Mahazo mandova ve ny zanaka ivelan'ny tokantrano?

1. mpilaza444 ( 12/01/2015 07:57)
Nisy rangahy nisoratra ara-dalàna kanefa nisakaiza tamin'olon-kafa dia niteraka roa taminy.

Maty izy. Niteraka efa tamin'ny vady mariaziny izy. Mahazo mandova ny fananany manokana tahaka ny zanany dimy koa ve ireo zanany roa? Manana kôpia misy ny anaran-drainy hono ireo roa vavy ireo.
novalian'i bainfara ny 14/02/2016 08:46
2. mirananirina ( 03/02/2015 18:30)

mpilaza444:

Nisy rangahy nisoratra ara-dalàna kanefa nisakaiza tamin'olon-kafa dia niteraka roa taminy.

Maty izy. Niteraka efa tamin'ny vady mariaziny izy. Mahazo mandova ny fananany manokana tahaka ny zanany dimy koa ve ireo zanany roa? Manana kôpia misy ny anaran-drainy hono ireo roa vavy ireo.

Raha mitondra ny anaran-drainy na tsy mitondra fa nozanahany dia mandova ireo, fa raha ohatra ka mitondra ny anaran-drainy nefa tsy nozanahany(père inconnu) dia tsy mandova azy raha tsy hoe nametraka didy izy hoan ny mpadova.
3. mpilaza444 ( 09/02/2015 08:07)
Ny zanak'io rangahy io dia tena misoratra aminy mihitsy amin'ny kopia. De inona no vokatr'izay?
4. hery ( 09/02/2015 08:33)
Raha natsangany (ara-panjakana) ka tsy misy didim-panànana hafa mandrava ilay fandovàna dia mandova izy ka.

Tandremo fa indraindray na ny zanaka nateraka aza dia tsy mandova raha misy didim-pananana hafa napetraka tany amin'ny "notaire" izay mampandova olona hafa.
5. bainfara ( 07/02/2016 15:08)
nisy mpivady vita soratra ara dalana, niteraka 4 mianadah. Maty ramatoa ary 6 volana taorin izay; teraka vavy ny sakaizan drangahy izay mpanampy tao antrano ihany. Noho izany misy disadisa @ iz 4 mianadah sy ny rainy ka mandrahona tsy hampandova azy
Azo atao tokoa ve izany?
6. nunogomes ( 07/02/2016 21:06)
azo atao tsara mits zany ka.
7. bainfara ( 14/02/2016 08:46)

nunogomes:

azo atao tsara mits zany ka.

Dia tsy afaka hiaro ny zony eo anatrehan ny lalàna ve ny zanaka tsy ampandovaina? Satria raha ny fantatro dia ny zanaka no voalohany mandova ny Ray&Reniny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2551