Mila miverina @ Adonai isika

1. shmaisrael ( 05/12/2014 08:45)
@ taona arivo fahatelo dia hiverina i adonai ho an'ny vahoakany
2. rekinbelo ( 05/12/2014 08:52)
Tsy isika ve no mila miverina aminy @ izao, hoy 1Jaona 4:19 oe izy tia antsika voalohany. Isika indray izao no manao dingana fa tsy Adonai intsony fa efa vita ny azy.
3. shmaisrael ( 05/12/2014 08:58)
mila mamaky tsara an! "mila miverina @ adonai isika"... saingy vahoaka mafy hatoka e, efa voakapoka impiry , efa ampahafantarina ny marina fa e e e... aleo ihany mano izay tiana
4. hery ( 05/12/2014 09:02)
Sao dia mba taona arivo fahaefatra sy tapany izy no hiverina?
5. rekinbelo ( 05/12/2014 09:23)
Ka ianao io ve nanaiky ny fiverenany? Nandray ny Hafatra nalefany? Tsy hamela antsika halalaka izany Satana aloha fa tadidio, fa raha vao mihetsika ianao hanantona ny Tsitoha dia tamy koaizy manao ny asa-ratisny rehetra (@ alalan'ny fivavahana isan-karazany na @ fahafinaretana isan-karazany)
Aza taraiky loatra ary fa efa kely sisa ny fotoana eeee... fa tsy oe any @ taona arivo fahefatra akory. Efa hafa mihitsy ny fiainantsika olombelona @ izay fotoana izay, na ny maty aza efa atsangana daolo.
6. rhaj0 ( 05/12/2014 11:44)
Hay izay vao takatro fa manana anarana maro kay A.tra (Hebreo), isan'izany ireo aboakan-dry Moustaraf sy ny namany ireo : YHWH, Adonai, El, Elohim, ets... Jereo eto
http://en.wikipedia.org/wiki/Names_of_God_in_Judaism#Adonai

Ny ahy izao ny tiatiako @ ireo anarana be dia be ireo dia i Elah... na koa Yah ...

Imaginer-o...
- O ry Elah izay any an-danitra a... mba henoy ny vavakay...
- O ry Yah oooo ...
7. shmaisrael ( 05/12/2014 12:10)
Eny manana anarana maro izy ... fa isika no mbola manohy sy minia tsy te hahalala na efa hita zao aza hoe ireo no tena anarany.... Teny nidina avy any Aminy ny teny hebreo, nipetaka teo @ didy folo!!!! ka tsy tokony hovaina ny anarany...
8. shmaisrael ( 05/12/2014 12:15)

hery:

Sao dia mba taona arivo fahaefatra sy tapany izy no hiverina?


Faminaniana anaty baiboly io fiverenany io... efa tonga ny fotoana...baiboly foana ny référence eto fa tsy ny hevitry ny tsirairay
9. rekinbelo ( 05/12/2014 12:18)
Koa nahoana namana no misy ary fiangonana milaza oe fiangonan'i Jesosy Kristy? Ohatry ny maro le olona milaza fa zao sy zao no anaran'Andriamanitra anefa to tsy io no ankalazaina fa Jesosy no deraina sy tatatataina @ hira evanjelika sns ......
Mampihomehy ihany ny maita izany anieee................................
10. moustaraf ( 05/12/2014 12:41)
Namana,
Marina izay lazainao izay, satria anie efa ho 2000 TAONA no nanaovana lavage de cerveau e! miampy fitaka sy lainga izay ho vakiana bantsilana @ izao fotoana sy vanin-taona iainantsika izao! satria izay no efa voatondron'ny BAIBOLY

-Nodradradradraina foana fa fosika ilay JEHOVAH, tsy iny ve fa novana mangingina tao ilay izy!
Dia ahoana hoy ianao ireo hira fiderana maro be sy mapientanaentana ??? E! e! e!
Rehefa diso dia diso e! mifona no tokony hatao , noho ny tsy fahalalana, ary miala @ ratsy fanao!

-Mbola tohizana izany ezaka izany:
anarana fosika avokoa: jesosy, kristy,tompo, masina, andriamanitra, dieu, god, got, bahanas, sns....
TSY MISY AN'IREO ANATY BAIBOLY FOTOTRA , ARY TSY NIVAVAKA TAMIN'IREO I ABRAHAMA RAIN'NY MPINO! na NY MPAMINANY! na ny APOSTOLY!
11. shmaisrael ( 05/12/2014 12:42)
satria tsy nikaroka sy nandalina izy ireny, ny anazy théologie!!! racine du mot= théos, andriamanitry ny grika! izay tsy elohim velively! efa voalaza fa tsy hahalala ny marina isika raha tsy tonga ny fotoana, ny fotoana hatramin'ny nahafatesan' ny zanak 'Atra hatramin'izao anefa dia efa tena lava be... ampy tsara ho an'i Satana namiravirany ny baiboly sy ny fandikana azy ka ny génération aty aoriana tsy mahalala ny marina intsony!!!

efa voasoratra mazava tsara fa anarana TOKANA no hahavonjy, tokana = iray ihany, tsy nom commun fa anarana iray!!!

ny jesosy, jésus, jesus, jesoa dia avy @ teny hoe IESUS... izay tsy anaran'IESHUA!!!

noho izany "victimes" daholo ny olona taty aoriana satria tsy nijery akory ny maha sarobidy io anarana io!

Na io andriamanitra io aza misy tantara ratsy be fa ny olona no tsy mahalala fa mionona amzao fotsiny!!!
12. endriny ( 08/12/2014 06:33)

shmaisrael:

@ taona arivo fahatelo dia hiverina i adonai ho an'ny vahoakany

Voan'ny dona miverina izany isika koa inona moa? Dia lasa hoe Adonay... Ampifandomy eo e
13. shmaisrael ( 08/12/2014 09:16)
tsy azo vazivaziana io Anarana io re olona a... Tsy fantatrareo marina ny dikany ... rehefa ho tanteraka ny faminaniana rehetra anaty baiboly dia eo tsika mahita izy e...
14. Maranatha ( 08/12/2014 09:54)
Tsy manohitra aho ny fahamarinan'io anarana io aho fa mba te hahafantatra ny dikan'ity teny ity ao amin'ny baiboly dikan-teninareo aho Zakaria 14:4 Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo...... 9 Ary ny Tsitoha ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Tsitoha , sady iray no anarany.

Fiverenan'i Messiah fanindroany ety ambonin'ny tany no voalaza amin'io . ary amin'ny andininy faha-9 dia milaza mazava fa eo vao hipetraka ny fiantsoana ny anarany izay hiraisan'ny firenena rehetra izay voavonjy.

Ka eto aho te hiteny hoe sao hianareo ary ilay nasain'i Messiah ho tandremana fa milaza hoe indro aty izy, na hoe indro ao an'efitrano izy na hoe sns...?
faharoa: betsaka hianareo no mitondra io fampianarana io . ao ny jodaisma ao ny milaza fa Israely ao ny milaza fa Hebraique ka inona moa no mahatonga anareo tsy hitambatra fa toa mifampian-dany ??? (sao dia resa-bola)

Fahatelo: Tsy nanaraka tsara ilay momba ny Jiosy tao amin'ny Daniel 9 :24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra ve re hianareo ????

fahaefatra: Matahotra mafy ny testamenta vaovao hianareo ka tsy sahy mampiasa azy rehetra satria mitifitra ny Jiosy ireo boky ( epistily) voasoratra ao.

Apetrako amin'ny Moustafar sy shmaisrael sy ny 3F Ariel ny fanontaniana.

15. rhaj0 ( 08/12/2014 13:59)
Normal be an-dry Maranatha koa no manao 2 poids 2 mesures
Maranatha:
betsaka hianareo no mitondra io fampianarana io (...) ka inona moa no mahatonga anareo tsy hitambatra fa toa mifampian-dany ??? (sao dia resa-bola)

Ka i Maranatha sy ny Kristiana namany (na fahavalony) indrindra koa no manao an'io.

Aiza re izany e....

16. shmaisrael ( 08/12/2014 15:34)
Zavatra samihafa ny judaisme, hebraique sy ny ny tsy fantatro avy (kohen sns...)

tsotra ny teniko, làlana ara-baiboly ...io no irian'elohim... tsy anampiana tsy analana...

Maninona koa ny kristiana rehetra tsy mitambatra???

Ho avy ny fahamarinana dia samy hahita sy handre daholo...
17. shmaisrael ( 08/12/2014 15:41)
tsy misy mitsipaka ny testamenta vaovao mihitsy, hadalan'izay te hanipaka... fa izaho aloha dia mino an'elohim, sy ny zanany ieshua hamashiah... ary miandry ny fiaviana mihitsy...
18. shmaisrael ( 12/12/2014 05:55)
efa naminany isaia hoe hiverina afaka 3000 taona ny taranak'israel...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0672