana mba hamparary no bof, tsy ho azoko mihitsy inona no positifs ho azoko ...mety hoe mi-soulager ahy fa ho an'ilay zanako ? tsy hitako kah.
9. RBNIR ( 09/02/2015 11:57)
Tombotsoan'ilay ankizy : mba tsy hamerenan'ilay zavatra diso nataony sy mba hahafantarany fa diso ary misy fetrany ny azony atao...
10. rhaj0 ( 09/02/2015 12:00)
Marina mihintsy ny lazain'i Booboo... ilay mpikapoka no mahazo aina @ izay frustration-ny ao, fa ilay kapohina aloha dia... io ange eo ampikapohana eo ihany izy no mety hilaza hoe, oui mon Adjudant, f'aza mihodina eo ange ny baolina e... avy eo i Adjudant RBNIR vao gaga raha lasa ny ankizy, dia mbola ilay ankizy indray anefa no ameny tsiny fa hoe tsy mahay baiboly...
11. RBNIR ( 09/02/2015 12:03)
Fa misy ambaratonga ilay izy, miainga amin'ny fananarana am-bava sy ny punition madinidinika, ny kapoka dia ho an'ny cas extreme sady repetitive...
12. gasy1zay ( 09/02/2015 14:39)
Ka io anie ny any @ fitaizana occidental raha mibetroka ankizy hono dia efa hoe harcelement moral e! Dia raha mikapoka ny R+R dia afaka mitory ny zaza. Ny ahy aloha mety hoe masiaka sy mibedy tsy maintsy ho atao fa ilay hoe sazy no arakarak'ilay tsy nety natao ohatrany voalazan'i RBNIR io.

Ny fanontaniako an'i rhaj0 sy booboo inona no ho ataonao(reo) raha ohatra hoe misotro taoka ny zanakareo na mifoka rongony ohatra nefa tsy mbola feno taona akory fa notaritin'ny namany?
13. booboo ( 09/02/2015 15:54)
Ohatra ny ahoana izany fitaizana occidental ? ny ahy aloha taiza gasy be ny zanako e : notrotroiko sy nobabeko lava, vao mitomany dia efa rotsirotsiana, niara-natory taminay, manao raha² sy mampirin-trano, tsy be kilalao fa mamorona izay hita eny anivon'ny natiora sy izay misy eo, etc.

Ny @ fanontanian'i Gasy1zay, efa fantatry ry zareo fa raha misotro toaka zareo na mifoka rongony na sigara fotsiny aza, dia tsy maintsy taperiny eo imasoko sy ny dadany ary ny olon-dehibe isan'ny akaiky azy ireo ny tavoahangy appéro toaka rehetra ato an-trano, paquets 5 @ sigara, ary hateriko sy ny dadany any @ polisy raha mifoka rongony satria voararan'ny lalàna izany. Dieny izao mbola kely izao zareo dia taizanay @ mahay mi-s'affirmer fa tsy manaraka ambokony ny namana, efa niainan-dreo manko ilay voasazy mafy fa nanao double fautes : efa nahalala fa tsy azo atao + mbola mamerina ilay gros mots...vao maika voasazy kokoa raha mbola mahita excuses hoe " c'est pas moi, c'est ma copine qui... " ^_^. Raha ho kapohiko zareo, mino mihitsy aho fa noho ny tahotra ahy no tsy hamerenana ilay izy fa tsy noho ny fahatsapana ilay tsy mety natao...
14. rhaj0 ( 09/02/2015 17:35)
gasy1zay:
Ny fanontaniako an'i rhaj0 sy booboo inona no ho ataonao(reo) raha ohatra hoe misotro taoka ny zanakareo na mifoka rongony ohatra nefa tsy mbola feno taona akory fa notaritin'ny namany?

Miombo-kevitra @ Booboo: "mifoka rongony ... voararan'ny lalàna"
Efa lehibe izany izy io mifoka rongony io (na mety hoe ado), ary efa ampianarina azy foana (efa valeur raiki-tapisaka io) fa ny lalàna dia arahina, tsy ahalalana havana, ary ianao dia mitondra ny vokatry ny ataonao (responsabiliser-na)... ("tsisy pensee magique eo")

fa ny "amour inconditionnelle"-ko kosany, dia hanohana azy sy hanampy azy @ izay dia (cheminement) alehany ao. Raha migadra izy dia izay izany, fa tohizana tohanana. Raha mila mandeha detox, dia izay izany, fa tohizana accompagner-na.

fa ny prevention no atao misimisy.. efa asa mitohy efa hatr@ mbola kely ny fizarana info sy valeur ets...
15. gasy1zay ( 09/02/2015 17:46)
azoko tsara ilay fomba fitaizanareo fa ny tiako ho fantatra hoe inona ilay sazy mafy lazain'i booboo ohatra, dia ny inona ny an'i rhaj0 ilay sazy rehefa tsy manara-dalàna raha mbola kely, rehefa ado sns sns ...ankoatry ny kapoka :)
16. rhaj0 ( 09/02/2015 18:06)
Raha izaho manokana dia mety chanceux angamba aho sy ny zanako. Izy dia tsisy an'izany bedy izany mihintsy (raha ny fitadidiko) efa h@ mbola kely. Rahefa manao erreurs na degats ohatra dia tonga dia miara-manarina zahay (fa tsisy mibedy izany). Hainy aoriana fa ilay manarina sy miarina, no important ary tonga dia manao izany tsy hanontaniana intsony izy.

rahefa misy zavatra (tiany) atao, dia miresaka, miara-mamahabaha sy mi-prevoir izay ho fandehany eo. Azony tsara fa responsabilite-ny sy fiainany no resahina, fa tsy ny fiainako na ny an'ny namany ohatra, ary azony koa fa azy ny vokany..
17. booboo ( 09/02/2015 20:15)
Ny sazy mafy farany nahazo azy roa teo izao, niverina nanadio rindrina vao avy nolokoiko dia feno feutres sahady. Tezitra be tena tezitra aho, nolazaiko azy roa ny antony. Dia ny anay koa ny principes mi-réparer ny bêtises vita no fatao. Zareo ihany no nanadio azy tao. Nony vita ilay izy dia ry zareo ihany no niresaka tamiko hoe azony @ zay naninona aho no tena tezitra sy indrindra hoe tokony hajaina sy tokony ho reconnaissant foana ny @ effort / asa vitan'ny hafa ho an'ny rehetra. Lesona 3 ndray mipalaka tafita tanatin'izay nefa tsy nahare marary ny vatany, no nitondra raha positifs ho azy ireo aza.
Mbola kely latsaky ny 6 taona izy roa kah, fa ho ohatra² izay koa rehefa ados, manao² foana = izy no mi-assumer araka ny tokony ho izy ny vokany ary manao izay hi-réparer-na ilay izy. Tsy izay ve ilay zaro @ lalana tokony ho izy ny zaza fa rehefa lehibe aza izy dia tsy tadidiko loatra ilay tohiny tena izy ^_^.

Fa ny an'i Gasy1zay manakory ?
18. gasy1zay ( 10/02/2015 14:52)

booboo:

Ny sazy mafy farany nahazo azy roa teo izao, niverina nanadio rindrina vao avy nolokoiko dia feno feutres sahady. Tezitra be tena tezitra aho, nolazaiko azy roa ny antony. Dia ny anay koa ny principes mi-réparer ny bêtises vita no fatao. Zareo ihany no nanadio azy tao. Nony vita ilay izy dia ry zareo ihany no niresaka tamiko hoe azony @ zay naninona aho no tena tezitra sy indrindra hoe tokony hajaina sy tokony ho reconnaissant foana ny @ effort / asa vitan'ny hafa ho an'ny rehetra. Lesona 3 ndray mipalaka tafita tanatin'izay nefa tsy nahare marary ny vatany, no nitondra raha positifs ho azy ireo aza.
Mbola kely latsaky ny 6 taona izy roa kah, fa ho ohatra² izay koa rehefa ados, manao² foana = izy no mi-assumer araka ny tokony ho izy ny vokany ary manao izay hi-réparer-na ilay izy. Tsy izay ve ilay zaro @ lalana tokony ho izy ny zaza fa rehefa lehibe aza izy dia tsy tadidiko loatra ilay tohiny tena izy ^_^.

Fa ny an'i Gasy1zay manakory ?


Tsy dia mifanalavitra amin'ny anareo raha ny fijeriko azy , mety mitovitovy taona ny zanantsika ka tsy ao @ ilay manao ditra na "betise" misy vokadratsiny lehibe , fa ny mahasamihafa azy ngamba ny anay dia misy tsy fanarahan-dalana ahazoana kapoka ohatra hoe rehefa tezitra ny ankizy ka mikapoka dia mahazo koa izy mba ho fantany hoe tsy tokony atao ny hafa izay tsy tiana ho atao amin'ny tena. Ny kapoka anefa misy fitenenana aloha fa rehefa tsy mihaino sy mbola mamerina izy vao voakapoka (tsy lol ilay izy fa izay aloha ny hitanay hoe efficace, samy manana ny fijeriny anefa). Hatreto aloha dia mbola tsy nisy hoe tranga goavana tena nila fibedesana na sazy na kapoka mafy nahazo fa dia asa rehefa ho adolescent sy ny fialan-tsakana :)
19. endriny ( 10/02/2015 15:24)
Izao izany hoe TSY MIKAPOKA no LAMAODY. Dia manaraka an'izay daholo e izay mahatsapa tena fa mahara-damaody sy afaka manara-damaody. Raha tsy manao izay dia oainina be amin'ny fiarahamonina...

Taloha ny LAMAODY dia nariana tany anaty ala ireo lazaina hoe zaza maditra, dia izy ihany no manao izay ivoahany tao...

dia nisy koa LAMAODY hoe aterina eny amin'ny 18 izay maditra...

Fa io izany arakaraky ny toerana misy ilay olona sy ny mpiaramonina misy azy ny LAMAODINY, ary araka ny IMAGINATION-ny io e... izaho mba te Jackson na izaho mba te ho Belmondo
20. 5laody ( 10/02/2015 17:38)
Tadidiao ve ry Endriny hoe voalako foana i Jackson (Michael) fony kely?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1674