IREO LOZA ATERAKY NY TSY FIRAHARAHINA SY TSY FANANANA FAHALIANANA

1. Maranatha ( 01/12/2014 10:59)
«Aoka ianao hanintona lehilahy sy vehivavy maro hiala avy ao anatin’ny tsy firaharahina ny ara-panahy . Tantarao amin’izy ireo ny fomba nandraisanao an’i Jesosy , ary ambarao amin’izy ireo fa tena voatahy tokoa ianao hatramin’ny nanaovanao ny asany . Tantarao amin’ny olona ny zava-tsoa izay anananao rehefa mipetraka eo an-tongotr’i Jesosy ianao , ka mianatra an’ireo fampianarana saro-bidy avy amin’ny teniny . Resaho amin’ireo olona ireo ny fahasambarana , ny fifaliana izay tsapa ao anatin’ny fiainana kristiana . Ireo fiainana feno hafanam-pitiavana mamy , dia handresy lahatra azy ireo hianao fa hianao dia efa nahita an’ilay vatosoa sarobidy . Aoka ireo teny mampihetsi-po sy mampahery ataonao haneho aminy fa ianao dia efa nahita miharihary tokoa ny lalan-kizorana tsara indrindra . Izany no ilay tena asa misionera marina , ary rehefa anaovana fampiharana izany , dia olona maro no hifoha tahaka ny hoe notsoahina niala tao anatin’ny nofy ?» Evangeliser pp 436,437 ENDEHA HO HARAHINA INDRAY E!
novalian'i Maranatha ny 02/12/2014 05:05
2. rhaj0 ( 01/12/2014 11:39)
Ka tsy hita(ko) ihany anie ny tianao lazaina ry Maranatha e...

-ny lohateny dia hoe "LOZA" "LOZA" sady feno negative "TSY" "TSY"... (no koa majuscule mivazavaza ianao @ io)
- ny ventin-dresaka anefa dia 'feno hafanam-pitiavana mamy" sady hotry ny te-ho positive hoe "tsara" "marina"... (sady miloko maitson'ny fanantenana ianao @ io)

(sao dia ianao no mila "notsoahina niala tao anatin’ny nofy" fa tsy coherent izany resakao izany)
3. Maranatha ( 02/12/2014 05:05)

rhaj0:

Trotra be izany namana a! MILA MANINDRY ITY ROHY ITY IANAO DIA MAMAKY IZAY TOHINY
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1037