Ilay volana faha-13?

1. sitlo ( 02/12/2014 23:27)
Mba nankaiza ilay volana faha-13 e? Tena mba nandinika aho fa tsy arako.

Araka ny tantara moa dia anisan'ireo toerana nampiasa ny volana ny malagasy.
Andro = andro + alina
Herinandro = miherina ny andro izay tsy haiko tsara hoe nahoana no nataon'ny malagasy ho 7 andro
Tapa-bolana = mitapaka ny volana: raha diavolana androany dia afaka tapa-bolana dia maizim-bolana = herinandro anakiroa
1 volana = miverina amin'ny paoziny niatombohany ny volana. Raha diavolana androany, afaka iray volana dia diavolana indray = tapa-bolana roa = 28 andro

Teo koa anefa fihodinan'ny tany amin'ny masoandro izay fantatry ny malagasy tamin'ny alalan'ny toetr'andro: lohataona, fahavaratra, fararano, ririnina.
Ny ririnina dia maina sady mangatsiaka, ny lohataona indray dia mafana, somary maina ihany fa velomboly daholo ny zava-manan'aina. Misy oram-be iny avy manasaraka ny ririnina sy lohataona, izay antsoina hoe orana mampisara-taona. Eo amin'ny volana Septambra eo ilay izy izay eritreretiko fa manodidina ny "equinox."

Izany hoe fantatry ny gasy ihany koa fa eo amin'ny 365 andro eo koa ny heritaona.

Raha zaraina 28 ny 365 dia manome 13 eo. Dia maninona kay ny vintana malagasy no 12 ihany koa?
2. endriny ( 03/12/2014 05:09)
Marina ny voalazanao ry namana, saingy izao:

Ny volana Malagasy ankehitrio dia taratry ny fankahalana ny isa 13 izay nentin'ny arabo sy ny Eraopeanina, ary indrindra ny frantsay.

Saingy na izany aza dia mbola misy ar mitoetra amin'ny faritra maro eto Madagasikara ilay volana faha-13 antsoina hoe: "Volambakavaka"
3. 5laody ( 03/12/2014 11:18)
Misy mpampiasa manome volana fahateloambin'ny folo ihany aloha rehefa mandeha tsara ny toedraharaha.

Vazivazy iray andalana iny fa taloha be tany hono efa nisy nahavita fanisana taona tena raitra miankina amin'ny fihodin'ny tany sy ny fandinihana kintana.(ejyptiana sy Incas angamba izy izay).
Ka izy ity moa rehefa tsy manaiky ny sain-dry zalahy hoe nisy olona nahay noho izy tany aloha tany dia lazainy hoe extraterrestre.
4. booboo ( 04/12/2014 08:24)
Fa maninona no atao hoe " volambakavaka " kay ?

( tsisy hidiran'ny 13ème mois, fa vao haingana kely vao haiko hoe tena marina kay ilay hoe 10 volana mitondra an-kibo ).
5. moustaraf ( 04/12/2014 10:03)
Salama namana,

1.Ny volana sia 12 foana hatramin'ny voalohany, fa ny isan'ny andro anatin'ny volana no nisy fiovana! (ataovy ny fanisana an'ireo andro sy volana voalaza:
oh: t@ safodrano /
Ny mpanjaka Solomana dia nanendry mpiandry vavahady 12 miova isam-bolana
Any an-danitra ihany koa dia misy hazo mamoa isam-bolana:
Apokalypsy 22 : 2
teo afovoan’ ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ ny ony nisy hazon’ aina mamoa voa roa ambin’ ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana;

2.Ny volaa faha 13 dia ilay mpikaroka jiosy ngeza lahy antsoina hoe HILLEL no nampiditra azy, noho ny fahasarotran'ilay fanisana andro araka ny Torah (baiboly) izay arahin'ny jiosy mandraka ankehitriny!

3.Ny fanisan-taona miompana @ zava-maniry "calendrier agricole" hebreo izay tena an'ny Malagasy dia 12 volana ihany koa ary 365j, ka eo no mahavery hevitra ny mpikaroka rehetra momba an'io satria ny iray volana anefa dia 30 andro ihany! ???? MISTERY
6. mpisotrtoaka ( 15/01/2015 04:53)
Ny 13ème mois karama teo zao no koboko a !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2642