Baiboly dikan-tenin'izao tontolo izao (part 1)
1. Hery092
(
25/11/2014 11:08)
Salama daholo isika !
Toa ara-paminaniana ihany ny fandehanan'ny resaka Anarana sy teny maro hafa (de:hebreo) nadika (baiboly no resaka) sy nasandratry ny kristiana, tato amin'ny serasera, tsy fantatra na naharaka ianao na tsy fa tahak'izao le izy raha fintinina dia hoe : nivavaka tamin'izay nivavahany ny malagasy fahiny, tonga teto ny mpanjana-tany, nandefa ireo misiônera nialoha làlana azy (tamin'ny alalan'ny fampidirana fivavahana vaovao izay efa voavolavola avy tany ivelany tany), rehefa izany dia tsy nanaiky mora ireo malagasy tompon-toerana teto, tsy nilefitra tamin'izany iretsy ankilany fa nampiditra ireo anaran-tsampy efa nivavahan teto taloha be, dia nifandray tsikelikely teo ihany ny tadin-dokanga.
Ankehitriny, ny fanahin'ny fahamarinana no manambara ny marina, fa tsy ny vahiny avy any an-dafy ary miely tsikelikely izany amin'izao fotoana izao.
Aiza ho aiza ianao manoloana ny resaka ?

novalian'i ZahZay ny 26/01/2015 05:49
2. endriny
(
26/11/2014 08:19)
Efa manomanana fiangonana vaovao indray izao ny Kristianina, dia ilay fiangonana manana boky vaovao atao hoe Bokin'i Maromaona... Efa ny katolika mihintsy no manampy ny Universite des Mormons any Texas... satria fantany fa efa hifarana ny andron'ny Kristianina fa fantatra ny marina...
3. moustaraf
(
26/11/2014 12:29)
Salama namana,
Rehafa "tapitra ny andron'ny jentilisa" = fivavahana ROMANA = katolika, dia inona no manaraka?
Rehefa sirika ny fosika dia "miverina ny marina"= miverina fotony ny fivavahana = HEBREO
Rehafa "tapitra ny andron'ny jentilisa" = fivavahana ROMANA = katolika, dia inona no manaraka?
Rehefa sirika ny fosika dia "miverina ny marina"= miverina fotony ny fivavahana = HEBREO
4. Hery092
(
27/11/2014 05:11)
Tokony tsy hipetrapetraka isika manoloana izany fa ndeha hampahafantatra mandrakariva ny làla-masaka hatry ny ela amin'ireo ao anaty maizina ireo...
Misaotra daholo namana.
Misaotra daholo namana.
5. Maranatha
(
27/11/2014 06:39)
moustaraf:
Salama namana,
Rehafa "tapitra ny andron'ny jentilisa" = fivavahana ROMANA = katolika, dia inona no manaraka?
Rehefa sirika ny fosika dia "miverina ny marina"= miverina fotony ny fivavahana = HEBREO
Ahintsy i Moustafar fa diso (mety diso hatrany amin'ny fampianarana azony va re e??!.) Tsy miverina @ Hebreo intsony fa Miverina hifotiny amin'i Avo indrindra, io ilay hoe fanjakan'i Tsitoha.
Tsy novakianao va ny bokin'i Daniela mikasika ilay nofy hitan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babilona Dan 2:34 Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.35 Dia niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra
Toy izao ny heviny
Dan 2:44 Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo NY Rain'ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa Izy kosa hitoetra mandrakizay.
Ny fanjakana resahina ary ambony dia fanjakana ara-bakiteny na hoe firenena iray ny fotom-pivavahana ihany koa dia tafiditra amin'io fanjakana io . Tsy diso ny nilazanao hoe ny fampianarana ROMANA (katolika) io resahiny io. Fa rehefa tian'i Ray ho taperina amin'izay io satria tonga ny fotoana dia ny FanjakaNY amin'izay no hasolo io.
Moustafar ô! mandehana mahintsy be, manetre tena f'aza miantehitra amin'ny firazanàna, aza miaro ny anaram-piangonana (na Jodaisma Messianique io na Jiosy Messianique) fa izay fahamarinana fantatra dia ampiharo dia isany hanana anjara ao amin'ny fanjakan'i Messiah hianao.
Te hihaona mafy aminareo aho fa teren'ny elanelan-tany sy ny fotoana dia tsy misy hahafahana mba mifanoro. Satria tsoriko aminao fa na izahay koa aza raha misy fahamarinana tokony hampiharina ka mbola tsy voadinikay dia hampiharinay izany na dia io katolika romana io aza no mitondra azy ka voamarin'ny soratra masina sy mifanaraka tsara amin'ny vanim-potoana aram-paminaniana.
Mahereza Moustafar a!
6. Hery092
(
27/11/2014 07:46)
Salama namana,
Rehafa "tapitra ny andron'ny jentilisa" = fivavahana ROMANA = katolika, dia inona no manaraka?
Rehefa sirika ny fosika dia "miverina ny marina"= miverina fotony ny fivavahana = HEBREO
Za io zao miandry an'zany mits. Fa hono ho'ah, nijerjery tato aho alina dia nahita message niteny hoe : "efa manomana boky hafa ny kristiana (efa may ny hendim-boanjony) izay hanampiany ny Môrmôna any ivelany any..." ts tadidiko tsara fa tam téléphone koa ah no namaky azy de sahirana be...
sao mba misy nahita ?
7. gasy1zay
(
27/11/2014 19:39)
Fa ny baiboly ve moa ry Hery092 nosoratana talohan'ny handehanan'ireo colons hanjanaka sa efa 2000 taona lasa izay? Mety misy marina ny nambaranao hoe nararaotin'ireo mpanjanaka ny baiboly hidirana mora teto fa tsy midika mintsy hoe diso ny voalazan'ny baiboly raha nisy fisainandratsy tao ampon'ny ireo nanaparitaka izany teto amintsika.
Endriny > na hiova filamatra aza ny antokompivavahana sasany mbola misy ary hisy foana ny kristianina hijoro @ finoany sy hijoro vavolombelona fa tena velona Jesoa Kristy ilay voalazan'ny Baiboly io ary ilay Andriamanitra Ray sy zanaka ary Fanahy Masina no Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra ary tia sy mamaly vavaka ny olony.
Maranatha > tsy anjarantsika ny mitsara ny fivavahan'ny hafa fa ny milaza ny tsy mety angamba no afaka atao fa sao hanafitohina ny hafa.

8. rhaj0
(
27/11/2014 19:56)
Mahafinaritra (ahy) rahefa mahatsapa iana(re)o fa:
- TSY mila manao ity solidarite malsaine, ka miaro ny nataon'ireo "mpino" taloha, izay nanana "fisainandratsy" ary nampiasa ny Baiboly hanamarinany ny fisainan-dratsiny
- TSY manao ity "mitsara ny fivavahan'ny hafa" ity, izany hoe,
1- manaiky fa misy "fivavahana" hafa noho ny anareo, ary
2- manaja izay ny an'ny hafa izay iana(re)o izany
Tena afaky ny miara-miaina isikana raha izany...
9. endriny
(
28/11/2014 09:18)
1- Ny baiboly voalohany dia ny testamenta taloha. Ho an'ny Tompony izay ny Jiosy dia io aloha hatreto no loharanom-pampianarana sy finoana, miampy ireo seho sy tanatara ifaneken'ny Jiosy mandra-piavian'ilay Mesia.
2- Ny baiboly Krstianina dia mifotra fotsiny amin'ilay boky atao hoe testamenta vaovao, izay nosoratan'ny Raomanina, Hadreanina sy Piso mba hanafoanana ny Fivavahana Jiosy, sy mba hanamafisana ny fanjanahana
3- Jamais deux sans trois, dia miditra amin'ny adiany faha-telo ao amin'ny finoana isika izao, indrindra ny finoana Kristianina, izay miandry ny hiverenan'izay lazainy fa Kristy, ka dia manoratra boky tovana fahatelo izy izany. Izay boky fahatelo tsy inona akory fa fampinoana ny olona ilay hoe fihaviana apokaliptika mba hamerenana indray ny laza sy ny voninahitry ny tany tandrefana mediteraneanina.

10. ZahZay
(
26/01/2015 05:49)
Miarahaba,
Ny zavatra kely nefa manan-daja tiako tsindrina, dia ny hoe "Ny mifora no nomena ny boky (@fiteny Hebreo(tenim-panoronana))dia ny tsy mifora indray ve no ampianatra azy?!".
Manaraka izay, dia ny makasika ny lohahevitra, heo : "Baiboly dikan-tenin'izao tontolo izao" valin-teny tsotra ihany dia ny hoe : Tsy tonga lafatra ny dikan-teny
Rehefa tsy tonga lafatra ilay dikan-teny, indrindra ity làlam-pamonjena dia marim-pototra ny fivilian-dàlana
...
Misaotra