FAMPIHAVANANAAN'IZA ?

1. RUZ9 ( 21/01/2015 09:25)
Tsotra ny vahaolana raha fampihavanana tokoa no hatao eto :
Iza aloha no hampihavanina.
Ny mila ampihavanina eto dia ny mpanao politika sy ny vahoaka ; ny mpanao politika no fototry ny olana, ny vahoaka kosa lasibatra. Eo koa ny mpitondra fivavahana sy ny vahoaka ; ny mpitondra fivavahana mamitaka sy mivarotra ny ondriny amin'ny mpanao politika, ny vahoaka lasibatra ihany.

Porofon'izany ,Krizy hatrany no vokatry ny fitsabahan'ny mpitondra fivavahana @ raharaham-pirenena ; hitantsika ohatra ny tamin'ny 2009, nitondra krizy naharitra 4 taona, saika nitarina indray izany tamin'ny 2012, ary natao mihitsy izay tsy hahatanteraka ny fifidianana mba ho tonga any amin'ny tanjony ilay lazaina ho fampihavanana. Krizy lavalava kokoa io tanjona io.
Na iza na iza miaraka aminy ao anatin'io « fampihavanam-pirenena io, hita taratra ihany fa mpitondra fivavahana iray no tompon'ny atidoha ao antin'io, ary hita soritra amin'ireo fehin-kevitra notapahin'izy sivy lahy tao izany, eo koa ilay lalàna mamohehatra tiana hampidirina, izay fantatra fa izy no tompon-kevitra taminy.

Anisan'ny endrika famoretana ny tsy famelana ny vahoaka hahalala ny vaovao mety hahakasika azy sy ny fivavahany fantatry ny any ivelany.
Tena ilain'ny vahoaka ny mahalala an'ireo vaovao VATILEAKS na SCANDALE DU VATICAN.
Misy ifandraisany amin'izany ny fisisihan'ny mpitondra fivavahana iray amin'izao fampihanana hiteraka krizy izao.
Tsarovy fa anisan'ny mampandroso an'ireo firenena matanjaka ankehitriny ny tsy fahafahan'io fiangonana iray io mitsabaka @ raharaham-pireneny ; jereo ohatra i Etazonia, Sina, Japana, Angletera.
Ary na ny vahoaka frantsay aza nikaikaika tamin'ny fotoan'androny satria tsy nahita ny anjara masoandrony teo ambany vahohon'io ka nahataonga ny fanonganam-panjakana tamin'ny 1791.
Hitantsika koa fa tratra farany ireo firenena mbola eo ziogany toa an'i Madagasikara, Filipina sy ny firenena afrikana maro hafa.
Hajao ny Laïcité de l'Etat

novalian'i bazylou ny 06/02/2015 15:57
2. rhaj0 ( 21/01/2015 11:13)
Ny lalàna velona no tokony hajaina (ao anatin'izany ny laicite de l'etat)..

Ilay hoe, ireo mpitondra fivavahana izany izao no toa lasa "juge" na mpanelanelana... dia nefa mifototra @ lalàna inona ny fanapaha-keviny ?

Toa mifototra amina subjectivité giravibe...
3. endriny ( 22/01/2015 09:20)
Ka raha vao miresaka ianao hoe laika dia olona kristianina no dikany koa. Dia tsy maintsy ny FFKM no filoha hajainy voalohany.

Saingy misy ihany koa ny Silamo eto, nahoana no tsy mba atao eo amin'ny vondron'ny mpampihavana izy?

Sa efa midika izany fa ny Kristianina ihany no mpiady an-trano sy mpiady toerana?
4. mpisotrtoaka ( 26/01/2015 06:46)
mirotsaha ianareo hanelanelana e !
5. RUZ9 ( 02/02/2015 11:46)
Voalohany aloha, ny atao hoe La?ité de l'Etat dia ny fanasarahana ny raharaham-pirenena sy ny raharaham-pinoana.
Faharoa, tsy fampihavanana izao atao izao fa fanodikodinana saim-bahoaka, ka tsy hiady fo hitarika an'io i Ruz9 ;
Ny tena fampihavanana dia ny famelana ny tsirairay hanana ny anjara masoandrony eto amin'ny firenena, mba hisongadina amin'ny fari-piainana'ny tsirairay fa tany manankarena tokoa i Madagasikara.

Ho hitananao ato amin'ity rohy ity ny tohiny
6. bazylou ( 06/02/2015 15:57)
tsy misy fampihavanana no teo fa fangalana saosy sy fipasohana daomy ary place.

beurrk
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3283