ANARAN-TANANA SY NY NAHATONGA IZANY

1. mpisotrtoaka ( 12/01/2015 05:08)
Inona avy no azonao ambara amin'ireo anaran-tanana be dia be eto Madagascar ireo !? Lazao koa ny mety nahatonga na tena nahatonga izany ? Misaotra antsika mba mizara izay fantatra e !
2. Delphin ( 12/01/2015 10:16)
Antanambao/Tanambao
Mino aho fa ny Faritra rehetra eto Gasikara dia misy tanàna iray, farafahakeliny, mitondra io anarana io. Hilazàna fa vaovao vao nipoitra avy tamin'ireo fanorenan-trano maromaro taty aoriana ilay tanàna.
3. sahia ( 12/01/2015 11:51)
zah afak milaza n anakiray n fametrahana anaram-bosotra iray:
nis PISO anakiray zay nigoka TOAKA B dia mamo lava, d zay zao no nahatong ny anarany oe MPISOTRTOAKA.....lol b
4. mpisotrtoaka ( 14/01/2015 05:03)
Msaotra an'i Delphin sy Sahia mba namaly ! Fa tena ilaiko ilay izy fa aza ny pseudo no jerena ato fa serasera anie ity antsika ity e ! Tsy ny anarana no inona fa fifanampiana ho an'ny namana e ! Msaotra indrindra ! Matiko ianao ry Sahia rhf hitako fa ataovy ihany ! hik hik hik !
5. 5laody ( 23/01/2015 07:42)

Misy havoana izay ao an-tanàna ao ny ilany tamin'izany fotoana izany saha sy tany nambolena ary ny antsasany vatobe tsy azo atao n'inon'inona. Aiza ary io?
6. mpisotrtoaka ( 26/01/2015 07:14)
In lty zany ?
7. 5laody ( 13/02/2015 11:08)

ny ilany vato====> Ilanivato. fa ianao ve avy aiza e,
8. Nav ( 20/04/2015 20:49)
Ny anaran-tanàna na vohitra na zavatra rehetra hita maso dia matetika nomena anarana nohon'ny tantarany na nohon'ny endriny. Marim-pototra izany ho an'ny firenen-drehetra fa ho antsika eto Madagasikara dia marina koa izany.
Mahaliana tokoa ny mandinika sy mikaroka ny antony sy loharano niavian'ireny anarana ireny fa ity teny atsipy ho anareo izay mety manana holazaina: manatona ao amin'ny FTM (Foiben-Taosarintanin'i Madagasikara), Ambanidia, Antananarivo fa misy komity mpikarakara an'izany ao: Komitim-Pirenena miandraikitra ny Anarantany, manana akora maro mikasika ny anarantany eto Madagasikara ao ka mety ilainareo ary mety ilain-dry zareo ao koa ny hay entinareo ao.
9. mpisotrtoaka ( 22/01/2020 06:18)
Miarahana antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao 2020 e!

Misaotra ireo rehetra namaly e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3639