Mangala baraka

1. vikina ( 02/01/2015 19:50)
Za vevavy gasy mbola tsy ela no tonga taty andafy. Misy vevavy Frantsay izay miara-miofana amiko ao, tonga vô tsy ela avy any Dago koa le ramatoa fa nisara-bady: nisy vevav gasy naka ny vadiny, eny mampalahelo aloha ny tantarany satria i Ramoseny 70 ans nahazaka 25ans sady nifampiteraka. Izy voatery niverina aty ary dia départ à zero.Saingy zaho ndray no namparany ny hatezerany aty. Ratsy be no famaritany an'i Gasikara: mahantra,maloto, tsisy asa dia mivaro-tena, mangalatra eny fa na dia ny borosy nifiny aza hono nisy nangalatra. Isaky zay miteny izy dia fanaratsiana gasy foana. Miezaka manindry fo aho fa tena tiako ho fetahana mihitsy. Hafatro ry vevavy gasy, aza mangala-badin'olona re e! ny hafa no milanja ny vokatra ataonareo
2. hery ( 02/01/2015 22:34)
Ny vehivavy hatrany izany no lazaina fa fototra.

Raha zavatra no nangalarina dia ilay mpangalatra no tompon'andraikitra tokana... fa raha vady kosa no lazaina fa nangalarina dia samy tompon'andraikitra na ny mpangalatra na ilay "nangalarina"
3. vikina ( 03/01/2015 15:35)
Marina daholo ny voalazanao fa, ity lay ramatoa izaho tsy naninona azy akory no amatrarany sy ataony adversaire mihitsy!
4. mpisotrtoaka ( 26/01/2015 08:58)
Toneo ny fo na modia e !
5. Strong3 ( 18/02/2015 12:52)
Ny vadinao hoe no nioty voakazo manta; de za no harary kibo? hihihi

enie ; mahantra ny gasy , tsy misy asa eto na be boritra na tsy misy boritra ...

misaotra amin'ny fananarana , enga anie ka ho hendry ny mpamaky . nefa ohatran'ny olona miasa daholo sy misy atao anie ny mpamky eto eh :p
6. papounette ( 31/01/2016 20:37)
Zaho aloha ry vikina raha vao manaratsy ny taniko Madagasikara dia tonga dia ananganako ady sady esoiko. Marina fa maro mahantra ny gasy fa tsy hitandreo ny jalindreo andafy?maty ny hatsiaka, sy ny havoretran'ny vazaha sasantsasany....etc ?Tsy mila manindry fo zany rehefa miresaka @ vazaha. Apiriato indray mandeha, tsy indry no naniraka ny vadiny handeha hilingilingy @ tanora any.Any ankafa manala vokona fa tsy aty amindry e. Ary tsy ny vehivavy gasy irery ihany no mangalabadin'olo fa reo vazaha reo koa dia mba sangany. Aza manaiky lembenana hoa. Zay fotsiny.Ary reo vazaha manolana zazavavy kely aty amintsika reo resahina aminy e. Dia ho hitandry eo ny valiteniny....genre "je ne suis pas responsable"...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2625